Nosamborina Ireo Vehivavy Saodiana Mpanao Fihetsiketsehana Satria “Manohintohina Ny Fampandrosoana”

Tamin'ny Asabotsy 9 Febroary lasa teo, nikarakara fihetsiketsehana madinika teo anoloan'ny tranoben'ny Vaomieran'ny Zon'Olombelona ao Riyadh, Arabia Saodita ny andiana zaza amam-behivavy, anisan'izany ny vady, zanaka vavy sy renibe an'i Suliman al-Rushoodi, filohan'ny Fikambanana Mpiaro ny Zo sivily sy politika Saodiana izay nogadraina.

Vadin'i al-Rushoodi, @omamar1, nandrakitra lahatsary tamin'ny fihetsiketsehana izay nakambana tamin'ity lahatsary manaraka ity:

Nohodidin'ireo fiaran'ny polisy dimy ambinifolo ireo zaza amam-behivavy vitsy an'isa ary polisy iray niezaka naka an-keriny ny sora-baventy teny amin'izy ireo. Raha tsy nahavita naka izany ity polisy ity dia nanomboka niantsoantso ireo vehivavy “ny fanafahana ireo gadra no tadiavin'ny vahoaka,” avy eo nisy fiara vitsivitsy nijanona. Hoy ny polisy tamin'ireo saofera: “Aza mijanona eo!” Polisy hafa kosa nilaza tamin'ireo vehivavy hoe: “Tsy menatra ianareo!” Nosamborina ireo zaza amam-behivavy ary nangalana sombin-drà tamin'izy ireo. Araka ny filazan'ny vadin'i al-Rushoodi [ar]:

سأل هل قبض عليك من قبل قلت لست مجرمة حتى اعتقل قال من قال لك انك مجرمة قلت اجل لما التبصيم بالعشرة وسحب الدم الDNA هذا لا يعمل الا للمجرمين

@omamar1: Hoy [ny mpanadihady] nanontany: Efa nosamborina ve ianao teo aloha? Hoy aho taminy: Tsy mpamono olona aho ka hosamborina. Hoy indray izy: Iza no nilaza taminao fa mpamono olona ianao? Hoy aho namaly: Koa nahoana no naka ny mari-tondroko sy ny sombin-drà tamiko ianao atao ADN? Natokana ho an'ireo mpamono olona izany.

Fanampin'izany, nilaza izy fa niharan'ny taimbava:

وقالت ياحيونة ويا (ق..)لا استطيع قولهاقليلة الادب…

@omamar1: Hoy [ilay vehivavy mpiandry fonja] nilaza: Biby ianao, mahadikidiky ianao**. tsy vitako ny milaza ilay teny ratsy…

Ankoatran'izany, tsy nomena sakafo nandritra ny adiny sivy mahery izy ireo. Hoy ny tatitra avy amin'ny Amnesty International:

Toa tsy nomena sakafo ireo zaza amam-behivavy raha tsy tamin'ny manodidina ny sasakalina rehefa avy niangavy tamin'ireo manampahefana ireo vehivavy mba ho an'ireo zaza.

Navotsotra tamin'ny hariva ireo vehivavy vao sambany voasambotra ary toy izany koa ireo ankizy, ary vehivavy telo kosa mbola notazonina am-ponja noho ny fandraisana anjaran'izy ireo tamin'ny fihetsiketsehana sy sit-in teo aloha: Hanan al-‘Amereeni, Hameeda al-Ghamidi, ary ny zanaka vavin'i al-Rushoodi, Bahia al-Rushoodi.

Omaly vao maraim-be, nentina teo anatrehan'ny fitsarana tsy atrehin'olona izy ireo, ka mpisolovava iray ihany no mahazo miditra ary fianakaviana roa ihany avy amin'ireo telo notànana tsirairay avy. Anisan'ny hiampangana azy ireo ny fanohintohinana ny fampandrosoana, ny fanodikodinana saim-bahoaka sy fibahanana ireo lalambe telo. Nisioka i Abdulaziz al-Hussan, iray amin'ireo mpisolovava tsy navela hiditra:

خرجت من المحكمة الجزائية للتو بعد رفض القاضي دخولنا كمحامين مع عاصم المشعلي لقضية معتقلات الرياض وقمة المهزلة كذلك إدخال الجنود لقاعةالمحكمة

@AHussan: Vao avy nivoaka tao amin'ny Fitsarana Heloka Bevava aho rehefa nosakanan'ireo mpitsara tsy hiditra ao amin'ny maha-mpisolovava an'i Asim al-Masha'li ahy hiaro ireo gadra vavy ao Riyadh. Ny zavatra tena mahavariana dia navelan'izy ireo hiditra tao amin'ny efi-pitsarana ireo miaramila.

Vondrona mpikatroka tsy fantatra anarana, @e3teqal nitatitra hoe:

القاضي مرتبك و عدد العسكر في مجلس القضاء ثمانية

@e3teqal: Sorena ny mpitsara ary misy miaramila valo ao amin'ny efi-pitsarana.

Asim al-Masha'li nisioka hoe:

عاجل: أمر قضائي اﻵن بالإفراج عن معتقلات الرياض بحمدالله..

@lawyerasim: Vaovao farany: Nandidy ny hamotsorana ireo gadra vavy ao Riyadh ny mpitsara. Isaorana Andriamanitra.

Tsy najanona anefa ny raharaha fa amin'ny 27 febroary indray ny fotoam-pitsarana manaraka.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.