Tondradrano Ao Indonezia : Fepetra Hamehana Ao Jakarta

Nataon'ny tondradrano goavana fahirano i Jakarta, renivohitr'i Indonezia. Napetraky ny Governora Joko Widodo ho amin'ny  toeran'ny hamehana ny renivohitra hatramin'ny 27 Janoary. Voatatitra fa amin'ireo sobadistrika 44 ao Jakarta dia 27 no tondraky ny rano. Mampiasa ny tenifototra #banjirJKT (tondradranon'i Jakarta) ireo mpisera ety anaty aterineto mba hizaràna vaovao mikasika ny fivoaran'ilay tondradrano any amin'ny distrika samihafa.

@Posma_ Jokowi-Ahok menghadapi salah tantangan terbesar Jakarta. Ini baru banjir 5 tahunan. Semoga terobosan solusinya berjalan baik #banjirJKT

@Posma_ Samy miatrika ny fanamby henjana ao Jakarta na i Jokowi (Ben'ny Tanàna) sy Ahok (Lefitry ny Ben'ny Tanàna). Ity no ilay antsoinay hoe tondradrano isaky ny dimy taona. Enga anie, mba ho vahaolana milamina no ho hita. #banjirJKT

Tondradrano ao afovoan-tanànan'i Jakarta. Sary avy amin'ny pejy Twitter an'i @KartuPos

@cewequat Silakan berpartisipasi di #BerbagiSELIMUT Menolong warga terdekat sekitar & siapa saja yg bisa kita bantu meringankan musibah #BanjirJKT

@cewequat Mandraisa anjara amin'ny #berbagiselimut (mizarà bodofotsy). Ampio ny mpifanolobodirindrina aminao na iza na iza. Azontsika atao ny manampy ireo mizaka ny mafy amin'ity tondradrano ao Jakarta ity.

Kenda ny asa fihariana ara-toekarena tao an-toerana taorian'ny roa andro nifanesy nisian'ny orana nikija tao Jakarta.

Johannes Silentio Hari-hari ini wajah paradoks Jakarta terkuak lebar. Kota metropolis-modern yang berkali-kali salah urus dan bisa lumpuh hanya karena hujan semalaman.

Johannes Silentio Tato anatin'ny andro vitsy, nipoitra ny endrika miafin'i Jakarta. Tanàn-dehibe maoderina ratsy tantana nandritra ny fotoana naharitra sy azon'ny orana tsy nitsahatra indray alina monja nokendaina.

Tondradrano goavana ao afovoan-tanànan'i Jakarta. Sary avy amin'ny @MustafidzZ

@BLUTransJakarta: Info | 09:16 Mhn maaf saat ini semua koridor stop operasi imbas banjir dan jlr tdk dapat dilalui

@BLUTransJakarta: Ialànay tsiny ny filazàna fa amin'izao fotoana dia tsy afa-mandeha daholo noho ny tondradrano sy ny làlana tsy azo aleha ny fiara fitateram-bahoakantska rehetra.

Jennie S. Bev Be ny zavatra mila foanana androany, hatramin'ireo fihaonana mikasika fandraharahàna. Tafakatra hatramin'ny 3 metatra ny rano amin'ny faritra sasany. Ratsy ihany koa ny fifandraisana aterineto. Miray fo amin'ireo rehetra tra-boina aho.

‏@kalamkata Tol bandara arah tengah kota, jalur kanan terendam setinggi setengah bodi mobil sedan. #BanjirJKT #JKTBanjir

‏@kalamkata Tondraka ny lalambe mahitsy mamakivaky ny tanàna. Hatreny amin'ny valahan'ireo fiara kely.

Mponin'i Jakarta miampita arabe iray tondraky ny rano. Sary avy amin'i asep sambas . Fizakà-manana @Demotix (1/16/2013)

Nangonina ao amin'ny Pinterest ihany koa ireo sarin'ilay tondradrano. Mandritra izany, Dest, mpampiasa Google dia nanangana sarintany Google iray hanarahana ilay tondradrano goavana ao Jakarta. Ireto ambany ireto ny fanehoankevitra sasany tao amin'ny twitter sy ireo fanavaozam-baovao mikasika ilay tondradrano :

@DianOnno Jakarta Animal Aid Network (JAAN) sepertinya juga sedang membantu hewan yang terkena dampak #banjirJkt. Kalau butuh bisa kontak mereka.

@DianOnno Sahala amin'ny hoe manampy amin'ny famonjena ireo biby tra-boina amin'ny tondradrano ao Jakarta ny Jakarta Animal Aid Network (JAAN). Mifandraisa amin'izy ireo raha misy ilànao fanampiana.

@Oepaij Wilayah yang harusnya jadi zona luahan air (discharge) malah dibikin pemukiman. Sama aja nyuruh orang ngebangun rumah di empang. #BanjirJKT

@Oepaij Ireo faritra nomanina hivarinan'ny rano amin'izao fotoana no efa lasa tanàna misy mponina. Izany dia toy ny filazàna amin'ny olona hanangana trano eo amboninà honahona.

@Ngelantour Refesina aminà  ‘cm’ na ‘metatra’ ny haavon'ny tondradrano eran'izao tontolo izao. Ao Indonezia ihany izy io no refesina amin'ny ‘mata kaki, betis, dengkul, dada, pinggang, leher’ (hakitrokely, ranjo, lohalika, valahana, tratra ary tenda).

‏@KartuPos Ular gede banget ditemukan depan sekolah Santa Ursula sekitar Lapangan Banteng. Dari path @BeckTum: pic.twitter.com/JJZ6SYfo

‏@KartuPos Bibilava be tsikaritra teo anoloan'ny sekoly Saint Ursula akaikin'ny Lapangan Banteng (fanamarihana: kianja fanaovana fanatanjahantena). Avy eny amin'ny Làlana Dari. @BeckTum: pic.twitter.com/JJZ6SYfo

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.