Fanatanjahantena Sy Fampihavanam-Pirenena Ao Kiobà

[Raha tsy misy fanamarihana dia mitondra mankaminà pejy miteny Espaniôla ny rohy rehetra ato]

Tamin'ny Aprily 2012, ilay tanora mpanao gazety, Lenier González, tonian-dahatsoratry ny gazetiboky Kiobàna Espacio Laical [tetikasa momba ny Fifandraisana Sosialy ao anatin'ny Arsidiosezin'i La Havane], dia namintina ny teny fampidirana ilay fandraketana “Ho Amin'ny Fiaraha-mitantana ny Demaokrasia” tamin'ireo teny manaraka ireto :

El intenso debate sociopolítico que está teniendo lugar en la sociedad cubana, y su capacidad demostrada de impactar sobre la opinión pública insular, constituyen una muestra irrefutable de que Cuba está viva.

Ny resaka mafana momba ny sosialy sy politika izay mahazo vahana eo amin'ny fiarahamonina Kiobàna, ary ny fiantraika mazava azony entina eo amin'ny fomba fisainan'ireo mponina ao amin'ilay nosy, dia porofo tsy azo lavina fa velona i Kiobà.

Nambara nanerana ireo bilaogy sy media sosialy ny fihetsiketsehan'ity firenena Karibeana ity, araka izay avoitran'ireo fifanakalozan-dresaka manodidina ny Aterineto [en] sy ny Fanavaozana ny Fifindrà-monina [en], ankoatry ny zavatra hafa maro.

Ny fahatongavan'i José Ariel Contreras tao Cuba, vao herinandro iray monja izao, Kiobàna iray mpilalao “baseball” monina any Etazonia hatramin'ny 2002, mitàna ny toeran'ny mpanipy baolina,  dia nanetsika ireo mponina tao, Pinar del Río,  tanàna nahaterahany, ary koa ireo marobe mpankafy  ny fanatanjahantena nasionalin'i Kiobà : baseball.

Las últimas modificaciones de la Ley migratoria, que finalmente “pusieron” a mi primo en Miami y en Belice a mi mejor amigo, trajeron a José Ariel Contreras al Capitán San Luis. ¡Demasiado para el aburridísimo pueblito de Pinar que José Ariel, en el castellano que casi olvidara antes de “irse”, hubiese intercambiado con su pueblo!, cuenta desde su perfil en Facebook el periodista Carlos Díaz.

Ny akaiky indrindra amin'ireo fanovàna ny Lalàna momba ny Fifindrà-monina, izay ny niafaràny “nanosika” ny rahalahiko ho any Miami sy ilay namako akaiky ho any Belize, dia nitondra an'i José Ariel Contreras ho ao amin'ny kianja Capitán San Luis. Betsaka izany raha ho an'ity tanànan'i  Pinar mankaleo ity, izay natakalon'i José Ariel ny tanànany vaovao (ny fiteniny Castilian aza efa mila ho adinony talohan'ny niaingàny!, hoy i Carlos Díaz, mpanao gazety, ao amin'ny kaontiny Facebook.

Ny Fanavaozana ny Fifindrà-monina, izay manankery nanomboka ny 14 Janoary, dia ahafahan'ireo mpiasan'ny fahasalamàna na mpanao fanatanjahantena avo lenta efa “nandao ny fireneny taorian'ny 1990, raha toa ry zareo efa nanapitra valo taona  mahery tany ivelany” ho afa-mitsidika, afa-tsy ireo tranga hanaovan'izy ireny asa noho ny maha-olona ka hikarakaràna ny fahazoan-dàlany hiditra ny firenena anaty fe-potoana fohy kokoa”, hoy ny  taratasy iray avy amin'ny masoivoho Inter Press Service.

Manao tombana i Aliet Arzola avy ao amin'ny pejiny Facebook :

Esto era un sueño hace muy poco, pero finalmente se hizo realidad… Como mismo René Arocha rompió el hielo y desertó, ahora José Ariel Contreras se convierte en el primer pelotero cubano en regresar a la Isla… Ojalá detrás puedan venir muchos más, deseos no les faltan, de poner sus pies en Cuba y de enfundarse en la camiseta de las cuatro.

Fa fotsiny, tsy ela akory izay dia toa nofinofy izy ity, ankehitriny kosa tanteraka ihany izy ity nony farany… Mitovy amin'izay làlana nizoran'i René Arocha namaky ny ranomandry sy nandositra, i José Ariel Contreras no lasa Kiobàna mpilalao baseball voalohany niverina tao amin'ilay Nosy… Antenaiko fa aorian'ity, marobe ireo ho avy, ary tsy ny faniriana hiverina hametraka ny tongony eo amin'ny tany Kiobàna akory no tsy misy, ka hisalotra ny akanjon-dry zareo miaraka amin'ny laharana efatra.

Nirotsaka tao anatin'ny fankalazana koa i Carlos Manuel Álvarez, mpianatra ho mpanao gazety no sady bilaogera, izay nitarika ny tafatafa nifanaovana tamin'i Contreras. Nandeha nivahiny tany Las Martinas i Álvarez  – toerana nahaterahan'i Contreras – ny harivan'ny 30 Janoary mba hanontany azy mikasika ny zavatra niainany izany hoe Kiobà efa ho 10 taona mahery aty aoriana izany, ankoatry ny fanontaniana hafa, izay nahafaly ilay mpanao fanatanjahantena tokoa ny namaly azy.

Carlos Manuel Álvarez interviewing José Ariel Contreras. Photo: Courtesy of Carlos Manuel Álvarez

Carlos Manuel Álvarez nitafatafa tamin'i José Ariel Contreras. Sary: nampindramin'i Carlos Manuel Álvarez

Araka ny lazain'i  Álvarez, niteraka alahelo lehibe ny fialàn'i Contreras tao amin'ny ekipam-pirenena tamin'ny 2002. “Betsaka ireo mpilalao tany aloha tany no tonga dia avy eo lasa, saingy i Contreras kosa nijanona elaela. Nanokatra varavarana amin'ny ho fiverenana ihany koa ny fiverenanao, amin'ny fiteny hafa dia toy ny nametraka tetezana iray. Azonao alaina sary an-tsaina ve ireo mpilalao baseball niala teto, miverina milalao indray ho an'i Kiobà?”, hoy izy nanontany.

Izay novalian'i Contreras hoe :

Antes que todo somos cubanos. Donde quiera que estemos y haciendo lo que hagamos. Jugando beisbol, o barriendo una calle en cualquier lugar del mundo, seguimos siendo cubanos. De hecho, yo tengo una cláusula, que firmé en 2002 con los Yankees, donde dice que en contra de Cuba no juego. Si juego en un evento internacional, es con mi equipo. Y ese es mi sueño, tener la oportunidad de jugar por Cuba antes de retirarme.

Voalohany indrindra aloha dia Kiobàna isika, tsy ijerena ny hoe aiza no misy antsika ary manao inona. Na milalao baseball na mamafa arabe any amin'ny toerana rehetra manerana ny tany any, mitoetra foana ho Kiobàna isika. Ny marina, nanao sonia fifanarahana iray tamin'ny Yankees aho tamin'ny 2002 izay mamaritra fa tsy handray anjara aminà lalao ifanandrinana amin'i Kioba ny tenako. Raha milalao aminà hetsika iraisampirenena iray aho, dia hilalao miaraka amin'ny tarika misy ahy. Ity no nofinofiko, ny ho afaka hilalao ho an'i Kiobà alohan'ny hitsaharako.

Nandritra ity volana ity, nanavao ny fandaharana ao amin'ny fantsom-pahitalavi-panjakana ihany koa i Kiobà. Ampahany amin'ireny fanovàna ireny, nambara fa hisy ny fandaharana isan-kerinandro handefasana ireo lalao baseball avy amin'ireo ligy matihanina avy any ivelany, mamaly ny hetaheta efa ela teo amin'ny vahoaka, izay mety hahatanteraka ilay nofinofy mba hahita ny New York Yankees amin'ny fahitalavitra.

Ny famadihana ny baseball ho sehatra matihanina dia mbola raharaha iray miantona ho an'ny fanatanjahantena ao Kiobà. Ho an'i Contreras, “any Etazonia ny tsara indrindra amin'ny baseball eto ambonin'ny tany, any daholo no milalao ireo Japoney, Koreana, Dominikana sy Venezoeliana. Mila mirotsaka ihany koa ny Kiobàna ary dia hisondrotra ny lenta, tsy iadian-kevitra”.

Ho an’ ireo mpamakin'ny OnCuba, ilay gazetiboky hany nahazo ilay ‘scoop’ tamin'ilay tafatafa, tena zavatra manana ny lanjany ny hoe ” ireo Kiobàna mpilalao baseball ho afaka hiditra amin'ireny ligy goavana ireny, ary ny hoe mba hahatanteraka ny nofinofiny i Contreras hilalao ho an'i Kiobà amin'ireny Ligy tsotsotra sy Manerantany ireny”.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.