Sri Lanka: Fihetseham-po Mikasika Ny Fanonganana Ny Filohan'ny Fitsarana Tampony

Ny fanonganana ny filohan'ny Fitsarana faha-43 ao Sri Lanka, Dr Shirani Bandaranayake no ambetin-dresaka manerana ny firenena. Mpianatra ambony teny amin'ny anjerimanontolo i Bandaranayake, ny tsy fananany traikefa eo amin'ny sehatry ny fitsarana no nahatonga ireo fihetsiketsehana marobe nataon'ireo mpisolovava sy mpitsara tamin'ny fanendrena azy tamin'ny taona 2011. Ny fanararaota-pahefana sy ny tsy nahavitany nampiseho ny fidiram-bolany sy ny deviziny any ivelany no antony nanenjehana azy. Nilaza izy fa tsy meloka manoloana ireo vesatra hanenjehan'ny governemanta azy. Na dia izany aza, siosion-dresaka malaza noho ny fitsarana nampifanolana tamin'ny nitsipahany  ny Volavolan-dalàna Divenguma no nahatonga ny fanaovana araka ny voatondron'ny lalàna ny fanonganana azy . Bilaogy Law and Other Things nanazava hoe:

 

Tokony nahafahana nametraka toeram-panangonana ny vola natokana ho amin'ny fampandrosoana izay natokona ho an'ny manam-pahefana isam-paritra tamin'ny voalohany ilay lalàna, ka tokony nahafahan'ny Minisitry ny Raharaha Ara-Toekarena hanana fahefana manokana lehibe kokoa ihany koa. Efa ela no notakian'ireo antoko Tamoul ny fitsinjaram-pahefana ary nentina ho fomba mankany amin'ny filaminana. Na dia izany aza, te hanafoana  ilay fitsinjaram-pahefana na dia mbola bitika aza ireo mpanao politika nasionalista sinhala. Basil Rajapakse, Minisitry ny Raharaha Ara-Toekarena, no rahalahin'ny Filoha Mahinda Rajapakse. Anisan'ny rahalahin'ny filoha ihany koa i Chamal Rajapakse, mpitondra tenin'ny antenimiera, izay niaingan'ny fanonganana sy mitarika ny  Vaomiera Voafantin'ny Antenimiera.

Sarin'ilay vehivavy voalohany filohan'ny Fitsarana faha-43 ao Sri Lanka, Hon. Dr. Shirani A Bandaranayake. Copyright Shaveen Bandaranayake CC BY 3.0.

Natolotra ny Filohan'ny Antenimera tamin'ny 1 novambra 2012 ny soso-kevitra fanonganana ny filohan'ny fitsarana Bandaranayake izay nosoniavin'ireo solombavambahoaka 117 avy ao amin'ny antokon'ny fitondrana. Notendrena ireo mpikambana iraika ambinifolo ao amin'ny vaomiera manokana ny antenimerana mba hanadihady ireo vesatra iampangana azy, izay nahatonga ireo fangalana am-bavany telo. Nametra-pialana tao amin'ny vaomiera parlemantera ireo solombavambahoaka mpanohitra tamin'ny 7 Desambra 2012. Tamin'ny tatitra natolotra ny filohan'ny vaomiera parlemantera, voalaza tao fa voaporofo ny telo amin'ireo fiampanga dimy hanenjehana an'i Bandaranayake ary ampy hanesorana azy amin'ny asany izany. Nitsipaka ny tatitry ny VP ireo solombavambahoaka mpanohitra.

Bilaogy- Law and Other Things nitatitra hoe :

Tamin'ny 15 Desambara, nandray fepetra ny Fikambanan'ny Mpisolovava ao Sri Lanka ho fanohanana ny filohan'ny fitsarana Bandaranayake ary nilaza fa tsy hiara-hiasa izy ireo raha olom-baovao no voatendrin'ny Filoha Rajapakse eo amin'ny filohan'ny fitsarana. (Ato ny antsipirihan'ny tatitra tao amin'ny The Hindu). Tamin'ny 19 Desambra, nanetsika ny Fitsarana Ambony ny filohan'ny fitsarana mba hitaky ny fanafoanana ny fombafombam-panonganana azy. Azo jerena ato amin'ity lahatsoratra tao amin'ny Washington Post ity ny antsipirihan'ny fandresen-dahatra nataony tamin'izany.

Nitohy tao amin'ny firenena ny fihetsiketsehana teny an-dalambe. Nitatitra ny Indi.ca fa noravan'ny mpiara-dia amin'ny governemanta ny fihetsiketseham-panohanana ny filohan'ny Fitsarana kanefa nijery fotsiny ny polisy .

Tamin'ny 3 janoary 2013,  nanambara ny Fitsarana Tampony fa tsy manana fahefana hanadihady ireo fiampangana ny Filohan'ny fitsarana faratampony ny PSC ka noho izany tsy mifanaraka amin'ny lalàmpanorenana ny fanonganana azy, izay mifototra amin'ny fandraisana diso ny Lalàmpanorenana. Saingy herinandro taorian'izany, niadian-kevitra tao amin'ny antenimiera ny soso-kevitra momba ny fanonganana an'i  Bandaranayake ary voafidin'ny maro an'isa ny soso-kevitra. Niteraka adihevitra be momba ny lalàna izany latsa-bato izany.

Tamin'ny 13 Janoary 2013,  nosoloana an’ Andriamatoa  Mohan Peiris ny filohan'ny fitsarana Shirani Bandaranayake  .

Tamin'ny resadresaka nifanaovana tamin'ny Groundviews, nanasokaly ny fampiatoana ho fanapotehana i Asanga Welikala, mpikaroka ao amin'ny Ivotoeran'ny Politika Mahasolo. Nilaza koa ilay solombavambahoaka avy ao amin'ny antoko Firaisambe Nasionaly UNP Eran Wickramaratne fa nataon'ny filoha fitaovana fotsiny ny antenimiera mba hampalemy ny rafi-fitsarana.

Patta Pal Boru naneho hevitra momba ilay fanendrena vaovao

Nahoana no olona mpanolotsainan'ny Filoha nandritra ny telo taona no voatendry ho filohan'ny fitsarana, satria ara-pamaritana, mampanontany tena ny fahitsim-po aman-tsainany sy ny fijorony ho tokony tsy miangatra , tsy ijerena izay toerana misy azy ao amin'ny fiarahamonina.

Tisaranee Gunasekara nanoratra hoe:

Ny fanonganana tena tsara an'i Rajapaksa no niteraka ilay Lehiben'ny Fitsarana tena tsara Rajapaksa. Mohan Peiris, ilay namana mahatokin'i Gotabhaya Rajapaksa, lehilahy nandainga tamin'izao tontolo izao tamin'ny anaran'ireo Lehibe ara-politikany, no safidy idealy hitarika ny Fitsarana Rajapaksa, noho ny tsy fisian'ny mpiray tampò , na zanaka lahy na zana-drahalahy afaka nihazona izany toerana izany.

Mpanao fihetsiketsehana mitangorona eo ivelan'ny Fitsarana ao Colombo, fihetsiketseham-panoherana ny Filohan'ny fitsarana Bandaranayake. Sary avy amin'i Tharaka Basnayaka. Copyright Demotix (4/12/2012)

Nisy ihany ireo fanehoan-kevitra manohana ny fanonganana ny filohan'ny fitsarana faratampony. Malinda Seneviratne nanoratra ity taorian'ny fanonganana azy:

Ny filohan'ny Fitsarana, na misy na tsy misy ny fankatoavana na ny firaisana tsikombakomba avy amin'ireo mpiaro azy na koa ny sinemà manohitra ny fitondrana, dia tsy nahazo sitraka mihitsy. [..] Nu fihetsiketsehana ivelany ataon'ny governemanta sy ny mpiaro azy no nahatonga ny “haza lambo” ho tontosa. [..]

Nampiseho ny fitondra-tenan'ny filohan'ny fitsarana, taloha sy taorian'ny fombafombam-panonganana fa mbola lavitry ny zavatra antenaina aminy. Na adinony na nataony mihitsy, ny nanao izay hahavery haja ilay andraikitra.

Taorian'ny fanonganana azy, nilaza i Badaranayake fa matahotra ny amin'ny ainy sy ny vadiny ary ireo zanany lahy izy.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.