Tafaray Ao Shahbag Ny Bangladesy Noho Ny Faha- 42 Taonan'ny Heloka An'ady

Tsikelikely, nanjary ranomasimben'ny olona ny fiolanana Shahbag ao andrenivohitry Bangladesh, ao Dhaka, ho fitakiana ny rariny noho ireo habibiana niseho nandritra ny tolom-panafahana tamin'ny taona 1971 sy ho fitakiana ny fanasaziana ho faty ireo meloka an'ady.

Araka ny filazan'ny sasany, tombanana ho 500.000 tsy latsaka eo no isan'ireo olona tonga ao Shahbag.

Folo andro lasa izay, niantso ireo mpanao fihetsiketsehana ny Tambajotra Bilaogera sy Mpikatroka Antserasera (BOAN) rehefa fantatra fa meloka tamin'ny heloka an'ady niseho tamin'ny 1971 i Abdul Quader Mollah, Sekretera Jeneralin'ny antoko Islamista Bangladesh Jamaat-e-Islami. Tamin'ny 5 Febroary 2013, sazy an-tranomaizina mandrapaha-faty no didy navoakan'ny  Fitsarana Iraisam-pirenena Misahana ny Heloka Bevava ho azy noho ny famonoana olona 344, ny fanolanana sy ny fandoroana vitany

Hatramin'ny nankatòavana ny lalàna fanamelohana ho faty momba ny heloka bevava ao Bangladesh, maro ireo vahoaka no nanantena fa ho ahaton-doha i Quader Mollah. Kanefa mbola tsy tanteraka izany ary nidina an-dalambe sy nankao amin'ny Facebook ny vahoaka.

Ocean of people in Shahbagh. Image by Firoz Ahmed. Copyright Demotix (11/2/2013)

Ranomasimben'ny olona ao Shahbagh. Sary: Firoz Ahmed. Copyright Demotix (11/2/2013)

Manantena ny fahombiazan'ny hetsika Shahbab ilay poety malaza sady mpampianatra eny amin'ny Oniveristen'i Jahangirnagar, Khaled Hossain. Hoy izy nanoratra tao amin'ny rindrin'ny Facebook-ny:

লোভ থেকে বা লাভের আশা থেকে উত্থিত নয় এ অভিনব চৈতন্যের জোয়ার। সমবায়ী শুভচেতনার এ এক অভাবিতপূর্ব নান্দনিক বিস্ফোরণ। বিজয় ছাড়া আমাদের আর কোনো প্রাপ্য নেই।

Tsy avy amin'ny fitiavam-bola na fitadiavana tombotsoa izao fahatsapan-tena izao. Vokatra tsara avy amin'ny fiheverena ny lafy tsara iombonana izao. Tsy mahazo na inona na inona afa-tsy fandresena ihany isika.

Bilaogera, mpanoratra sady mpampianatra Moom Rahaman nanentana ny tsirairay hoavy hamonjy ny fiolanana Shahbag:

যে সব তরুণ সুস্থ আছেন, দেশে আছেন, অথচ এখনো শাহবাগে জাননি, তাদেরকে জানাচ্ছি আপনারা ইতিহাস থেকে দূরে আছেন, বর্তমান থেকে দূরে আছেন, ভবিষ্যত থেকে দূরে আছেন। এখনো সময় আছে, আমাদের পাশে এসে দাঁড়ান। এখন যৌবন যার, শাহবাগ যাবার তার শ্রেষ্ঠ সময়।

Ho an'ireo tanora ao an-tanàna ka tsy afaka hamonjy ny hetsika Shahbag, fantaro azafady fa mbola ho lavitry ny tantara ianao, mbola lavitry ny ankehitriny sy ny hoavy. Kanefa, mbola manana fotoana hiarahana aminay ianao. Koa ho an'ireo tanora, fotoana ahatongavana ao Shahbag izao.

Tausif Hamim, tanora miari-tory mba haneho firaisankina amin'ny hetsika. Vaskar Abedin nizara momba ny fanaon'i Hamim:

নিয়ম করে তিন বেলা শাহবাগ যাই, স্লোগান দেই, ক্লান্ত হয়ে গেলে নখ দিয়ে চুলের খুশকি খুটি, আশে পাশে তাকাই, মুগ্ধ হয়ে দেখি ল্যাম্প পোস্টগুলো এক একটি ফাঁসি কাষ্ঠ, সেই কাষ্ঠে ঝুলছে কাদের মোল্লার প্রতিকৃতি, স্লোগান দেয়া আপুটার সাথে নতুন করে বর্নমালা শিখি- “স” তে সাকা চৌধুরী, তুই রাজাকার, “গ” তে গোলাম আজম, তুই রাজকার। ক্ষুধা পেলে বাসায় আসি, ভাত খাই, তারপর আবার শাহবাগ যাই, বিকাল গড়িয়ে সন্ধ্যা নামে, ফাঁসির স্লোগান তীব্র হয়, সন্ধ্যা নামলে মিছিলের উপরে মশাল জ্বলে সেই মশালের আলোতে পাপমুক্তির গন্ধ থাকে, এখানে সেখানে উল্টে পড়া মশালগুলো তুলে নিয়ে আমি এক জায়গায় জড়ো করি, পরে থাকা কেরোসিনের উপর ছড়িয়ে দেই খবরের কাগজ, আবার ক্লান্ত হই, ১০ টাকার বাদাম খাই, মোমবাতির আগুনে পোড়াই বাদামের খোসাগুলো।…

In-telo isan'andro aho no tonga ao Shahbag, miventso teny filamatra, ka rehefa reraka aho, dia misafo loha, mijery ny manodidina, mahita am-pahagagana fa nanjary fanantonan-kafatra ireo andrin-jiro. Mihantona eo amin'izany andrin-jiro izany ohatra ny sarin'i Quader Mollah. Nianatra voambolana vaovao aho – S hoan'i Saka Chowdhury, Razakar ianao, G ho an'i Golam Azam, Razakar ianao. Rehefa noana aho, dia mody any an-trano, misakafo hariva ary miverina ao Shahbag indray. Tonga ny hariva, nanjary nihamafy ny teny filamatra fitakiana ny fanantonan-doha,  miha-maizina ny andro ary mamofona fahamaizana ireo fanilo mirehitra. Angoniko avokoa ireo fanilo nampiasaina, mandreraka be ny mametraka taratasy manerana ny kerozena naparitaka (solitany mbola tsy voadio tanteraka), ka rehefa reraka aho dia mihinana voanjo ary mandoro ny akoram-boanjo amin'ny labozia mirehitra .

In the Picture Lucky Akter shouting slogans. Image by Firoz Ahmed

Lucky Akter miventso teny filamatra. Sary: Firoz Ahmed. Copyright Demotix (11/2/2013)

Nisy tamin'ireo fahitalavitra tsy miankina no nandefa sy nitantara ny fandehan'ity fihetsiketsehana ity. Noho izany fandaharana izany, nanjary nalaza i Lucky Akter, mpitarika ny hetsika tamin'ny teny filamatrany mahery vaika. Britanika-Bangladesy Morshed Akhter nanoratra hoe:

আজ থেকে ‘লাকী আখতার’ নামের মেয়েটি আমার বোন। আর এভাবেই ‘লাকী’-রা আমাদের বোন হয়ে যায়, হয়ে যায় ‘আত্মার আত্মীয়'।  অফুরান ভালবাসা তোমাদের জন্য।

Nanomboka androany, rahavaviko i Lucky Akter. Ary nanomboka tamin'izany, nanjary rahavavin'ny rehetra i Lucky Akters, “nahatonga azy nalaza”. Fitiavana be dia be ho anao.

Shimul Bashar, mpampita-vaovao avy amin'ny fahilavitra tsy miankina manana fanantenana ny amin'ny hetsika #Shahbag:

আমি আবার বলছি, শাহবাগের এইসব দিন ইতিহাস হবে। জীবনে এর চেয়ে বড় পাওয়া আমার নেই। মা, আমার চোখে ঘুম আসেনা। আমি শাহবাগের কথা ভাবি। আমার তার মুখ মনে পড়ে।

Averiko indray fa anisan'ny hipetraka ho tantara ireo andron'ny Shahbag. Tsy manana zava-dehibe ankoatra ity aho eo amin'ny fianako. Mama, tsy mahita tory aho. Mahatsiaro an'i Shahbag foana aho. Tsaroako avokoa ireo endrika rehetra.

Nanohana ny hetsika avokoa ireo vahoaka maro be saingy mbola tsy naneho ny heviny kosa ilay nahazo ny loka Nobel, Dr. Muhammad Yunus. I Azad Master nanamarika hoe:

নন নোবেল বিজয়ী জাফর ইকবাল স্যার আমাগো সাথে তার সহধর্মিণীকে নিয়ে এসে মঞ্চে উঠে তুই রাজাকার বলে স্লোগান দিতে পারেন । কিন্তু নোবেল বিজয়ী ডক্টর ইউণূস সাব রামুর মতো এইবারও মৌন ব্রত পালন করছেন।

Tonga namonjy ny hetsika niaraka tamin'ny vadiny ilay Nahazo Nobel Dr. Zafar Iqbal mba hiventso teny filamatra. Saingy mbola tsy naneho ny heviny indray ilay nahazo ny loka Nobel Dr. Yunus tamin'ity .

School student are protesting. Image by Zakir Hossain Chowdhury. Copyright Demotix (11/2/2013)

Mpianatra nanao fihetsiketsehana. Sary: Zakir Hossain Chowdhury. Copyright Demotix (11/2/2013)

Saikat Shuvro Aic nanontany ny Antoko Nasionalista Bangladesh (antokon'ny mpanohitra lehibe indrindra)- mikasika ny fijeriny ny fihetsiketsehana:

হায় বিএনপি! না আছে গলায় কোনও আওয়াজ, না আছে চোখে কোনও জ্যোতি! ইয়া মাবুদ এলাহী, দলটারে তুমি রক্ষা কর. .

BNP! mba manan-kolazaina sy fijery ve ianao! Andriamanitra ô, vonjeo ity antoko ity.

Maro ireo mihevitra fa tohanan'ny fitondrana ity fihetsiketsehana ity. Ny hafa kosa mihevitra fa mampiseho ny tsy fahombiazan'ny governemanta ity. Saingy tsy nitovy hevitra tamin'izany i Bijoy Mazumdar:

রাজনীতির জনতাকে ভুল বুঝবার কোন অবকাশ নেই।
জনতার রাজনীতি মানুষের জন্য। জনতার রাজনীতি অন্যায় , নির্যাতন, শোষণের বিরুদ্ধে। জনতার রাজনীতি ক্ষমতার জন্য নয়, ক্ষমতাকে দুর্নীতিমুক্ত করার জন্য। শাহবাগে যার অন্দোলন করছে, তাদের আন্দোলন কোন দলকে শক্তিশালী করার জন্য করছে না, তাদের এই আন্দোলন ন্যায় প্রতিষ্ঠার আন্দোলন।

এই আন্দোলন বাংলাদেশের তরুণ প্রজন্মের চৈতন্যের ফসল। [..]

কারো কাছে মনে হচ্ছে এই অন্দোলন, শাসক দলের নানাবিধ ব্যর্থতাকে আড়াল করার অপচেষ্টা।

আমার কাছে এর একটা ভিন্ন উত্তর আছে।

এখন থেকে ৪২ বছর আগের অপরাধের শাস্তি দাবী করেছে যে জনতা, সে জনতাই আরেকদিন দেশের সম্পদ লুটপাটের জন্য যারা দায়ী তাদের শাস্তি দাবীতে সোচ্চার হয়ে উঠবে।

এ জনতাই সেই জনতা যারা ১৯৭১-এ উত্তাল হয়ে উঠেছিল, স্বাধীনতাকে ছিনিয়ে এনেছিল, ২০১৩-এ সেই জনতাই আবার সোচ্চার হয়ে উঠেছে, আরেকটি অর্জনের জন্য।

Amin'ny politika, tsy misy toerana tokony tsy ahafantarana ny hetahetam-bahoaka. Ho an'ny vahoaka ny politikam-bahoaka. Manohitra ny tsy rariny, ny famaizana ary ny fampijaliana ny politikam-bahoaka. Tsy mikendry hanana fahefana ny politikam-bahoaka, fa ny hanafaka ny fahefana amin'ny kolikoly. Tsy ny hampatanjaka antoko politika no tanjon'ireo mpanao fihetsiketsehana ao Shahbag. Ny hampanjaka ny rariny no hitoloman'izy ireo.

Mampiseho ny fahatsapan-tenan'ireo tanora ankehitriny ity fihetsiketsehana ity [..]

Mihevitra ny sasany fa fandrika ho an'ny antokon'ny fitondrana ity fihetsiketsehana ity mba hanafenana ny tsy fahombiazan'izy ireo amin'ny sehatra maro samihafa.

Hafa ny valinteniko.

Ho an'ireo izay mitambatra sy mitaky ny rariny manoloana ny heloka bevava 42 taona lasa izay, indray andro any, hanandram-peo hanohitra ireo izay mbola mifikitra amin'ny aretina kolikoly ireo vahoaka marobe ireo.

Vahoaka marobe nampiaka-peo tamin'ny taona 1971 ihany ireo vahoaka ireo izay nitolona ho amin'ny fahafahantsika. Amin'izao 2013 izao, ireo vahoaka marobe ireo ihany no nirohotra hitaky tanjona samihafa, ho an'ny rariny.

Hira, tononkalo ary  hatsikana no foronina Isan'andro. Nitondra ny fanohanany tamin'ny hetsika #Shabbag ihany koa ilay mpihira malaza sy mpikambana ao amin'ny Parlemanta Bengaly Tandrefana, India, Kabir Suman tamin'ny famoronan-kira tahaka ny hoe “fitakian'ny  maro” sy ny “ny alina tontolo ao Shahbag.”

Isan'andro, kaonty Facebook vaovao no nosokafana na manohana na manohitra ny hetsika. Anisan'ireo manohana ny hetsika ohatra ny Hetsika Shahbag (Shahbag Movement) sy ny Kianjan'i Projonmo (Projonmo Square) ary anisan'ireo manohitra kosa ny Feon'ny Nasionalista (Voice of Nationalist) sy ny Bamboo Castle.

Nampanantena ireo mpanao fihetsiketsehana fa hobodo ny Shahbag mandra-pivaly ny fitakian'izy ireo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.