Maleziana, Psy: “Aza Miakan-tsehatra Hihira Ho An'ny Antokon'ny Fitondrana Mpanao Kolikoly”

Nahazo fanasana avy amin'ny Praiministra Najib Razak sy ny antokon'ny fitondrana Barisan Nasional (BN) ilay mpanakanto malaza Psy mba handray anjara aminà lanonana karakarain'izy ireo ao Malezia, kanefa raha tokony hiarahaba azy ho tongasoa, mpankafy marobe no nankao amin'ny pejy facebook-n'i Psy niangavy azy tsy hanatrika sy tsy handray anjara amin'ny lanonana Taombaovao Shinoa.

Psy. Photo by Eva Rinaldi, Wikimedia

Psy. Sary avy amin'i Rinaldi, Wikimedia

Voalaza fa amin'ny alalan'ny fanasana an'i Psy, mihevitra ny governemanta fa hahasarika ireo mpifidy tanora amin'ny fifidianana atao afaka volana vitsivitsy.

Saingy tamin'ny endriny ratsy no nandraisan'ireo Maleziana maro ny fanapaha-kevitry ny governemanta, tahaka an'i Lukey ohatra:

Mampihomehy ahy ny fihetsika, satria tsy vitan'ny hoe mahatsikaritra ny olona fa lany paikady ny antoko BN, fa mihevitra ihany koa ny governemanta fa azo vidiana minitra fohy farany ny mpandatsa-bato maro an'isa amin'ny alalan'ny fanasana mpanakanto Koreana aminà lanonana lehibe. Mampalahelo ihany koa ny mahita fa  raha tokony ampiasaina amin'ny zavatra hafa mahaliana toy ny fanatsarana ny kalitaon'ny sampandraharaham-panjakana, fampihenana ny tahan'ny karazan-keloka ary ny fampiakaran-karama ny vola, ny fikarakarana fampisehoana indray no mahaliana ny governemanta fa tsy ny famahana ny olana misy manahirana ny olom-pirenena isan'andro. Indraindray, tsy afaka milaza ianao na ny Maleziana no bado loatra na ny governemanta tenany ihany no tena bado.

Chiew-Siah Tei koa nanaiky toy izany:

Mampiseho indray ny tsy famatoran'ireo mpitarika politika eo amin'ny fitondrana ny fiheverena fa hampitodika ny vahoaka hankasitraka ny governemanta BN, izay malaza amin'ny kolikoly sy ny tsy fahombiazana ny fahatongavan'ilay mpanakanto malaza. Tantara hafa mahatsikaiky fotsiny ity miampy ireo fandaniam-bola misesy, ary fanapahan-kevitra tsy matotra sy tsy malina ataon'ny antokon'ny fitondrana, izay efa fantatra fa nampihena ny teti-bolany amin'ny fampianarana, izay sehatra lehibe ho an'ny firenena andalam-pandrosoana.

Lailakoh sahiran-tsaina mikasika ny tsaho miely fa nokaramaina RM 2 tapitrisa ilay mpanakanto amin'ny fiakarana an-tsehatra ho ataony:

Wooooo, manam-bintana ve isika sa mila mihevitra izany bebe kokoa ?? Satria renay fa nokaramain'ny mpikarakara 2 tapitrisa Rm mahery ilay mpanakanto mba hijerena fotsiny ny fihirany ilay hirany malaza manerantany Oppa Gangnam Style dance.

Andraso, ho ahy manokana, mino aho fa amin'izany vola be izany, azontsika ampiasaina hanatsarana zavatra hafa izany. Sa ahoana hoy ianao? fanampin'izany aiza ny saina amin'ny mahaMaleziana? Raha handoa vola be ho an'ny mpanakanto KOREANA, tsara kokoa raha ny mpanakantoNTSIKA eto an-toerana no hasaina hanao fampisehoana. Rariny kokoa angamba izany satria manana mpanakanto sy mpiangaly mozika mana-talenta isika.

Lim Kit Siang, lehiben'ny mpanohitra malaza, nankasitraka ny lanonana tahaka ny antony iray hampihaonana ny Maleziana:

Ankasitrahako ny tatitra fa misokatra ho an'ny rehetra tsy an-kanavaka ny fampisehoana ho ataon'i Psy sy ny Gangnam Style ao amin'ny Kolejy  Han Chiang izay karakarain'i Najib amin'ny fankalazana ny Taombaovao Shinoa.

Izany no tokony atao. Maleziana avokoa isika rehetra ary Maleziana foana, koa mandritra ny fetim-pirenena tahaka ny Taombaovao Shinoa, Hari Raya Aidilfitri, Deepavali, Andron'ny Vesak na ny Krismasy, andeha hiaina finiavana, filaminana, firindrana sy firaisankina mba hihavanantsika an-kalalahana lavitry ny eritreritra na fahasamihafana ara-politika.

Na dia izany aza, mba hampazava izany sy hampisehoana fa tena ilaina izany, raha mankafy ilay fampisehoana sy alavoly miaraka amin'ny Psy sy Gangnam Style ny Maleziana, tsy tokony ho adinointsika ny fandinihan-tena eo amin'ny firenena mikasika ny antony nahatonga an'i Korea Atsimo  lasa lavitra noho i Malezia eo amin'ny sehatry ny ezaka maha-olona raha dimampolo taona lasa izay, nanankarena avo roa heny noho ny firenen'i “Gangnam Style” i Malezia!

Naneho hevitra tao amin'ny Twitter ihany koa ny hafa:

@SyazwanShahrul Raha handany vola RM 2Tapitrisa ho an'i Psy, nahoana raha laniana amin'ny fanatsarana ny rafi-pampianarana ao Malezia izany, ho tombotsoa amin'ny hoavin'i Malezia.

@syayyra “hoavy eto Malezia i psy mba hankalaza ny Taombaovao Shinoa miaraka amin'ny praiminisitrantsika” eny, tovolahy mpankafy an'i Psy ve ny praiminisitrantsika?

@yixing0114 najib, mihevitra ve ianao fa manasa an'i psy hoavy eto malezia mandritra ny lanonana fankalazana ny Taombaovao Shinoa dia amin'izay handatsa-bato ho anao ny ray aman-dreninay mandritra ny fifidianana? #tsia

Nanantitra ny governemanta fa vondrona tsy miankina no hiantoka ny vola aloa ho an'i Psy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.