Mametra-pialàna ny Papa, Miforitra Amin'i Putin Ny Rosiana

Raha samy mahita amin'izay fomba tiany hijerena azy ny zava-mitranga erantany izao tontolo izao, tamin'ny alàlan'ny solomason'ny politika anatiny kosa izany ho an'ny vondrom-piarahamonin'ny aterineto Rosiana. Tsy dia nisy nahataitra loatra, raha izany, raha toa ka tamin'izay zoro izay no niresahan'ireo Rosiana bilaogera ny fametraham-pialàn'ny Papa Benedict XIV tamin'ny toerany. Tsy mahataitra ihany koa raha toa ka miendrika vazivazy ny ankamaroan'ireny fomba fijery ireny — izany eo ihany, na ireo Rosiana relijiozy aza tsy mahatsiaro tena ho voakasik'ity raharaha ity. Noho ny tsy fisian'ny fahalinana loatra amin'izay ho fiantraikan'ny fametraham-pialànan'i Benedict eo amin'ny finoana Katolika na izay dikany hanazavana ireo hadalàna maro nataon'ireo pretra izay mbola hita mibaribary amin'izao fotoana, dia naleon'ny RuNet nanao ny fialamboly mahafinaritra azy,  ny hanihany.

Ivan Davydov, mpanao gazety sady bilaogera, dia naka ny lafiny filaminana sosialy [ru]:

В России из каждой третьей семьи папа ушел. И ничего, не шумит никто в прессе.

Any Rosia dia nilaozan'ny raimpianakaviana ny iray ampahatelon'ny tokantrano [ny teny Rosiana hoe “papa” dia sady midika hoe dada no Papa ihany koa]. Ary tsy misy zavatra, na olona miresaka azy io anaty gazety.

Politrash, ilay zaza ratsy taizan'ny RuNet, mpomba ny governemanta, dia nanao resaka tsy loa-body [ru] amin'ny fihenjanana tsy mitsahatra ao Kaokazy Avaratra:

Бенедикт XVI: “Руководство футбольного клуба “Анжи” сделало мне предложение, от которого я не мог отказаться”.

Benedict XVI: “Ny fitantanana ny klioba mpanao baolina [kitra] “Anzhi” dia nanao tolotra ho ahy izay tsy azoko nolavina.

Ny FC Anzhi dia any Makhachkala, Repoblikan'i Dagestan, ary ilay Rosiana mpanapitrisa Suleyman Kerimov no tompony, izay hatramin'ny 2011 no efa nandany vola be mba hividianana ireo mpilalao mendrika avy amin'ireo klioba Eoropeana tahaka ny FC Milan.

While Benedict XVI is retiring, President Putin still has some juice left. Pope Benedict in Poland, October 17, 2010. © Kancelaria Prezydenta RP. GNU Licence. Vladimir Putin in Tuva, August 13, 2007. © www.kremlin.ru

Raha i Benedict XVI mandeha misotro ronono,  ny Filoha Putin kosa mbola manana ny tanjany. Ny Papa Benedict tao Polonina, 17 Oktobra 2010. © Kancelaria Prezydenta RP. Lisansa GNU . Vladimir Putin tao Tuva, 13 Aogositra 2007. © www.kremlin.ru CC 3.0

Kanefa ny ankamaroan'ny bilaogera dia nifikitra tamin'ny làlana mirazotra mangaraharan'i Vladimir Putin. Misy fizarana roa mitovy mazava tsara ao amin'ny fampitahana ny maha-tsy refesi-mandidy an'i Putin sy ny Papa. Samy mitantana fikambanana fehezin'ny “teny midina” izy roa ireo, na dia  Rosiana mpitarika iray hafa aza [ru] no nambara fa tompon'ilay fanontaniana malaza hoe “Ny Papa? Andiany firy no mba efa notànany?”

Fintinin'i Ksenia Sobchak anaty bitsika iray [ru] ny fahatsapana ankapobeny, mialokaloka amin'ny maha araka ny lalam-panorenana na tsia ny fe-potoam-piasana fahatelon'i Putin :

Даже папа ушел.Сам.В теократическом гос-ве Ватикан принцип сменяемости власти работает лучше чем в стране “суверенной демократии”…

Na miala aza ny Papa. Amin'ny sitrapony. Ao anatin'ny firenena theokratikan'i Vatikana, mandeha tsara ny fotokevitry ny fitondrana tetezamita, tsy toy ny any amin'ny firenena “misy demaokrasia mahaleotena” …

Ny kaonty twitter tsy tena izy an'ny filoha Rossneft president Igor Sechin nihevitra [ru] fa manana antony tsy aborany ny Papa nanosika azy hametraka fialàna :

Папа Римский Бенедикт XVI весело троллит Путина

Tamin-kafaliana no nandranitan'ny Papan'i Roma an'i Putin

Namaly[ru] taminà fitanisàna sandoka avy amin'ny mpisahana ny seraseran'i Putin ilay lazaina fa ‘fialokalofana’ miainga avy amin'i Benedict hatrany amin'i Putin mba hisintahana ny kaony Twitter-n'ny Ministera Rosiana misahana ny Raharaham-Bahiny :

“Не дождетесь!” – кратко прокомментировал Дмитрий Песков последние новости из Ватикана.

“‘Ndehana mahazo!” – hoy i Dmitry Peskov naneho hevitra fohy mikasika ilay vaovao farany avy any Vatikana.

KermlinRussia, ilay mpivazivazy tsy mitonona anarana, dia tsy namela fotsiny ity fotoana ity, nibitsika [ru] mifono misitery hoe :

П. отрекся от престола.

nametra-pialàna i P.

Raha naverina nobitsihana in-146 ity fanambaràna tsy misy hajany ity, tsy mbola naharesy kosa ny famerenana bitsika in-254 toy ny an'i @fuckdaoutlaws, izay nahazo azy samirery tanaty bitsika [ru] iray hoe sady nanesoeso ny fivadibadihan-delan'ny Minisitry ny Fiarovana ankehitriny, Sergei Shoigu (efa governora federaly tany amin'ny faritra ary nifehy ny Ministera Ivelan'ny tafika misahana ny Hamehana ihany koa), no sady maneho hevitra mikasika ny ahiahy mikasika ny hoavin'ny fitantànana Rosiana (Shoigu, izay mikolokolo fatratra ny fanindrahindràna tena, indrindra fa eny anivon'ireo mpiray tarika taminy fahiny tao amin'ny MChS, dia matetika no voafantina ho mety handimby an'i Putin):

временно исполняющим обязанности Папы Римского назначен Сергей Шойгу

Sergei Shoigu amin'izao fotoana no voatendry ho Papa vonjimaika

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.