Laos: Aiza i Sombath Somphone?

 

‘Tadiavo i Sombath Somphone’

Ny 15 Desambra 2012 no nahitana farany an'i Sombath Somphone, ilay mpahay fiharian-karena fampandrosoana sy mpanabe avy ao Laos. Iray volana taorian'ny fanjavonany hafahafa, dia nangataka tamin'ny governemanta Laosiana ireo namany sy mpanohana an'i  Sombath Somphone eran-tany mba hanamafisana ny fitadiavana azy.

Ny takarivan'ny sabotsy 15 desambra tao Vientiane no nahitana farany an'i Sombath Somphone, rehefa namonjy fodiana nitondra jeep (fiarakodiany) izy. Avy hatrany dia nampandre polisy, nikaroka teny amin'ny hopitaly, sy teny amin'ny ambasady ny fianakaviany sy ny namany, saingy tsy nisy nahafantatra izay misy an'i Sombath.

Roa andro taoriana, hita tao amin'ny kamera mpanara-maso ny sary iray izay ahitana an'i Sombath samborin'ny polisy sy nalaina an-keriny avy eo.

Sombath no nanangana ny ivon-toeram-piofanana fampandraisan'anjara amin'ny fampandrosoana ao Laos ary nankatoavina ny asany maharitra eo amin'ny sehatry ny fanabeazana sy ny fampandrosoana ny fiaraha-monina rehefa nahazo ny loka 2005 Ramon Magsaysay, izay fantatra ho Loka Nobel Azia izy.

Mieritreritra ny vadin'i Sombath, Ng Shui Meng, fa tsy tena marina ny fiantsoana an'i Sombath ho mpikatroka. Manazava ny filozofian'ny tetikasa maro ataon'i Sombath ny vadiny:

Ny filozofian'i Sombath amin'ny fampandrosoana dia ny fampiroboroboana fampandrosoana maharitra sy voalanjalanja. Tsy mbola nitsipaka velively ny fampandrosoana ara-toe-karena i Sombath, saingy kosa mikiry mafy ny fampandrosoana ara-toe-karena hifandanja amin'ny fahasalamana ara-panahy, ny fivoarana ara-tsosialy, ary ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny kolontsaina.

Hita tao amin'ny kamera  mpanara-maso ny fakana an-keriny an'i Sombath:

Namoaka ity fanambarana ity amin'ny anaran'ny governemanta momba ny raharaha Sombath ny Ambasadaoron'i Laos ao amin'ny Firenena Mikambana ao Geneva, Yong Chanthalangsy:

Mahatsiaro ho voakasika lalina amin'ny fanjavonan'i M. Sombath ny fitondrana laosiana ary manome anjara toerana lehibe amin'ny fanadihadiana efa mandeha mandra-pahita ny marina mahakasika ity toe-javatra ity.

Amin'ity zava-mitranga ity, ny manam-pahefana voakasika izay sampana mpiaro sy mandrindra ny lamina ara-tsosialy dia manana adidy araka ny lalàna amin'ny fikarohana ny marina, ka hitondrana izay nahavanon-doza eo amin'ny fitsarana ary hamerenana ny rariny amin'i M. Sombath sy ny fianakaviany araka ny lalàna.

Manontany ny tsy nahazoan'ny polisy ireo mpaka an-keriny an'i Sombath i Thomas Wanhoff:

Mbola mitoetra ny fanontaniana hoe nahoana no tsy niraika ny polisy rehefa nahita an'ireo nangalatra fiara ka nanery an'i Sombath hiditra ao. Tsy maintsy nampandre ny polisy izy raha nisy naka an-keriny.

Sombath, “Sombath mpanazatra ny mpanazatra”

Nahatonga fihetseha-po maro tao anatiny sy ivelan’ i Laos ilay vaovao fakàna an-keriny an'i Sombath. Isan'ireo nandrisika ny governemanta Laos amin'ny hitadiavana an'i Sombath ireo manam-pahefana sy fiaraha-monim-pirenena avy amin'ny firenen-kafa. Efa mihoatra ny 60 izao ireo fikambanana nanao sonia ilay fanentanana ho fitadiavana an'i Sombath ao Thailandy

Izahay, fikambanana fiaraha-monim-pirenena eto Thailandy, dia mandrisika ireo manam-pahefana laosiana voakasika mba haka ny fepetra rehetra maika mahakasika ny nanjavonan'i M.Sombath ity. Miandry am-paharetana ireo ezaka rehetra ilaina sy haingana tokony horaisina amin'ny fikarohana ny mahazo azy sy ny hanadihady ny anton'ny nanjavonany.

Farany ary ambonin'izy rehetra, manantena izahay fa hiverina tsy maninon-tsy maninona ary hipoitra Atoa Sombath ka hanohy indray ny iraka nampanaovina azy tsy mana-pijanonana. Izany dia ho fampaherezana tsy ireo izay manana iraka mitovitovy aminy ihany, fa amin'ireo izay maka andraikitra manao izay hahatsara kokoa ho antsika rehetra ity izao tontolo izao ity

Writing for New Mandala, Simon Creak and Keith Barney asks if Sombath’s disappearance is related to his advocacy for the protection of land rights of ordinary villagers:Tamin'ny fanoratana ao amin'ny New Mandala, manontany tena i Simon Creak sy Keith Barney sao dia misy hifandraisana amin'ny fisoloany vava amin'ny fiarovana ny zon'ny tambanivohitra tsotra amin'ny taniny izao fanjavonan'i Sombath izao:

Hitahita taratra ny fifandraisana eo amin'ny fanjavonan'i Sombath sy ny nidirany an-tsehatra tao amin'ny AEPF (Fifanakalozan-kevitry ny vahoaka Eoropa sy Azia notontosaina tany Vientiane tamin'ny Novambra lasa teo), indrindra ny fanohanany ireo olona izay nanao fanambarana ho hisolo vaova hiaro ny zon'ireo tambanivohitra izay mijaly amin'ny fahaverezan'ny tanindrazan'izy ireo sy ny loharanom-bolan'izy ireo. Araka ny nampatsiahivan'ny vadin'i Sombath ampahibemaso, dia nandray anjara tao amin'ny Vaomieram-Pirenena Fanomanana ny AEPF ireo tompon'andraikitra ara-panjakana, noho izany tsy tokony ho niala tamin'ny lalany ny lanonana amin'ny ankapobeny

Mamakafaka ny vokatry ny fanjavonan'i Sombath eo amin'ny tambajotran'ny fiaraha-monim-pirenena ao Laos i Harrison George:

Arak'izany, dia mampalemy tokoa ny akony.Tsy misy afa-maminavina ny ao Laos hoe izay indray ny manaraka.Tsy misy mahafantatra ny olona hoe aiza ny tsipika tsy azo ihoarana. Ny sasany mandao ny fireneny, ao ireo manao sambo milentika, mifindrafindra trano voaaro amin'ny fanantenana fa mbola taratara ny mpitandro filaminana.Ary manakombom-bava ny rehetra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.