Hetsi-panoherana Ny Sarintsarim-pandevenana Ny Fanjakàna Ao Kenya #BallotRevolution

Ny 16 Janoary 2013, natao tao Nairobi renivohitra ny hetsi-panoherana am-pilaminana teo ambanin'ny teny faneva Fandevenana Fanjakàna #BallotRevolution. Nandoro vatam-paty 200 mahery ireo mpanao hetsi-panoherana, nentina naneho ny “fahafatesan'ny tsimatimanota & tsy fahaiza-mitantana” ataon'ireo Mpikamban'ny Parlemanta ao Kenya, izay vao haingana teo no nanondrotra ny tombontsoany sy ny karaman'izy ireo ihany.

Nanao antso ho an'ireo Keniana mpiray tanindrazana aminy izy ireo mba tsy handrotsaka vato hifidy indray ireo mpikambana ao amin'ny parlemanta mandritra ireo fifidianana solombavambahoaka hatao ato ho ato, voalahatra ho ny 4 Martsa.

Poster for the #BallotRevolution: Uploaded by Twitter user @bonifacemwangi

Saribe ho an'ny #BallotRevolution: Nakarin'ilay mpampiasa Twitter @bonifacemwangi

Manazava ny bilaogy Njathika :

Tamin'ny herinandro lasa dia nandany tamin'ny fomba miafina fifanarahana iray mahabe resaka, mitentina 9.3 tapitrisa KShs ireo mpikambana tao amin'ny parlemanta ho toy ny fifanaovam-beloma. Ireo mpikambana ao amin'ny parlemanta dian nandany ihany koa ny hahazoan'ny tsirairay amin'izy ireo mpiambina manokana mitam-piadiana, pasipaoro diplaomatika ho an'ireo misotro ronono sy ny vadiny ary fahafahana miditra tsy misy fetra amin'ny toerana fandraisana olona ambony- na Very Important Person (VIP) any amin'ireo seranam-piaramanidina rehetra ao anatin'i Kenya.

Nolavin'ny Filoha Kibaki ny volavolan-dalàna momba ny Tonbontsoan'ireo Mpisotro Ronono nolanian'ny Antenimieram-Pirenena tamin'ny Alakamisy 10 Janoary 2013.

Mihidy amin'ny fomba ofisialy ny Talata 15 Janoary ny Parlemanta ary ny andro manaraka an'io dia hanatitra vatampaty 221 izahay ho an'ireo mpikambana tsirairay miala ao amin'ny parlemanta.

Ilay fizorana tsy misy herisetra, ampilaminana dia ho avy ao amin'ny Kianja Uhuru mankany amin'ny parlemanta, miaraka aminà saina keniana an'arivony manohitra ireo ‘vautours’ no sady milanja vatam-paty. Raisinay ho tompon'andraikitra tamin'ny nataony ireo mpitarika antsika ka amin'izany ny vatampaty dia ho endrika hamantarana ny fahafatesan'ny tsimatimanota & tsy fahaiza-mitantana.

Ity hetsi-panoherana ity dia midika fitsaharan'ny dimy taonan'ny tsimatimanota nataon'ny Parlemanta faha-10. Ho fampahatsiarovana ireo mpitarika ihany koa ilay hetsi-panoherana fa hoe vonona ny hanao revolisiona am-pilaminana amin'ny alàlan'ny fifidianana ny Keniana.

Tsara rakotry ny media mahazatra ilay hetsika no sady hita be teny anaty fantsona media sosialy Facebook sy Twitter teo ambanin'ny tenifototra: #StateFuneral #LoveProtest ary  #KenyaniKwetu (Fanamarihana: fiteny Swahili midika hoe “Antsika i Kenya”).

Nanao ity antso famoriana ity tao amin'ny Twitter i @KenyaNiKwetu :

tongava manatevina ny #KenyaNiKwetu ao amin'ny Zoron'ny Fahalalahana ao an-Kianja Uhuru amin'ny 10 maraina ary ‘ndeha hanao izay hisian'ny Revolisionam-Pifidianana #StateFuneral #BurytheVulture

@KanjiMbugua nibitsika hoe :

Mbola vàka mikasika ny fanomezana tsy madio ho an'ireo Solombavam-bahoaka tapitra fe-potoam-piasàna! Mivavaka aho ny tsy hanadinoantsika ireny fihetsika ireny amin'ny volana Martsa. #ballotrevolution

Ankoatry ny zavatra hafa dia manasongadina ny bilaogy Sunwords hoe :

Mandindona antsika indray izao ny fotoana hifidianan'ny Keniana mpitarika vaovao. Herinandro vitsy monja dia handeha handatsabato isika. Hifidy amim-pahalalàna tsara vare isika?
Tsy tsara ireo teo aloha. Fantatsika tsara mihitsy fa ny ankamaroan'ny Keniana dia tsy mifidy ireo mpitondra noho ny fahamendrehany. Fidian-dry zareo izy ireny arakaraky ny foko niaviany. Ny havanao no havanao, ary hahazo ny vatonao.  Fa ny hoe ny havanao mpangalatra ihany koa toa tsy tafiditra anatin'io; havanao izy, dia ampy anao izay. “Ny adalanao” no herin'ny “kandidàn-dry zareo,” tsy olana hoe azo itokiana hatraiza, satria ianao mino fa ny rehetra mihitsy no mangalatra na izany na tsy izany.
Ity karazam-pisainana ity no miantoka ny fijanonantsika ho any aoriana hatrany. Io no mahatonga ny fifidianana ao Kenya hobaikoan'ny fifidianana ara-poko. Io no miantoka fa na iza na iza mahazo ny vato be indrindra avy amin'ny foko be olona ao amin'ny biletàm-pirotsahany dia ho lasa mpitarika ny rehetra. Io no miantoka fa tsy hiditra anaty kajikajy velively izany resaka fananam-pahaizana, fahefana na toetra izany.
Aoka isika tsy ho anaty fisalasalàna: tsy mbola ho ato ho ato no hiova akory izao tarehin-javatra izao.

@geekmsanii mibitsika hoe :

Mety tsy hanjary noho ny antony iray fotsiny ny #BallotRevolution. Revolisiona miparasaka. Mitsipotipotika loatra, eo amin'ireo samy antoko marobe.

@gothrockstar80 naneho fomba fijery mifanohitra amin'izay :

Ny zava-misy dia na #BallotRevolution na tsia, mbola hifidy an'ireo #Mpigs (tsilalaonteny anodnroana ny MP, solombavam-bahoaka) hiverina eo ihany isika http://wp.me/ptBPN-6X avy amin'i @Tribe46thKenyan

Miaraka amin'ny sentom-pitsaharana no ilazan'i Wanjiku Revolution hoe :

Nandevina fotsiny ihany an'ireo ‘vautours’ tao anaty fasana itambaram-be sy misy afo mipololotra ny Keniana. Miala àny ny #BallotRevolution!

Somary tanora daholo ny ankamaroan'ireo mpanao hetsi-panoherana, marika milaza ny fitomboan'ny andian-tanora mavitrika ao Kenya izay tapa-kevitra ny hanara-maso hanakana ny fanararaotam-pahefana ataon'ireo mpanatanteraka sy mpanao lalàna

Kanefa, mbola tsy ao mihitsy ny mpitsara amin'ny fijerena hoe mbola hiverina hifidy ireo Mpikamban'ny Parlemanta izay nanao sonia tanaty fitiavantena ny fampakàrana karama sy ny tombontsoa mihoam-pampany ihany ve ny Keniana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.