Nahanton'ny Twitter Ny Kaontin'ny Encyclopedia Kiobàna “EcuRed”

Nahanton'ny Twitter ny kaontin'ny [en] Encyclopedia Kiobàna “Cubana EcuRed araka ny fanambaràna iray nakarina tao amin'ny bilaogy ofisialin'ny tranonkala Ecured. “Ny hany fandikàna (ny fepetra sy ny firotsahana ao amin'ny Twitter) nataony dia ny nisoratany anarana tamin'ny mailaka izay an'ny  (Klioban'ny Tanoran'ny Solosaina sy ny Elektronika), fikambanana iray izay efa nesorina tao amin'ny Twitter noho ny nankalazàny ireo zava-bitan'ny Revolisiona Kiobàna teo ambanin'ilay tenifototra  #Caravana54″.

Logotipo de Ecured. Reproducido bajo licencia CC

Fangon'ny Ecured. Naverina navoaka teo ambanin'ny lisansa CC

Hatramin'ny anio, bilaogera Kiobàna roa raha kely indrindra, no efa voasakana nanomboka tamin'ny herinandro lasa.

Tanaty lahatsoratra iray tao amin'ny  Desde adentro de Cuba, (Avy ao anatin'i Kiobà), mitantara i Arian Jesús Pérez hoe :

En la tarde del martes 8 de enero [Twitter] suspendió indefinidamente TODAS las cuentas que salían por las IP pertenecientes a los Joven Club de Computación.

Ny harivan'ny Talata 8 Janoary, nobahanan’ [ny Twitter] mandritra ny fotoana tsy voafetra ireo kaonty REHETRA miainga avy amin'ny adiresy IP an'ny Joven Club de Computación.

Ho an'i Perez, ilay fanakanana dia mifandray ihany koa amin'ny fandrakofan'ilay tranonkala ny faha-54 taonan'ny nahatongavan'ny ‘caravane’ nitondra an'i Fidel Castro, niaraka tamin'ireo mpitarika hafa tamin'ny Revolisiona Kiobàna, ho ao La Havane.

Las etiquetas #Caravana54 y #Cuba que utilizaron tuiteros cubanos ocuparon lugares destacados durante varios días. El primero de estos dos hashtag hasta el 7 de enero tenía 30 574 tweets. Desde el día 3 de enero se había posicionado entre los 20 tags más populares del día. En las tendencias de los mensajes en español, el pasado día 5, se posicionó en el segundo lugar, y en las tendencias de los tags populares, en primer lugar.

Ny Tenifototra #Caravana54 sy #Cuba nampiasain'ireo Kiobàna mpibitsika dia nitohy ho lohahevitra noresahana be nandritra ny andro maro hafa. Hatramin'ny 7 Janoary, nahavory bitsika 30.574 ny #Caravan54. Efa hatramin'ny 3 Janoary, tanatin'ireo tenifototra 20 nalaza indrindra isanandro izy. Nitàna ny toerana faharoa tanivon'ireo hafatra nozaraina betsaka tamin'ny teny espaniola izy ny andro faharoa ary tafapetraka ho ny voalohany tamin'ireo tenifototra malaza.

Miteny ny mpanoratry ny bilaogy El colimador :

Ayer en la tarde descubrí con desagrado que mi cuenta de Twitter había sido bloqueada por los administradores de Twitter. (…) Me abstuve de hacer cualquier comentario al respecto, pues pensé que se podía tratar de algún error. Mas, hoy en la mañana descubro que todas las cuentas que accenden por el IP de Joven Club han sido suspendidas.

Omaly hariva, tamim-pahasorenana no nahitako ny kaontiko Twitter nobahanan'ireo mpiandraikitra ilay sehatra. (…). Tsy nanisy resabe nikasika ilay olana aho ary avy eo nihevitra fa mety hadisoana io ahy io. Saingy androany, hitako nony maraina fa ireo kaonty rehetra nivoaka avy amin'ny  Joven Club no nobahanana.

Marobe ireo Kiobàna mpampiasa Twitter no nangataka ny Twitter mba hiverina hijery ny fanapahan-keviny ka handray anaty kajikajy ny hoe tsy nihevitra mihitsy “ho nandika ireo fitsipika izay ambara ho voahitsakitsaka” sy manamarina ny fampiatoana azy ireny ny tompony.

Tamin'ny Desambra lasa teo, nambaran'ny Eucured ny hanombohan'ny endrika voalohan'ny tranonkalany natao ho an'ny finday, izay azo apetraka amin'ny telefona finday, mandritra ny telovolana voalohan'ny 2013.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.