Hongroà Mpianatra Manao Hetsi-panoherana, Miatrika Sazy, Mitohy Mitolona

Ny Desambra 2012, nitambatra hanohitra ny fampihenana goavana ny isan'ireo azo raisina amin'ny sekoly ambony ireo mpianatry ny anjerimanontolo sy sekoly ambony Hongroà. Mitohy ny tolon-dry zareo hisian'ny fidirana maimaim-poana. (eto, eto, ary eto ny fandrakofan'ny GV azy ireny).

Nanoratra [hu] ny Atlatszo.hu fa marobe ireo mpianatra no natahotra ny ho voaroaka raha mihevitra ny hanohitra. Sahy fotsiny nizara ny tantarany tamin'ireo mpanao gazety ireo mpianatra saingy tsy mitonona anarana, satria natahotra izy ireo sao ho voatàna tsy hanao ny fanadinana farany any am-pianaran'izy ireo.

HVG.hu nitatitra [hu] fa tamin'ny Desambra, niantso mpianatra ho ao amin'ny biraony sy nibedy azy ireo ny talen'ny sekoly ambony iray tao Balatonalmádi ary nanontany azy ireo mikasika izay fomba fijeriny an'ilay hetsi-panoherana, sady nandray an-tsoratra hanomanana tatitra ho an'ny biraon'ny governemantam-paritra.

Taorian'ny ora fianarana dia nanatrika fihetsiketsehana iray ireo mpianatry ny sekoly ambony iray tao Szombathely, saingy ny fanatrehan'izy ireo ny fotoam-pianarany dia noraketina “ho toy ny tsy fahatongavana tsy nahazoana alàlana.”

Naniry hanao fitokonana fitorevahana ihany koa ireo mpianatry ny sekoly ambony iray tao Budapest, tahaka ny nataon'ireo maro, tamin'ny Desambra, saingy nofafàn'ny mpikambana iray avy amin'ny Fikambanan'ny mpianatra ao amin'ilay sekoly ambony  ny hetsika Facebook nokarakarain-dry zareo, mpianatra izay mpankatò ny mpitantana ny sekoly rahateo. Efa nahazo sahady hatramin'ny olona 300 “hanatrika” azy ilay hetsika Facebook, sady, tahaka izay nisy tany Balatonalmádi, ireo mpianatry ny Ambaratonga Faharoa tao János Xántus koa dia tratry ny fakàna am-bavany nataon'ny talen-dry zareo.

Araka ny voalazan'ny kaontin'ireo mpianatra [hu], taorian'ny fanoherana natao teo anoloan'ny Radio Hongroà, nolazaina ho manelingelina ny fizotry ny fanabeazana ny hetsika ataon-dry zareo, ary satria mpianatra izy ireo, dia tsy manan-jo na kely aza hanao fanoherana — izay tsy marina akory, araka izay nosoratan'ny HaHa, fikambanan'ny mpianatra ao an-toerana, ao amin'ny sehatra ara-dalànan'izy ireo FAQ (Fanontaniana Mateti-Pitranga) [hu] ho an'ireo tanora mpanohitra.

Ilay raozy dia enti-milaza an'i Rózsa Hoffmann, sekreteram-panjakana misahana ny fanabeazana, ary ny soratra entin'ity mpianatra ity dia milaza hoe: ” Tsy manam-bola hanaovana sorabaventy araka ny tokony ho izy aho.” Sary avy amin'i Peter Nemeth, fizakà-manana © Demotix (10/19/2012).

Tsy maintsy niatrika ireo “olon-dehibe” ihany koa ireo mpikatroka mafàna fo avy amin'ny HaHa nandritra ny kaonferansa-fampirantiana momba ny fampianarana natao ny 18 Janoary teo, izay nanirian-dry zareo hametrahana fanontaniana amin'i Rózsa Hoffmann, sekreteram-panjakana misahana ny fanabeazana. Faran'izay hàlan'ireo mpianatra ny politikany ka nahatonga ny  ny lohateny sy ny saribe naranty tamin'ilay hetsi-panoherana nanao tsilalaonteny tamin'ny anarany. Imbetsaka mihitsy ireo mpianatra no nitondra raozy miaraka amin'izy ireo rehefa manao fihaonambe. Ilay fihetsiketsehana izay niafara tamin'ny fisamborana mpianatra telo tamin'ny Desambra dia nomena anarana hoe “Revolisionan'ny Raozin-dririnin'ny mpianatra” (amin'ny teny Hongroà dia: Télirózsás Diákforradalom), anondroana ny fanampin'anaran'ny seketeram-panjakana (rózsa = raozy) ary nìndrana ny anarany taminà hetsika Hongroà manan-tantara iray, ny Aster Revolution, satria ny voninkazo “aster” dia nantsoina hoe “raozin-dohataona” amin'ny Hongroà. Ny 19 Desambra, nanipy raozy tao amin'ny reniranon'i Danube ireo mpianatra (lahatsary eo amin'ny faha- 3:10 [hu]) ho sarintsarim-pandàvana ny politikan'i Rózsa Hoffmann.

Ary rehefa naniry ny hiresaka mifanatri-tava aminy ireo mpikatroka mafàna fo dia tsy nahazo alàlana hametraka fanontaniana taminy, noho izany dia nanomboka niakiaka ny fanamarihany ho an'ireo mpanatrika ry zareo, ary nisy ireo olona namaly ny kiakiaka tamin'ny filazana fa tokony hitsahatra tsy hanakiana ny ezaky ny governemanta ireo mpianatra (eto ny lahatsary iray[hu]). Vehivavy iray, voalaza ho talen-tsekoly ambaratonga faharoa iray ao Kecskemét, no nanjary fihomehezan'ny maro[hu] noho ireo fanamarihany; ankoatry ny zavatra hafa, nilaza izy fa tokony ho nanatrika fampianarana tany an-dakilasy tany amin'ny sekoly misy azy ireo mpikatroka mafàna fo ireo amin'io fotoana io, ary alohan'ny anakianan-javatra dia tokony mba nahavita zavatra aloha ry zareo.

Ny famoahan-dahatsoratr'i Magyar Narancs isan-kerinandro aty anaty aterineto dia nahafantatra fa [hu] ben'ny tanànan'i Nógrádsáp ilay mpandray anjara iray tao amin'ilay kaonferansa, izay niteny tamin'ny mpikatroka mafàna fo iray avy amin'ny HaHa mba handeha hody sady namely tehamaina ny rainy satria hoe tsy nitaiza azy mifanaraka amin'ny fitondrantena mendrika.

Márton Hó, Hongroà iray mpihira sy mpanoratra tononkira, dia nampiasa ho toy ny tononkirany ny tenin'ireo “olon-dehibe” miaro ny governemanta ; nahazo mpijery mihoatra ny 42.000 ny lahatsariny hatreto. Ny lohatenin'ilay hirany dia hoe, “Henoy, ry zandry kely!” :

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.