SARY: Nifarana Am-pilaminana Ny Fihetsiketseha-piraisankina Nataon'ireo Shiita Tao Pakistan

Nifarana ihany ny fihetsiketseha-piraisankinan'ny Shiita notontosaina manerana ireo tanàna ao Pakistan. Natomboka izany fihetsiketsehana izany taorian'ny daroka baomba [mg] nahafaty olona maherin'ny 100 tao amin'ny fiarahamonina Shiita Hazara ao atsimo-andrefan'i Quetta tamin'ny 10 Janoary 2013 [mg].

Manamarika ny andro vono olona mahatsiravina indrindra teo amin'ny tantaran'ny faritany atsimo-andrefan'i Balochistan ao Pakistan ireo daroka baomba. Mpikambana ao amin'ny vondrona milisy voaràra Laskher-e-Jhangvi no nahavita ity heloka bevava mampivarahontsana ity.

Taorian'ny fanafihana, nanao famoriam-bahoaka tao amin'ny lalàna Alamdar ireo fiarahamonina Hazara ao Quetta ary nanomboka nanao sit-in milamina. Satria niparitaka manerana ny media sosialy ny sarin'izy ireo nipetraka ao anatin'ny orana miaraka amin'ny nofo mangatsikan'ireo havany, niely toy ny afo manerana ny firenena rehetra ny fihetsiketseham-piraisankina manana endrika sit-in milamina [mg]. Niray hina ireo Pakistaney avy amin'ny antokom-pivavahana sy ny foko rehetra mba hanameloka ny fampihorohoroana atao amin'ny anaran'i Islamo.

Nanana tanjona tokana ireo mpanao fihetsiketsehana tao Quetta:

“Ataovy eo ambanin'ny fifehezan'ny tafika Pakistaney ny tanàna'i Quetta ary ampiharo ny fitsipiky ny Governora.”

Niandry efatra andro ny governemanta vao namaha ny olana; nitsahatra ihany noho ny farany ity sit-in milamina naharitra efatra andro ity. Ankoatra izany, nandà tsy handevina ny nofo mangatsiakan'ireo hava-malalany ny fianakaviana raha tsy voavaly ny fitakian'izy ireo. Satria efa tapitra ny fihetsiketsehana, efa nalevina avokoa ireo faty.

Nikarakara sit-in manerana ny faritra malaza rehetra ao Pakistan ny olom-pirenena. Teny amin'ny lalamby sy ny arabe no nanaovana ny fihetsiketsehana. Araka ny tati-baovao,  tanàn-dehibe sy tanàna salantsalany maherin'ny 100 no nahitana sit-in. Nanaovana sit-in ihany koa tao an-tanànan'i Skardu, izay 14 ny maripàna tamin'ny alina. Tsotra ny tanjona:

Ekeo ny fitakian'ireo mpanao fihetsiketsehana ao Quetta.

Tazan-tsary nandritra ireo fihetsiketsehana manerana ny tanàn-dehibe tao Pakistan ireto manaraka ireto:

Karachi

Protest infront of Bilawal House against Shia Killing.

Fihetsiketsehana teo anoloan'ny Trano Bilawal ho fanoherana ny famonoana ireo Shiita. Sary: ‏@ArsalanMKhan

Protest infront of Bilawal House against Shia Killing. Source: FacebookSyed Sabih Abbass Rizvi</a>. Copyight: Used with author's permission

Fihetsiketsehana teo anoloan'ny Trano Bilawal ho fanoherana ny famonoana ireo Shiita. Sary: FacebookSyed Sabih Abbass Rizvi. Nahazoan-dalana ny famoahana ny sary

Protest at Karachi Press Club.

Fihetsiketsehana tao amin'ny Tranon-gazety ao Karachi. Sary: @‏faisalkapadia

A child during a protest near Numaish Chowrangi.

Ankizy nandritra ny fihetsiketseha-piraisankinan'ny Shiita tao akaikin'i Numaish Chowrangi. Sary: @arifaBatool

Ity lahatsary avy amin'i Numaish, Fihetsiketsehana tao Karachi.

Hyderabad

Protest near Hyderabad Bypass.

Fihetsiketsehana teo akaikin'i Hyderabad Bypass. Sary: ‏@ImZeesh

Lahore

#WeAreAllHazara protests in Lahore.

#Hazaraizahayrehetra, fihetsiketsehana tao Lahore. Ora: 2:00 maraina. Sary: ‏@XumarShirazi

Protest infront of Governor House Lahore. Time: 11:30 pm.

Fihetsiketsehana teo anoloan'ny Tranon'ny Governora ao Lahore. Ora: 11:30 hariva. Sary: Qurrat-ul -in Haider (‏@mojesma)

A young Shia girl asking her "Sunni Brothers" to join the protest.

Ankizy Shiita mitaky “ireo rahalahiny Sonita” hamonjy ny fihetsiketsehana. Sary: ‏@annyzaidi

Sit in continues all night.

Mitohy foana ny Sit in mandritra ny alina. Sary: FaceBookTaimour Mubashar

Islamabad

Women and children during a peaceful sit-in.

Ankizy amam-behivavy nandritra ny sit-in milamina. Sary: ‏@Zulfi25

Trying their best to fight the cold climate.

Nanao izay mety manoloana ny toetr'andro mangatsiaka. Sary: ‏@Mehr_Shah

Peshawar

A youngster participates in the protest.

Zazakely nandray anjara tamin'ny fihetsiketsehana. Sary: ‏@Khushal

Peshawar Sit-in.

Sit-in tao Peshawar. Sary: Hassan Turi (‏@spin_ghar)

Quetta

People sitting in Quetta with the cadaver of their loved ones.

Vahoaka mipetraka ao Quetta miaraka amin'ireo nofo mangatsiakan'ny havany. Sary: Humayoun Behzad (‏@behzadjee)

Hunger strike organized by Hazara Development Party (HDP) in Quetta.

Fitokonana tsy hisakafo nokarakarain'ny Antokon'ny Fandrosoana Hazara (HDP) tao Quetta. Sary: Humayoun Behzad (‏@behzadjee)

People sitting firm. Night temperature in Quetta stays below zero degree centigrade.

Vahoaka mipetraka mivihivihy. maripana ambanin'ny zero amin'ny alina tao Quetta. Sary: Humayoun Behzad (‏@behzadjee)

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.