Fanakianana Ny Pasipaoro Diplaomatika Ho An'Ireo Solontea Ara-pinoana Ao Brezila

Vao haingana tao Bezila no nisy adihevitra mafàna natao taorian'ny namoahan'ny Minisitry ny Fifandraisana Amin'ny Any Ivelany, fantatra amin'ny hoe Itaramaty, pasipaoro diplaomatika roa [pt] ho an'ireo pasitora mpitarika ny fiangonana evanjelika Igreja Mundial do Poder de Deus (Fiangonana Manerantanin'ny Fahefan'Andriamanitra), Valdemiro Santiago de Oliveira sy ny vadiny Franciléia de Castro Gomes de Oliveira.

Ny fanomezana pasipaoro diplaomatika ao Brezila dia fehezin'ny Andininy faha 5.978 [pt] ao amin'ny lalàm-panorenana, izay mamaritra fa ireto antontan-taratasy telo ofisialy ireto dia afaka omena ireo filoha, filoha lefitra, minisitra, mpikambana amin'ny kaongresy, filohanà iraka diplaomatika, minisitry ny fitsarana ambony sy ireo filoha tany aloha. Kanefa, hatrizay ihany koa, dia nomena ho an'ireo solontenan'ny fiangonana katolika ny pasipaoro diplaomatika, miainga avy amin'izay lazain'ny artikla faha-6, paragrafy faha-3:

Photo of Pastor Valdemiro Santiago on facebook.

Sarin'ny Pasitoa Valdemiro Santiago ao amin'ny pejy Facebook

…às pessoas que, embora não relacionadas nos incisos deste artigo, devam portá-lo em função do interesse do País.

…ho an'ireo olona izay, na dia tsy voatanisa ao anatin'ity artikla ity aza, mila manana izany rehefa mahafeno ny andraiktra ho amin'ny tombontsoan'ny firenena.

Na dia araka ny voalaza etsy ambony aza hoe ny kardinaly avy amin'ny fiangonana Katolika no misitraka ity fanomezana ity, tsy voahilika amin'izany fanomezana pasipaoro diplaomatika izany ireo mpitondra fivavahana neken'ny fanjakana Breziliana ny fijoroany ary indrindra fa ireo solontena evanjelika hafa toa an-dry pastora Edir Macêdo, mpitarika ny Igreja Universal (Fiangonana ‘Universlle’) ao Brezila, izay mahabe resaka tokoa,  nahazo pasipaoro diplaomatika tany aloha tany.

Isaorana ny mangarahara nosoritan'ny media momba ity tranga henjana manokana ity na izany aza, niharan'ny kiana mavesatra avy amin'ny vondrom-pîarahamonina ety anaty aterineto ny Itamaraty noho ny fanapahan-kevitra norasiny, niteraka fifanakalozan-dresaka iray momba ny fahefan'ny andrim-panjakana sy ny fanitsakitsahana ny tena famaritana ny hoe tsy fironana amin'ny ara-pinoana (laika) voasoratra ao anatin'ny lalam-panorenana ao Brezila.

Mpamaky iray ny gazety Folha de São Paulo, Renato Khair, nampakatra ity fanamarihana manaraka ity ho valin'ny lahatsoratra iray [pt] niresaka ity raharaha ity :

É inaceitável que o governo tenha se utilizado do Itamaraty para fornecer passaporte diplomático para o pasto líder da Igreja Mundial. É uma aberração que pessoas que não preencham os requisitos legais recebam passaporte diplomático, como é o caso dos filhos de Lula, do referido pastor e tantos outros. É desmoralizante o que estão fazendo com o Ministério das Relações Exteriores e o Itamaraty, que eram considerados instituições sérias e respeitadas.

Tsy azo ekena mihitsy ny hoe ny governemanta hampiasa ny Itamaraty hanomezana pasipaoro diplaomatika ho an'ny Fiangonana Manerantany. Zava-mifanohitra amin'ny tokony ho izy raha olona tsy mahafeno akory ny fepetra takian'ny lalàna, tahaka ireo zanaka lahin'i Lula, filoha teo aloha, ireo ‘reverends’ fototry ny resaka ary ny hafa marobe, no hahazo pasipaoro diplaomatika. Ny zavatra nataon'ny Ministeran'ny Fifandraisana amin'ny any Ivelany dia mahakely fisainana ireo andrim-panjakana izay noheverina ho fanàja sy matotra.

Ilay bilaogera Parsifal Pontes dia nanakiana [pt] ihany koa ilay famoahana pasipaoro diplaomatika tamin'ny fanindriana fa :

A nossa chancelaria banaliza de tal maneira o passaporte diplomático que daqui a pouco as autoridades portuárias alhures vão gargalhar quando virem um.

Hiteraka fihomehezana ho an'ireo mpiasan'ny fadintserana any ivelany ny fomba noraisin'ny ministerantsika amin'ny fanomezana pasipaoro diplaomatika, rehefa mahita iray hafa indray ry zareo.

Igreja Mundial do Poder de Deus. Photo by Roberto Castelhano on Flickr.

Igreja Mundial do Poder de Deus. Sary avy amin'i Roberto Castelhano tao amin'ny Flickr (CC BY-NC-ND 2.0).

Ao amin'ny Twitter, teo ambanin'ny #estadolaicoja (fitondrana lahika izao) ny marimaritra ankapobeny dia ny hoe nihoatra ny vala ny fitondrana Breziliana tamin'ny fanitsakitsahana ny fepetra fototra momba ny resaka laika izay izy aza no nandrandraina hiaro azy.

Thiago G. Viana (@thiago_fiago), mpisolovava, izay mibilaogy miaraka amin'ny Comendo o Fruto Proibido, nibitsika hoe :

Legalidade, igualdade, moralidade e laicidade: são “só” esses princípios violados pelos passaportes especiais para pastores.

Ny ara-dalàna, ny fitoviana, ny ara-maoraly ary ny maha-laika: ireo no “hany” foto-kevitra voahitsakitsaka amin'ny fanomezana pasipaoro manokana ho an'ireo pastora.

Ny mpampanoa lalànan'ny Repoblika, Chico (@chiconob) dia mitohy manaraka izay lalan-jotran-kevitra izay :

Simplesmente NAO HÁ argumento plausível pra conceder passaporte diplomático pra religiosos. Que vexame!

Tsy misy tsotra izao tohan-kevitra azo raisina mba hanomezana pasipaoro diplaomatika ho an'ireo solontena ara-pinoana. Faran'izay maha-valalanina!

Avoitran'ireo fifanakalozan-dresaka ety anaty aterineto ny adihevitra fahiny sy misy amin'izao fotoana mikasika ny maha-laika ao anatin'ny fanjakana Breziliana. Na dia manamafy ny fahaleovantenan'ny fanjakana sy ny finoana aza ny lalam-panorenana, eo amin'ny fampiharana kosa dia mampiseho ny fanitsakitsahana io foto-kevitra io ny fanomezana pasipaoro diplaomatika ho an'ireo mpitarika ara-pinoana, sady izao koa e, fomba ahoana no ahafahan'ny mpitarika fivavahana iray hitondra pasipaoro diplaomatika nefa tsy handika ny lalàna fototry ny maha-laika? Ny solontena iray izay mitondra fahafaha-mivezivezy diplaomatika iray amin'ny fomba ofisialy dia tsy tokony, na rahoviana na rahoviana, hitondra ny sainan'ny finoana, tsy ho resahantsika ny fitoriany ny finoany ara-pivavahana any an-tany hafa.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.