Niavaka Ny Isan'ireo Vehivavy Bangladesy Tonga Namonjy ny Fihetsiketsehana Tao Shahbag

Tsy ny lehilahy Bangladesy ihany no mibodo ny lalana fiholanana Shahbag ao an-drenivohitra Dhaka mba hitaky sazy farany izay henjana indrindra ho an'ireo meloka an'ady.

Nahitana ny fandraisan'anjara mahagaga avy amin'ireo vehivavy ihany koa ny fihetsiketsehana. Mpianatra, mpiasa, sy renim-pianakaviana miaraka amin'ireo zanany no tonga nitondra ny feony nandritra ny fihetsiketsehana Shahbag, hetsika tarihan'ireo bilaogera sy mpikatroka an-tserasera izay mitaky sazy fanamelohana ho faty ireo nahavita heloka famonoana olona nandritra ny Tolom-panafahana tao Bangladesh tamin'ny 1971.

Tombanana eo amin'ny 200.000 hatramin'ny 3 tapitrisa eo ireo olona novonoin'ny tafika Pakistaney ary vehivavy sahabo eo amin'ny 250.000 eo no voaholana nandritra ny ady. Nanampy ireo miaramila Pakistaney tamin'ny vono olona ireo vondrona milisy mpanao politika sy fivavahana ao an-toerana tahaka ny RazakarAl Badr, ay ny Al-Shams, maro amin'izy ireo no mpikambana ao amin'ny antoko politika Islamista Jamaat-e-Islami, izay nikendry manokana ireo Haindò.

Natsangana 42 taona lasa taorian'ny ady ny Fitsarana Iraisampirenena momba ny Heloka Bevava  mba hitondrana ireo nahavita heloka bevava nandritra ny ady ho eo anatrehan'ny fitsarana. Didim-pitsarana ho an'i Abul Kalam Azad, fantatra amin'ny anarana hoe “Bachchu Razakar” no navoakan'ny fitsarana voalohany, nahazo sazy fanamelohana ho faty izy tamin'ny volana lasa teo, ary i Abdul Quader Mollah, fantatra amin'ny fiantsoana azy hoe “Mpanapatapaka” ho an'i Bengali ao amin'ny ambanivohitry Dhaka kosa nahazo sazy an-tranomaizina mandrapahafaty noho ny vono olona, fanolanana, fampijaliana sy heloka bevava hafa.

Nidina an-dalambe ny vahoaka mba hitaky ny famonoana ho faty an'i Mollah sy ireo mpamono olona, satria manahy izy ireo fa raha hampidirina am-ponja fotsiny, dia mety ho votsotra indray rehefa miova ny fitondrana.

Mahatalanjona ny fahavononan'ireo zaza amam-behivavy tao amin'ity fihetsiketsehana ity. Mahabub Bhuiyan [bn] nanoratra tao amin'ny bilaogy Somewherein:

মায়ের কোলে কিংবা বাবার হাত ধরে চলে আসছে শিশুরাও। গৃহবধূরাও আজ রাজপথে নেমে গেছেন। বৃদ্ধ-বৃদ্ধারা এই তারুণ্যেও মিছিলে পা ফেলছেন যৌবনের বীর্যে বলীয়ান হয়ে।

Mipetraka eo amin'ny lohaliky ny reniny sy mihazona ny tanan-drainy ireo ankizy. Maro ireo mpikarakara tokantrano tazana teny an-dalambe. Niara-dalana tamin'ireo tanora ihany koa ny olom-pirenena efa nahazo taona.

Pavel Mohitul Alam [bn] nanoratra tao amin'ny Facebook momba ny firaisankina nasehoan'ireo tovovavy sasany mpianatry ny kolejy nandritra ny fihetsiketsehana:

ভিকারুননিসার একদল মেয়ে এসেছিলো আজ সংহতি প্রকাশ করতে। তাদের মধ্যে কারো কারো আবার পরীক্ষা। পরীক্ষার পড়ার জন্য আন্দোলন কিংবা আন্দোলনের জন্য পড়া– কোনোটাই বাদ দেয়নি তারা। প্রজন্ম চত্বরেই তারা বসে পড়ে বই-খাতা নিয়ে। চলে পড়াশোনা, সেই সংগে চলে শ্লোগানও।

Tonga naneho firaisankina ny sasany tamin'ireo mpianatry ny Kolejy Viqarunnisa. Hiatrika fanadinana efa antomotra anefa ny sasany tamin'izy ireo. Tsy nisy navelan'izy ireo hody, nirotsaka an-tsehatra tamin'ny hetsika sit-in izy ireo ary nanokatra kahie hianarana. Rehefa avy miana-desona izy ireo dia miantsoantso teny filamatra indray.

Tao amin'ny Facebook, mpanoratra sady mpanao gazety Abu Hasan Shahriar [bn] nizara izay hitany nandritra ny fandalovany tamin'ny andro faharoan'ny hetsika Shahbag:

রাত তখন দেড়টার বেশি। এক কিশোরীকে দেখলাম, মায়ের হাত ধরে প্রজন্ম চত্বরের দিকে এগিয়ে আসছে। মাইক থেকে ‘কাদের মোল্লার ফাঁসি চাই’ স্লোগান ভেসে আসতেই কিশোরীটি সমবেত জনতার সঙ্গে গলা মিলিয়ে বলছে– ‘ফাঁসি চাই ফাঁসি চাই’।

Tamin'ny 1:30 alina. Nahita tovovavy mandehandeha manerana ny kianja mitantana an-dreniny aho. Nisy ny teny filamatra avy amin'ireo mpandray fitenenana, “Mila sazy farany izay mafy indrindra ho an'i Kader Mollah izahay”, ary nanaraka toy izany ihany koa ilay tovovavy kely, “mila.. mila izahay..”

Ireto ambany ireto ny sarin'ireo vehivavy sy ankizy tonga namonjy ny fihetsiketsehana. Avy amin'ny “Forum “International Crime Strategy (Sehatra iraisampirenena ifampiresahana Momba ny Heloka bevava” nandritra ny “‘Fitroarana tao amin'ny Kianjan'ny Shahbag: Ny Rariny ho an'ireo Niharamboina tamin'ny 71” ny sary ary nahazoan-dalana ny famoahana azy.

Mpanoratra sady bilaogera Monika Rashid [bn] tsy mbola niventsoventso teny filamatra aminà fihetsiketsehana raha tsy tamin'ny fihetsiketsehana tao Shahbag. Nanoratra momba izany tao amin'ny Facebook izy:

আমি কখনো মিছিলে গিয়ে স্লোগান দিয়েছি বলে মনে পড়ে না! কিন্তু শাহবাগ চত্তরের এই উত্তাল সময়ে চীৎকার করে স্লোগান দিতে কী যে অসাধারণ আনন্দ, তা বুঝিয়ে বলার ক্ষমতা রাখিনা। আজ আবার যাবো, স্লোগানও দেব

Mbola tsy tsaroako niventso teny filamatra izany mihitsy aho. Saingy tsy haiko ny tsy hilaza fa mahafinaritra izany tamin'ity fotoana sarobidy tao Shahbag ity. Mbola hoavy aho androany ary hiventso ireo teny filamatra.

Bilaogera Lina Fardows [bn] te hoavy ao Shahbag ihany koa mba hamonjy ny fotoana  fandrehetana labozia [fiareta-tory]:

আজ রাত ১০টার পর শাহবাগ থাকবো। 🙂 মোমের আলোয় পুড়িয়ে ফেলতে চাই ব্যর্থ প্রাণের আবর্জনা…

Androany alina, hoavy ao Shahbag aho aorian'ny amin'ny 10 alina 🙂 Te hanazava ny zava-dratsy rehetra eo amin'ny fiainana aho miaraka amin'ny afon-dabozia.

Mpiasan'ny banky sady bilaogera Nazmus Nupur [bn] tonga tao Shahbag mba hanantena hanangana Bangladesh ho an'ny zanany tsy misy ireo milisim-pivavahana Razakar. Naneho ny heviny ihany koa izy ary nanoratra tao amin'ny Facebook:

সারাদিন গলা ফাটিয়ে শ্লোগান দেয়ার সময় একবারো গলা কাঁপেনি, মনে হয়নি জীবনে প্রথম গলা ফাটাচ্ছি। ৭১-এ বাপ মা পথে নেমেছে, আজ আমরা নামলাম, জয় আমাদের হবেই। আমার সন্তানকে আমি রাজাকার মুক্ত বাংলাদেশ দিতে চাই। জয় বাংলা।

Tsy mahafarina ny feoko ny fiventsoventsoana ny teny filamatra iray andro maninjitra. Tsy toa vao izao aho no nanao izany. Tamin'ny taona 1971, nidina an-dalambe ny ray aman-dreniko, androany mbola tonga izahay, ho azontsika ny fandresena. Tiako homena ny zanako ny Bangladesh-tsy-misy-Razakar. Bangla Falifaly.

Mpisera Facebook Zeenat Zoardar Ripa [bn] nanoratra hoe:

কোন এক সময়ে, নিজের সন্তানকে নিয়ে শাহবাগের রাস্তা দিয়ে যখন যাব তখন বলতে পারব- এই পথে নেমেছিলো তোর মা। রাজাকারের ফাঁসির দাবিতে।

Indray andro any, hoavy miaraka amin'ny zanako ao Shahbag aho ary hilaza azy ireo – fa ity no arabe nanaovan'ny reninareo fihetsiketsehana, ho fitakiana sazy henjana ho an'ny Razakars.

Tao Shahbag, maro ireo tovovavy nitarika ny hetsiky ny tanora, iray amin'izy ireo i Lucky Akter. Variana tamin'ny teny filamatrany mahery vaika ireo vahoaka marobe, saingy nanaparitaka zava-dratsy tao amin'ny Facebookny ireo mpiaradia amin'ny antoko Islamista Jamaat-Shibir, izay nanao heloka bevava an'ady. Hoy izy nanoratra tao amin'ny Facebook [bn]:

যারা আমাদের নামে কুৎসা রটনা করেছেন। তাদের উদ্দেশ্যে বলছি, দেখুন আমরা যারা রাজপথে নেমেছি তারা কোন ধর্মের বিপক্ষে নই। তাই মাদ্রাসার ছাত্ররাও এই আন্দোলনে অংশ নিচ্ছে। ধর্ম যার যার, রাষ্ট্র সবার। জামাত শিবিরের ধর্ম ব্যাবসার রাজনীতি আইন করে বন্ধ করতে হবে।

Ho an'ireo izay milaza zava-dratsy amiko, henoy azafady. Tsy hanohitra fivavahana no antony hidinanay an-dalambe. Na dia ireo mpianatry Madrassa aza tonga nanatevin-daharana ny fihetsiketsehana. Samy manana ny fivavahany ny tsirairay avy, fa an'ny rehetra kosa ny firenena. Tokony hatsahatsika ny fivavahana ara-politikan'i Jamaat-Shibir.

Ekramul Haque Emon niarahaba ireo vehivavy mpanao fihetsiketsehana tao Shahbag:

শাহবাগে সপরিবারে যারা যোগ দিয়েছেন তাদের লক্ষ কোটি স্যালুট, স্যালুট ওইসব অবুঝ শিশুদের যারা ভালভাবে ‘মা’ উচ্চারণ শেখার আগেই ‘তুই রাজাকার তুই রাজাকার‘ কিংবা ‘ফাঁসী চাই, ফাঁসী চাই’ গর্জনে নিজের কান তাতাল দিয়ে গেঁথে নিচ্ছে। স্যালুট সেইসব নারীদের, যারা দিনভর অফিসের কাজ ও সাংসারিক ঝামেলা মিটিয়ে রাতে যোগ দিচ্ছেন। আপনাদের প্রাণবন্ত উপস্থিতি ও চিৎকার আমাদের শক্তি ও সাহস তরান্বিত করছে প্রতিনিয়ত।

Ho an'ireo izay tonga namonjy ny fihetsiketsehana Shahbag, miarahaba azy ireo an'arivony aho. Miarahaba ireo ankizy tonga miventsoventso teny filamatra miaraka amin'ny reniny. Miarahaba ireo vehivavy mpiasa birao tonga mamonjy ny fihetsiketsehana rehefa atoandro sy rehefa avy mikarakara ireo ankohonana. Nanamafy ny herintsika sy ny herimpontsika ny fahatongavanareo sy ny fahaiza-manetsi-po anananareo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.