Mila Sitraka Amin'i Merkel i Morsi Kanefa Mbola Ao Anaty Korontana i Ejipta

Nalaza ny sary “photoshop”n'ny filoha Ejipsiana Mohammed Morsi nanoroka ny lehiben'ny mpitondra fanjakana (chancelier) alemana Angela Merkel, ka niteraka fanebahana teo amin'ireo mpiserasera, izay nitsikera an'i Morsi ho nandany andro nankany ivelany amin'ny fotoana anjakan'ny korontana ao amin'ny firenena. Tsy nandray ilay sary ho tena izy ny Ejipsiana tamin'ny aterineto, tahaka ny fandraisany an'i Morsi sy ny politikany.

Eman Hashim nanoratra hoe:

دى يا جماعة الصورة الأصلية الى اتركب عليها وش #مرسى واتقال انه باسها.احنا مش طايقينه اه بس الكذب ده شغلة الاخوان

@EmanHashim: Ity no sary tena izy izay natao Photoshop tamin'ny endrik'i Morsi ka nanambaran'izy ireo fa manoroka an'i Angela Merkel izy. Tsy mankafy azy izahay saingy asan'ny mpirahalahy [Miozolomana] ny mandainga .

Nizara ny sary tena izy izy, izay mampiseho an'i Merkel miaraka amin'ny filoha Frantsay Nicolas Sarkozi.

The Photoshopped picture of Morsi kissing Merkel that went viral

Nalaza ity sary “Photoshop-n'i Morsi manoroka an'i Merkel ity

Belal Fadl nanamarika hoe:

صورة ميركل وهي بتبوس مرسي مضروبة ويتوقع صدور بيان عن ميركل تقول إنها ألمانية مؤمنة بالعلم ولا تؤمن بالنحس

@belalfadl: Hosoka ny sarin'i Merkel manoroka an'i Morsi ary miandry ny fanambaran'i Merkel izahay izay hilazany fa Alemana izy ary mino ny siansa, fa tsy mino ny anjara ratsy

Hatem Ghaleb nilaza hoe:

الراديو الألمانى بيتريقوا على مرسى وبيقولوا إنه للأسف هيضطر يقابل ست مش محجبة ويسمع رأيها النهاردة. ميركل. صباح الخير

@HFGhaleb: Namazivazy an'i Morsi ny onjam-peo alemana iray ary nilaza fa indrisy, tokony hihaona aminà vehivavy tsy misalotra sarondoha “hijab” izy ary mihaino ny heviny. Manahoana i Merkel.

Tao amin'ny YouTube, Alaa Ali nandefa lahatsary ahitana resadresaka tamin'ireo sokajin'olona mitsikera an'i Morsi:

http://www.youtube.com/watch?v=5Dcdfml5EIU&feature=youtu.be

Ary tao amin'ny Twitter kosa, Mohammed Maree nanazava bebe kokoa ny antony tsy nampahomby an'i Morsi. Taminà andian-tsioka, hoy izy:

مرسى يكذب فى مصر ويكذب فى ألمانيا – سيظل يكذب ثم يكذب ثم يكذب دون خجل حتى كتب عند الله كذاب

@mar3e: Mandainga amin'i Ejypta i Morsi ary mandainga amin'i Alemaina ihany koa. Mbola hanohy handainga foana izy ary handainga handainga hatrany tsy mahalala menatra intsony na dia kely aza. Hotsarovana amin'ny maha-mpandainga azy izy

Hoy izy nanampy:

مرسى فى المانيا يكذب ويقول : احترم حق الناس فى الاعتقاد !! وماذا عن البهائيين والشيعة فى مصر ، ممنوعين من ممارسة شعائرهم وبناء اماكن للعبادة

@mar3e: Nandainga i Morsi tao Alemaina izay nilaza fa: Manaja ny zon'ny olona amin'ny finoana aho. Koa manao ahoana ary ny Bahais sy ny Shiita ao Ejipta izay voaràra tsy mahazo mampihatra ny fombam-pivavahan'izy ireo sy hanokatra toerana hivavahana?

Maree nanamarika hoe:

وجود مرسى فى السلطة أصبح خطر على الجميع بما فيه نفسه ، هو عاجز فعلا وجماعته فاشلة ، مصر ليست حقل تجارب يابشر

@mar3e: Nanjary loza ho an'ny rehetra ny fipetrahan'i Morsi eo amin'ny fahefana, anisan'izany ny tenany. Tsy mahavita na inona na inona izy ary tsy fahombiazana ireo [Mpirahalahy Miozolomana]. Tsy laboratoaram-panandramana i Ejypta

Ary hoy izy namarana:

اذا لم يستجيب مرسى لمطالب الشارع قبل يوم الجمعه سندم هو وجماعته ، ولن يكون هناك حلول وسط ، واسقاطة سيكون لا بديل عنه مهما كانت نتائج ذلك

@mar3e: Raha tsy mamaly ireo fitakiana eny an-dalambe i Morsi hatramin'ny Zoma, hanenina amin'izany izy sy ireo [Mpirahalahy Miozolomana]. Tsy hisy intsony ny vahaolana tsotra sy ny safidy afa-tsy ny manongana azy, na inona na inona ho tohiny

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.