Fahaiza-Mamorona Endrika Hetsi-Panoherana Amoahana Ny Tsy Fahafaliana Ao Espaina

Miavaka amin'ny famoronana sy fananganana hetsika ny Fiaraha-mietana Manohitra ny krizy ao Espaina nanomboka tamin'ny 2011. Anisan'ireo fanta-daza ny fikambanana tahaka ny 15M (Hetsika 15 mey) tamin'ny “fibodoany” ny toerana an-kalamanjana, teo koa ny hetsi-panoherana nokarakarain'ireo vahoaka marobe solontena avy amin'ny sehatra maro samihafa voakasiky ny fampihenana tetibola (fampianarana, fahasalamana, fonenana, sns), ny hetsika 25-S izay nanodidina ny Kongresy ka namerina izany hetsika izany imbetsaka, ary ny diaben'ireo mpitrandraka izay nanavatsava ny firenena.

Hita any amin'ny antsipirihan'ny teny filamatra, ny “doka”, ary ny volavolam-panitsiana atolony ny fahakingam-pamoronan'ireny hetsika ireny. Ohatra amin'izany ny fampiasan'ireo fikambanana ireo “flashmob”, hetsika tampoka sy tsy ampoizina indray mihelatra eny an-kalamanjàna dia miparitaka haingana any anaty olona indray avy eo. Natao tao amin'ny Foiben'ny Asa ao Madrid ny flashmob farany mifandraika amin'ny krizy – izay nokarakaraina tao amin'ny habaka media sosialy -taorian'ny fanambarana ny antontan'isa farany fa tafakatra 6 tapitrisa [es] ny tsy manana asa. Nanolotra hafatry ny Fanantenana ny hira iray nanapaka fahanginana:

Malaza amin'ny fihirana sy ny fandihizana any amin'ny banky ho fanoherana ny politika ara-toekarena ntapahina farany teo ny tarika mpanao Flamenco Flo 6×8:

Voakasiky ny fampihenana ny tetibola ihany koa ny sehatry ny anjerimanontolo. Nanao fihetsiketsehana antsoina hoe “Complutense eny an-dalambe” ireo mpampianatra sy mpianatra tao amin'ny anjerimanontolo Complutense  izay nanao fampianarana an-kalamanjana maimai-poana ho endri-panoherana. Tamin'ny 18 Novambra, nivadika ho “kilasin'olo-pirenena” ireo kilasy an-kalamanjana. Manana bilaogy [es] manokana hizarana izay zava-mitranga ny vondrona.

Fampianarana eny an-dalambe. Sary: David Fernández (Periódico Diagonal)

Namondrona hery hanakanana ny fanomezana ireo toeram-pitsaboana hotantanin'ny tsy miankina araka ny nambaran'ny governemanta ny tolona ho amin'ny fitsaboana, sehatra tsy dia fantatra loatra tamin'ny fikatrohana. Ho mariky ny firaisankina ho fanoherana ny fanitsiana, niangavy ny vahoaka ireo mpanao fihetsiketsehana mba hanangana saina fotsy eny am-baravarakely mandra-pisian'ny vahaolana.

Fanentanana hiarovana ny fahasalamam-bahoaka

Niteraka fitokonana telo andro ho amin'ny fanangonam-pako ny hetsika tao amin'ny media sosialy Twitter tamin'ny alalan'ny tenifahatra #Tubasuraalbanco. Ho setrin'izany, nangataka tamin'ny vahaoka ny ben'ny tanànan'i Madrid mba hametra ny fanipazana fako. Na dia izany aza, tsy nampoizina ny vokatr'izany fangatahana izany, satria fako marobe mivangongo no hita tamin'ireo varavarana fidirana mankany amin'ny banky. Nanjary lohahevitra nalaza haingana tao amin'ny Twitter ny hetsika.

 

@retuitator@Casillero90: Fanariam-pako vaovao ao Espaina! Fotoana hamerenana ny trosan-tsika izao #TuBasuraAlBancopic.twitter.com/OL9jfdyz“”

 

#Tubasuraalbanco. Sary nivoaka tao amin'ny  Latri.ca

Mbola tsy tapitra. Nanao hetsika ihany koa ny mpiasa-panjakana taorian'ny fanapahan'ny tambin-karama fahazo amin'ny noely, nikarakara sakafom-pitsitsiana krismasy izy ireo. Maimaipoana ny hetsika ary misokatra ho an'ny olon-drehetra, nangataka ireo izay ho avy izy mba hitondra sandwich hiaraha-mifaly. Tao Puerta del Sol, afovoan'i Madrid no notontosaina ny hetsika, tao no nankalazàna ny fety krismasy rehetra.

Vao haingana indray no namorona hetra vaovao maka 1 euro isaky ny taratasim-panafody eny amin'ny fivarotam-panafody ny fiadidian'i Madrid. Ho fanoherana izany, nizara boky kely fitsikerana manentana ny vahoaka tsy handoa izany hetra izany ny sampana avy ao amin'ny hetsika 15M satria tsy maintsy manome taratasy ividianam-panafody ny fivarotam-panafody. Hoy izy ireo “Ny trosanareo…tsy handoa izany ny marary”.

Mba hialàna amin'ny fiakaran'ny hetra TVA (8 miakatra ho 21% ), nanapa-kevitra hivarotra karaoty sy hanolotra “fanomezana” tapakila teatra maimaipoana isaky ny fividianana [karaoty] ny talen'ny teatra ao amin'ny tanàna kely Bescano ao amin'ny faritany Girone. Tsotra ny fomba fisainany:  hetra 4% no alaina amin'ny karaoty raha oharina amin'ny hetra vaovao 21% izay alaina amin'ny tapakilan'ny teatra.

Hoy ny tompon'ny teatra nilaza “Tsy handoa TVA ny mahantra”

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.