Famoronana Rakibolana Miteny Ho An'ireo Fiteny Indizena

Ny 7-11 Janoary 2013, mafana fo roa amby folo mpiaro ny Fiteny Indizena avy ao Amerika Latina no nivondrona tao amin'ny trano famakiam-bokin'i Santiago any Shily hizaha ny fomba hahafahan'ireo teknolojia dizitaly mitana anjara toerana goavana eo amin'ny fandraketana sy famelomana ny tenin-drazany, anatin'ny atrikasan'ny “Enduring Voices (Teny Mitoetra)”.

Nokarakaraina sy notohanan'ny Tetikasa Enduring Voices, izay fiaraha-miasan'ny Fampianarana ambony Misahana Ny Teny Velona sy ny National Geographic Society, nanome fanofanana fampiharana momba ny fampiasàna ireo fitaovana dizitaly anatin'ny asany io atrikasa io. Nandray anjara ihany koa ny Rising Voices ary nanome atrikasa momba ny fampiasàna ny mediam-bahoaka hampiroboroboana ny fampiasàna ireo fiteny Indizena ato anaty aterineto.

Ny hetsika voalohany indrindra notanterahana nandritra io atrikasa io dia ny famoronana Rakibolana miteny. Manome rakibolana fikarohana amin'ny teny maro ity sehatra ity, izay ahitàna lahatsary am-peo dizitaly noraketin'ireo mafana fo mikasika ny teny miasa miaraka amin'ny Fampianarana Ambony Misahana ny Teny Velona amin'izao fotoana.

Nomena Fitaovana ara-Teknolojia ny mpandray anjara tsirairay, mifototra amin'ny filany amin'izao fotoana avy. Nahazo solosaina finday ny sasany tamin'ireo mafana fo, ny sasany nahazo fandraketana feo, kamera, tripods, fihainoana feo an-tsofina misy fanakanana feo manelingelina, ary “disques durs” fampiasa ety ivelany ho  ampiasain'izy ireo amin'ny asany.

Ireo mpandray anjara nahazo ny fitaovany ara-teknolojia.

Na izany aza, ny firaketam-peo no nitana ny anjara asa goavana indrindra teo amin'ny famoronana ny Rakibolana Miteny. Afaka nandray am-peo amin'ny kalitao tsara avokoa  ireo mpandray anjara tsirairay, izay afaka nokirakiraina tao anatin'ireo rindrambaiko maimaim-poana tahaka ny Audacity avy eo. Avy eo dia asiana soratra miaraka amin'ireo ary akarina ao amin'ny lohamilina ampiantranoan'ny Anjerimanontolon'i Swarthmore, izay hampifandraisana azy amin'ny angon-drakitra misy ny lisitr'ireo teny amin'ny fiteny indizena, Anglisy, ary Espaniola.

Aseho eto i Espíritu Bautista sy ny zananilahy, Elmo eo am-piraketana feo amin'ny fitenin-drazany, Yanesha, izay fampiasa any amin'ny faritr'i Amazonia Afovoany any Pero.

Tamin'ny faran'ilay atrikasa, nisy Rakibolana Miteny sivy hafa hita amin'ny teny tahaka ny Mapudungun, Tsesungun, Quechua Chanca, Yanesha, Miahuatec Zapoteco, Mazahua, Mam, Pipil, Besiro, ary ny fitaranà Rakibolana efa misy amin'ny teny Ishír (Chamacoco).

Samy niverina any amin'ireo vondrom-piarahamonina misy azy avy ny  mpandray anjara tsirairay miaraka amin'ireo fitaovana sy fahaizana mba hanohy hanampy teny maro hafa ao anatin'ireo Rakibolana Miteny miaraka aminà iraka mazava hizaha ny fomba tsara indrindra fampiasàna azy ireo any amin'ny vondrom-piarahamoniny.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.