Mampisara-Kevitra an'i Japana Ny Fako Navelan'ny Horohoron-tany

RikuzentakadaDebris311

Sary nalain'ilay mpisera flickr infradept (BY -NC-ND-2.0) tamin'ny 24 Aogositra 2011, mampiseho ireo potipoti-javatra nivangongo nandritra ny ezaka fanorenana taorian'ny tsunami  311 Tohoku tao Rikuzentakata, Japana

Herintaona sy folo volana izay no lasa hatramin'ny nisian'ilay Horohorontany Goavana tao Atsinanan'i Japana tamin'ny 11 Martsa 2011. Eo am-panaovana dingana amin'ny fanorenana ireo faritra voakasiky ny horohoron-tany, izany dia noho ny fanohanana sy fanampiana avy amin'ny Japana rehetra manerantany. Na dia izany aza, mampizara ny firenena ny olana momba ny fandoroana ireo potipoti-javatra izay mitera-doza.

910.000 taonina ireo potipoti-javatra ao amin'ny prefektioran'i Miyagi, ary 430.000 taonina hafa ao amin'ny prefektioran'i Iwate izay mila dorana [ja] avokoa. Korontan-trano rava 370.000 taonina ao amin'ny prefektioran'i Miyagi ary 170.000 taonina ao amin'ny prefektioran'i Iwate no efa nifanarahana fa hodorana any amin'ireo prefektiora 10 hafa, satria be loatra ireo korontan-trano rava ao amin'izy ireo.

Tamin'ny volana Mey 2012, nanaiky handray ireo korontan-trano rava ny tanànan'i Kitakyushu, niezaka nanakana ny fandoroana ireo mpanao fihetsiketsehana tamin'ny fandadizana tao ambany kamiao [ja] feno potipoti-javatra. Nametraka an-tsarintany ny endrik'ireo antontam-bato amam-biriky (korontan-trano rava) avy amin'ireo faritra voakasiky ny tsunami ny habaka [ja] iray natokana handrakitra vaovao momba ny faneken'ny governemanta ao an-toerana ireo korontan-trano rava mitera-doza

がれき受け入れ自治体一覧マップ

Sarintanin'ireo fitsinjaram-paritra ao an-toerana nanaiky handray ireo antontam-bato amam-biriky (16 Aprily 2012) Nahazoan-dalana ny famoahana ny sary.

Mpisera flickr watashiwani nandefa ity fanazavana an-tsary feno ahiahy momba ny fandoroana ireo korontan-trano rava

がれきの広域処理に反対するイラスト

Sary avy amin'ilay mpisera flickr watashiwani, nahazoan-dalana. ( CC-BY-2.0 )

Kanefa toa mahatsiaro tsy miraika manoloana ny soritrasa fitsinjarana ireo korontan-trano rava hodorana ny vahoaka ao amin'ireo faritra voakasiky ny horohorontany. Nampiseho ny fankasitrahany ny prefektioran'i Tokyo ny tanànan'i Onagawa ao amin'ny prefektioiran'i Miyagi tamin'ny fanekeny handray ireo korontan-trano rava sy tamin'ny fizarana trondro balaou (trondron-dranomasina) 60.000 maimaipoana tao amin'ny Valan-javaboarin'i  Hibiya tamin'ny 20 Oktobra 2012. Tao amin'ny Twitter ity fanehoan-kevitra manaraka ity izay milaza momba ny fizarana ilay trondro balaou maimaipoana tamin'ny alalan'ny tenifahatra #秋刀魚収穫祭 ( fetiben'ny fotoam-pandratoana trondro balaou)

@monchicamera ハッシュタグで#秋刀魚収獲祭を検索すると、みなさんの楽しんでいる様子が写真付きでツイートされていて、こっちまで嬉しくなっちゃう! #秋刀魚収獲祭

@monchicamera Raha vao nijery ity tenifahatra ity #秋刀魚収獲祭 aho, nahita sary sy fanehoan-kevitry ny olona mankafy ny fetibe ary nahafaly ahy izany

@leo_orebushi 女川が100年かかっても町内では処理できない被災家具のうちの10万tを引き取ってくれた東京都へのお礼に、さんま10万匹を届けるという企画が2012/10/20(土)に日比谷公園で催されます。 http://twipla.jp/events/30171  いい企画だね。

@leo_orebushi Hevitra tsara izany. –> Antsipirihan'ny fety : Nizara trondro balaou 100.000 ny tanànan'i Onagawa tamin'ny 20 Oktobra mba hisaotra an'i Tokyo tamin'ny fanekeny handray ireo korontan-trano rava mitera-doza raha tsy izany niandry zato taona mihitsy vao hamela izany ao amin'ny tanànany. http://twipla.jp/events/30171 

@hosssssyna
今日日比谷公園である #女川 #秋刀魚収穫祭 。魚ってどうなの?って思ったのでHP見てみたらこんなページが。私は行けないけど、 きちんと取組んでる人達を応援したい。【放射能測定は毎回の水揚げごとに行っています。】 http://onagawa-town.com/sanma/?page_id=40

@hosssssyna Nanontany momba ny tahan-taratra amin'ireo trondro tamin'ny fetibe #onagawa aho #秋刀魚収穫祭 ka nijery ny habak'izy ireo ary nahita ity pejy ity. Tsy afaka hanao izany ao amin'ny fetibe aho saingy te-hanohana ireo olona miasa tsara aho –>[amin'ny fandrefesana ny tahan-taratra isaky ny fipetrany] http://onagawa-town.com/sanma/?page_id=40 …

Voatery nandà ny tolotra [ja] amin'ny handraisana ny koronta-trano rava kosa ny tanànan'i Taki, ao amin'ny prefektioran'i Mie, satria nanohitra izany avokoa ny 12 tamin'ireo mpikambana 13 ao amin'ny Filankevitra monisipaly. Mbola eo am-pitadiavana vahaolana momba ny soritrasa fandoroana ny prefektiora, saingy nanolotra soso-kevitra tamin'ny ben'ny tanànan'i Ise ao amin'ny prefektioran'i Mie ny Hahanowa [ja], vondrona renim-pianakaviana tamin'ny 4 Desambra 2012, izay mitaky fanazavana mangarahara momba ny fandoroana ireo korontan-trano rava ary mitaky mba tsy handray intsony izany korontan-trano rava izany.

Tao amin'ny bilaogin'ny Hahanowa [ja], renim-pianakaviana manan-janaka herintaona nanoratra momba ny ahiahiny mikasika ny soritrasa fandoroana ireo korontan-trano rava midadasika hozaraina: 

 様々な勉強会に参加して、それから三重県主催の説明会にも参加して、ますます不安が募る我々。「低線量被曝は安全」、「がれきには放射性物質は付着していないから安全」等々、市民が主催する勉強会の内容とはまったく反対の説明をする環境省と三重県。
私達、どう対処すればいいの?

Nandray anjara tamin'ny andiam-pikarohana maro [momba ny fandoroana korontan-trano rava] aho, ary nandeha nivahiny tany amin'ny prefektioran'i Mie  aho. Saingy tsy mitsaha-mitombo ny ahiahinay. Hoy ny Minisitry ny Tontolo Iainana sy ny Prefektioran'i Mie taminay “tsy atahorana ny taratra ambany fatra”, ” tsy atahorana izany satria tsy misy vainga-taratra miraikitra amin'ny korontan-trano rava” sy ny sisa, izay mifanohitra tanteraka tamin'ny nianaranay tamin'ireo andiam-pikarohana. Inona no tokony ataontsika manoloana izany?

Tetikasa Kyushu Himawari, vondrona nianatra ny olana momba ny fandoroana amin'ny faritra midadasika   niantso ny amin'ny tokony hanaovana hetsika [ja] toy ny fandefasana taratasy, , fax na mailaka mitaky ny governoran'i Murai ao amin'ny prefectioran'i Miyagi mba hampitsahatra ny fitaterana ireo korontan-trano rava any amin'ireo prefektiora hafa.

Noho ny fahamaroan'ny sonia voaangona hampitsaharana ny fako hiditra ao an-tanànan'i  Kitakyushu tao amin'ny antenimieran'i Miyagi dia niresaka momba ny fisarasarahan-kevitra tsy mitsahatra ao aminy vokatr'ireo zava-natao ny kaonty Twitter-n'ny gazety Asahi Shimbun avy amin'ny sampan'i Sendai.

Mpisera Twitter hafa yuirin25 naneho hevitra hoe:

@yuirin25 あたしはこの朝日の意見にまったく同感だわ。被災地がどんだけ困ってるか見てるからこそ、陳情を見てこれでいいのかとギモンを抱いたりもするんじゃーないか。また送ってくる側の行動が執拗に見えたりもするんだろう / “Twitter / asa…” http://htn.to/jwsTFx

@yuirin25 Mitovy hevitra tanteraka tamin'ny nolazain'i Asahi [mpisera Twitter sampana avy ao Sendai] aho. Satria tsy maintsy nanatri-maso ny tolona ataon'ireo faritra tratra ireo mpanangom-baovao, tsy maninona izay anontaniany amin'ny fanangona-tsonia, manaiky ny andraikitra aho. Ary rehefa tsy mitsahatra ny tonga ny taratasy, dia tahaka ny tsy hana-pahataperana.

Araka ny antonta-kevitry ny Sampan-draharaham-panjakana Japoney misahana ny fananganana indray ny fanorenana [ja] nivoaka tamin'ny 27 Novambra 2012, amin'ny totalin'ny fako navelan'ny voina mahatratra 18.020.000 taonina, ny 27 isan-jato ihany no afaka. Ny tanjon'ny Sampan-draharahan'ny Fananganana indray dia ny hahavita ny fanafoanana tanteraka ny fako navelan'ny voina mialoha ny faran'ny taona Marsa 2014.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.