Iran: Heloka Bevava Ao Amin'ny YouTube, Famonoana Ho Faty Eo Imasom-bahoaka

Zatovolahy roa, Alireza Mafiha sy Mohammad Ali Sarvari, no novonoina ho faty notapahan-doha tao Tehran, Iran vao maraimbe tamin'ny 20 Janoary 2013 teo imason'ireo mpijery [tandremo: mampihoro-koditra ny sary] tonga nanatrika izany, araka ny filazan'ny Sampam-pahalalamabaovao Repoblika Islamika (IRNA).

Heloka bevava sy YouTube

Ny fisamborana ireo lazaina ho mpihetraketraka no laharam-pahamehana voalohany indrindra taorian'ny fandefasana ilay lahatsarin'ny kamera mpitsikilo tao amin'ny YouTube tany amin'ny faramparan'ny taona 2012, lahatsary mampiseho tanora efatra mitaingina môtô roa izay mihetraketraka mpandeha tongotra, sy mandrahona azy amin'ny antsy ary maka ny zavatra eny aminy .

Lehilahy efatra no voasambotra sy nohadihadiana taty aoriana. Ka voaheloka ho faty tamin'izany i Mafiha sy Sarvari, ary ny roa hafa kosa voaheloka higadra an-tranomaizina 10 taona, dimy taona an-tsesintany sy kapoka karavasy 74.

Noho ny dolara kely

Avy amin'ny ISNA ny iray amin'ireo lahatsary mahery vaika (eto ambony) tamin'ny fanapahan-doha natao ny Alahady ary mampiseho ny sarin'iray amin'ireo tovolahy izay toa mametraka ny lohany eo amin'ny sorok'ilay mpanapa-doha, alohan'ny hanapahana ny lohany, toa tahaka ny mampahery azy kosa ilay lehilahy misaron-tava ka mametraka ny tanany eo amin'ny sorony.

Amirhadi avy ao Tehran nanoratra momba ity sary ity tao amin'ny bilaoginy [fa]:

Jereo ity sary ity, tahaka ny hoe mametraka ny lohany amin'ny sorok'ilay olona handeha hanatanteraka ny sazy [famonoana ho faty] azy izy. Mahita tahotra eo amin'ny masony ve ianao? Hitako hafahafa ity sary ity. Satria namela ilay nahavita heloka hametraka ny lohany eo amin'ny sorony ilay mpiasa mpanapa-doha. Satria tsy mahita hialofana ilay voaheloka ho faty ao anatin'ny fotoana fohy, afa-tsy ny sorok'ilay mpiasa mpanapa-doha.

[…]

Ireo zazalahy ireo, eny “zazalahy” satria vao 24 taona ilay zokiny indrindra ary vao 20 taona ny zandriny. Tsy mpangalatra sy mpihetraketraka matihanina izy ireo. Raha tsy izany, tsy handeha hanafika amin'ny vola kely mampitsikaiky 70 na 30 arivo Tomans izy ireo. [eo ho eo amin'ny 20 sy 10 dolara eo].

Miasa ihany koa izy ireo. Nampiseho ny mombamomba azy ireo fa irakiraka (coursier) no asan'izy ireo ary…. saingy raha nitotongana isan'andro ny sandam-bolam-pirenena. Raha tsy ampy ny karaman'ny mpiasa hamelomana olona telo izay yaourt sy mofo fotsiny no hohanina. Aminà fiarahamonina izay tsy misy fanantenana intsony ny ampitso. Inona no mba azony atao

Petaka mampitaha ireo lazaina ho mpanafika roa novonoina indray alahady sy ilay tale mpanatanteraka tao amin'ny Banky Nasionaly Iraniana: “Ny ankilany nangalatra 20 dolara ka namarana ny fiainany teo amin'ny fanapahan-doha raha niditra ny faha-20 taonany. Ny andaniny nangalatra 2,6 MILIARA dolara ary mankafy ny fiainany any Karaiba sy Kanada”

Namoaka ilay sary teo akaikin'ny sarin'ny tale jeneralin'ny Banky Foiben'ny Repoblika Islamika teo aloha, Mahmoud Reza Khavari,  izay nitsoaka nandositra fa voarohirohy tamin'ny fanodinkodinam-bola, ny takelaka mpanohitra Iraniana iray mitondra ny lohateny hoe “Mitady valisoa avy amin'ireo izay nikarakara ny Revolisiona 1979 “nanoratana [fa] hoe:

Vonoy izahay. Vonoy ny tanora tsy manam-bola hividianana mofo hohanina isan'andro. Mampahatsiahy ahy ny tantara noforonina “Ireo Fadiranovana” izay ahitana olona iray novonoina noho ny fangalarana mofo nefa ry zareo mangalatra vola amina miliara sady miihomehy amim-panesoana antsika ity raharaha ity. Matokia fa misoko mangina ao anaty lavenona ny afo ary hanjera anao indray andro any ireo tanora mahantra tsy manana asa izay nenjehina sy nahilikilika ireo.

Mpanatrika Fanatanjahantena

Ho fihetseham-po tamin'ny fahitana ny vaovao, nanoratra ny ‘Teny avy ao am-po lalina‘ tao amin'ny bilaoginy i Dara:

Tsy maintsy hihoron-koditra isika rehefa ho ataon'ny olona fialam-boly ny mijery famonoana olona fa tsy ny mijery sarimihetsika na mankany amin'ny zaridaina na an-tendrombohitra… manao ny famonoana ampahibemaso ny governemanta ho fampitahorana, fa ny tena zava-dehibe dia ny fihetseham-pon'ny olona. Te-hahita famonoan'olona tahaka izao ry zareo. Lasa fanalana andro ny olona iray miala aina

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.