Fanandramana Noklearin'i Korea Avaratra, Satroka Antitra ho an'i Koreana Tatsimo

Nanamafy i Korea Avaratra tamin'ny talata fa nahavita ny fanandramana nokleary fahatelo, izay nahazoany fanamelohana avy amin'ny fiarahamonina iraisampirenena sy nampihenjana kokoa ny tadim-pifanolanana efa misy ao Azia Atsinanana.

Ilay fanapoahana, izay fanandramana nokleary voalohany teo ambany fitondran'i Kim Jong-un, dia tombanana ho manana hery atsasaky ny baomba nalatsaka tao Hiroshima, saingy mipoaka kokoa noho ny tamin'ny fanandramana indroa efa nataon'ilay firenena.

Ho an'ny Koreana Tatsimo sasany, izay miaina eo ambany aloky ny baomba nokleary nalefan'ny tao avaratra fanintelony izao, dia miteraka hatezerana sy fanaitairana ny vaovao. Ho an'ny hafa, tahaka an-dry @capcold ao amin'ny Twitter, dia midika ho fanombohan'ny tsingerim-pifanarahana, fifampiresahana diplaomatika ary fanasaziana ara-toekarena indray izany.

North Korean Army

Miaramilan'ny Tafi-Bahoaka Koreana mijery mianatsimo mandritra ny raharaha eo amin'ny faritra ifanatrehan'ny roa tonta. Sarin'ny Tafika U.S..

@capcold: 북한에서 진도 5.1 인공지진 감지[…]다시 무력시위에 나선 깡패국가를 상대로 골치아픈 외교국면에 돌입.

@capcold: Nahare fihovitry ny tany 5.1 maridrefy Richter ry zareo ao Korea Avaratra. Dia indro indray isika fa miditra amin'ity horakoraka diplaomatika (fifampiresahana/fifanarahana) ity izay dingana anoherana ito firenena jiolahimboto manenjana ny sandriny amintsika ito.

Tsy atao mahataitra raha maro ny mpisera Koreana Tatsimo no toa lian'ady izany, ary tezitra amin'ny mpitondra teo aloha ny sasany noho ny nanaovany tsotra loatra [tahaka ny voromailala], Sariaka loatra amin'i Korea Avaratra.

@yoonjujin: 북한의 핵은 체제 방어용이든 협상용이든, 그게 중요한게 아닙니다. 핵이 대한민국을 겨냥하고 있으며, 안보를 위협하고 있다는 것이 중요한 것입니다. 그걸 애써 외면하면서, 김정은에게 잘해주면 핵을 포기할 것 같이 말하는 것은 심각한 왜곡이자 교란입니다.

@yoonjujin: Tsy misy dikany intsony na hampivelatra ny fitaovam-piadiany nokleeary i Korea Avaratra hiarovany ny tenany na hampiasa ny tolotry ny fifampiraharahana. Ny zavamisy aloha dia manao an'i Korea Atsimo ho lasibatra izy ary mandrahona ny fiarovam-pirenentsika. Aza mody fanina amin'izany zava-misy izany ka manasaritaka anay amin'ny zavamisy namboamboarina, amin'ny filazana fa raha tsara fitondra-tena amin'i Kim Jong-un isika rehetra dia hilaozany ny resaka nokleary.

@freedomnorth: 김씨 왕조가 자기들이 파묻힐 구덩이를 확실하게 파고 있습니다. 인민들은 당장 먹고 살아야 하는데 핵실험을 강행하다니, 이런 자들에게 식량과 현금을 묻지마 퍼준 대가입니다. 북한을 도와주지 않아서 인민이 어려운 것이 아니라 저래서 안되는 것입니다.

@freedomnorth: Efa mikarakara ny fandevenana azy ny fitondrana ifandovan'ny taranaka Kim. Mbola nanamafy  ny fanandramana nokleary ry zareo raha mijalin'ny tsy fahampian-kanina ny vahoakany. Izany no vokatra azontsika taorian'ny nanomezantsika tamim-pahalalaha-tanana ny fanampiana ara-tsakafo sy ara-bola ataontsika amin'izy ireo. Tsy ny tsy fissian'ny fanampiana no loza mitatao amin'ny fiainan'ireo vahoaka Koreana Tavaratra, fa ny rafitra (fitondrana koreana tavaratra mampiasa ny fanampiana hampandrosoana ny fandaharan'asa nokleary) izay mahatonga izao toe-draharaha izao.

Fa voatifitifitra ihany koa ny fitondrana ankehitriny, tsy mifampisangisangy amin'i Korea Avaratra. Ora maromaro taorian'ny nandefasan'i Korea Avaratra ny fanandramana nokleary, dia nivoaka ny vaovao fa nomena ny mari-boninahi-panjakana ambony indrindra ny filoha Koreana Tavaratra Lee Myung-bak na dia maro aza ireo siosion-dresaka mandeha momba ny fanaovan'ireo manodidina azy kolikoly.

@nabiwahighill: 북한이 핵폭탄실험 준비하는 시간에, 퇴임앞둔 MB 스스로 자신의 공적을치하해 훈장수여를 의결하고, 최시중 천신일 박희태 측근, 친인척과 사주까지 풀어주고,집권 5년간 대한민국을 위해 한게없다.

@nabiwahighill: Raha sahirana aminb'ny fikarakarana ny fanandramana nokleary ataony i Korea avaratra, ny zavatra nataon'ny filoha Lee Myung-bak mialoha ny hisotroany ronono dia ny nanao lalàna manome azy tenany ihany ny medailim-panjakana tamin'ny zava-nataony ho an'ny fireneny sy ny namelany ireo rehetra manodidina azy halalaka sy tsy voatohitohina, tahaka an'i Choi Si-Joong, Cheon Shin-il, Park Hee-tae [izay voampanga ho manao kolikoly]. Fa inona no tena nataony ho an'ity firenena ity nandritra ny dimy taona nitondrany?

Niha-nangina ny tao amin'ny Twitter rehefa nandeha ny fotoana. Manahy ny tombondahiny azon'ny vondrona farany havanana amin'ny toe-draharaha ho entina manenjika ireo liberaly sy ireo mpitsikera ny governemanta i @drpyo .

@drpyo:북한 핵실험 빙자해 50~60년대 식 ‘빨갱이 때려잡자’ 선동하며 사회혼란 야기하는 자, 국익 저해하고 북한 이롭게 하는 자들입니다. 겉으론 보수, 애국, 반공 부르짖을 지 몰라도 그 결과와 효과는 북한 의도에 부응하는 것이며 북한 이롭게 합니다.

@drpyo: Misy ny olona miezaka ny hanangana mangana sy mandrisika ny olona hanao ny fanandramana noklearin'i Korean Avaratra ho fakana vahana hidarohana ireo akaikin'ny komonista tahaka izay efa nataony nandritra ny taompolo 1950s sy 60s- ireo olona ireo no tena mamely ny firenentsika ary manome vahana an'i Korea Avaratra. Mety mihiaka ny fandalana ny nentin-drazana, na fitiavan-tanindrazana na ny fanoherana ny komonisma izy ireo, saingy lasa fitaovana eo ampela-tanan'i Korea Avaratra .

Saingy misy koa ireo Koreana Tatsimo tsy azo hamaivanina ny isany, no efa zatra loatra amin'ny fikendren'i Korea Avaratra eo amin'ny sehatra nokleary, ka toa tsy miraharaha ; Raha ny fanandramana nokleary no nanjaka tamin'ny lohatenim-baovao iraisampirenena, ny ao Korea atsimo kosa, ny fivarotana atsasa-bidy ny vokatra rentirentin'ny [lamaody] orinasa no milahatra eo alohan'ny [ko] fanandramana nokleary eo amin'ny vondro-tenybe mpitady indrindra ao amin'ny vavahadin-tserasera lehibe indrindra. Tsy misy zava-baovao eo amin'ny fifampihenjanan'i Korea roa tonta, izay efa niitatra nihoatra ny 60 taona rehefa nifarana amin'ny alalan'ny fampiatoana ny adin'i Korea.

@judefri: 북한 핵실험: 역시 선택과 집중에 탁월한 국가.문제는 당장 내일 그걸 쏘겠다고 해도내일 출근해서 점심에 뭐 먹을지 고민할 사람이 더 많다는 거겠지.북핵보다 무서운 게 매너리즘이란 말도 있잖아.

@judefri: Fanandramana noklearin'i Korea Avaratra: Tena mailaka ry zareo eo amin'ny paikadin'ny “safidio sy ifantohy”. Ny olan'i Korea atsimo dia na dia handrahona ny hanapoaka ny baomba nokleary aza ry zareo rahampitso, dia mbola hamonjy toera-piasana toy ny mahazatra ihany ary hanahykokoa ny amin'izay hohanina ny atoandro mihoatra noho izay resaka nokleary. Izany no mahatonga ny olona hiteny fa ny fahazaran-dratsy no mety ho fahavalo ratsy indrindra fa tsy ny fanandramana nokeary.

Raha tianao ny hahazo ny tantara fenon'ny fandaharan'asa noklearin'i Korea avaratra, dia topazo maso ihany ny tosa-baovao ifandrimbonana avy amin'ny The New York Times.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.