Tsy Misy Fahazoan-dàlana Hivoaka: Miteny Ireo Kiobàna Any Am-pielezana

Taorian'ireo vinavina, nitranga ihany ilay izy nony farany. Nofoanan'ny governemanta Kiobàna ny filàna fahazoan-dàlana hivoaka – indrindra fa ny fanomezan-dàlan'ny fanjakana – handao ny firenena. Ireo bilaogera, avy amin'ny Kiobàna any am-pielezana no ankamaroan'izy ireny, dia nizara ny fomba fisainany mikasika ity fivoaran-draharaha vaovao ity.

Havana Times (bilaogy iray ao amin'ilay nosy) dia nanolotra vitsivitsy momba izay manodidina ity toe-draharaha ity:

Tsy hila fahazoan-dàlana hivoaka intsony, sy fanasàna avy amin'izay fitodiana tokony halehany vao ho afaka hivoaka.

Nanambara drafitra ho fanesorana ireo fitsipika fameperana ny fahafaha-mivezivezy ny governemantan'ny Filoha Kiobàna Raul Castro tamin'ny tapaky ny Febroary, izay ao anatin'ireo fanavaozana tena nirian'ny olom-pirenena fatratra avy amin'ny firenena Kaomionista.

Hatramin'ny Alatsinainy, pasipaoro manan-kery sy fanomezan-dàlana avy amin'ny firenena hotsidihany ihany no ilain'ny Kiobàna mba hahafahan-dry zareo mivahiny amin'ny fotoana voafetra any ivelany.

Eo ambanin'ilay lalàna vaovao, ho afaka ihany koa ry zareo Kiobàna hijanona any ivelany mandritra ny 24 volana, miohatra amin'ilay 11 volana nihatra hatramin'izao.

Ankoatra izany, ireo niala an-tsokosoko an'i Kiobà tamin'ny fomba tsy ara-dalàna nanomboka tamin'ny 1994 koa dia ho afaka hiverina.

Mbola tsy azo antoka kosa na mety hahazo alàlana hivoaka tsy misy faneriterena ho any ivelany ireo olona manana fahaizana asa manokana, toy ireo Kiobàna dokotera sy ireo atletany faran'izay manan-daza. Mipetraka koa ny fisalasalàna tahaka izany ho an'ireo mpanohitra ao amin'ny firenena.

Nisarika kiana avy amin'ireo bilaogera any am-pielezana ny fampitandremana tahaka izany, na dia midika fahamoràna kokoa amin'ny fifampitsidihan'ny mpianakavy, ireo mpianakavy izay nosarahan'ny fifindra-monina na ny fanaovana sesitany aza ilay hetsika. Kely finoana ihany, ohatra, i Babalu :

Ny fàham-baovao ao Kiobà tamin'ity maraina ity dia tondraky ny tatitra mikasika ireo ambara ho fanavaozana ny resa-pifindramonina nataon'ny fitondràna jadon'i Castro izay niditra ho manankery nanomboka omaly tao amin'ilay nosy. Amin'ny ampahany betsaka, nataon'ireo mpanao gazety ho toy ny kihon-dàlana goavana amin'ny tantaran'i Kioba tato anatin'ny 50 taona mahery nisian'ny tsy refesi-mandidy ity tranga ity. Io dia na dia eo aza ny hoe mbola mifehy tanteraka hatrany ny ‘iza no ho afaka handao na tsia an'i Kiobà’ ny fitondràn'i Castro, sady tsy misy fambara na kely aza hoe ilay ‘fanavaozana’ dia tena hanavao zavatra betsaka tokoa. Na izany aza, tsy ilain'ny fampahalalam-baovao ny manindry be manampy tosika rehefa fideraderana ny hatsaran-toetra sy fitseran'ny fitondrana jadon'i Raul Castro no resahana, ary ity tantara mampiahiahy ity dia fialàna bàla fotsiny toy ireo tantara hafa mampiahiahy momba ny fitondràna jadona Kiobàna ho famelomana indray ny antoko iray.

Kanefa,  araka ny ambaran'izy ireo, dia ho ao anatin'ny ‘pudding’ ny porofo.

Ny taratasy avy amin'ny “Cuban Exile Quarter” (isan-Telovolan'ireo Kiobàna an-tSesitany) dia nanohitra ny fanambarana an-gazety iray nataon'i John McAuliff (avy ao amin'ny Tahiry ho an'ny Fampihavanana sy Fampandrosoana, izay tondroin'ilay bilaogera ho mpandōlo “mba hisian'ny fifanarahana eo amin'ny governemanta Amerikana sy ny mpanao jadona ao Kiobà”), izay nilazàny fa  “manome fahafahana midadasika saika ho an'ireo olom-pireneny rehetra mihitsy i Kiobà mba ho afa-mivezivezy, mitaha amin'ny ataon'i Etazonia.”:

Miaraka amin'ny fanajàna rehetra tokony hatolotro an'Ing McAuliff, tsy mifanaraka amin'ny zava-misy marina ka mety hahatonga azy hihomehezan'ny Kiobàna marobe ilay fanambaràna etsy ambony. Ohatra, i Rosa María Payá tsy navelan'ny governemanta Kiobana hivahiny tany Santiago, Shily teo anelanelan'ny 8 sy 15 Janoary. Tsy ny Kiobàna irery no handiso ny fitakiany.

Etazonia tsy manisy sakantsakana mihitsy amin'ny fivezivezezin'ireo mpitsabo sy mpanao fanatanjahantena mankany ivelan'ny fireneny. Tsy vao voalohany izao no nitsoraka tamin'ny fanambaràna iray nataon'ny fitondràna Castro ireo mpanao gazety sy ny ‘manampahaizana manokana momba an'i Kiobà’  sady ninia tsy hahalala ny vaovao izay mandiso ireny vinavina feno fanantenana nataon'izy ireny.

Namàrana ilay lahatsoratra hoe:

Na io resaka sivana na fahalalahana hivezivezy, dia nanao izay hiresahana betsaka ny aminy tokoa ny fitondrana ao Kiobà, saingy mitoetra tsy misy tomika ny politika mifanandrify amin'izany mametraka ny fanarahamaso sy ny famoretana.

Ireo fiovàna nentin'ny fitondrana jadona Kiobàna dia ireo fepetra vaovao hifehy ny lalao taloha efa fanao hatrizay ihany: fifikirana amin'ny fahefana.

Capitol Hill Cubans, mandritra izany, dia nandrohy nankany aminà lahatsoratra iray nivoaka tamin'ny fampahalalam-baovao mahazatra izay nanosoka ny hoe nisy fandaniana tsy nampoizina – ary araka ny fahita azy rehetra dia toa midangana – nifandray amin'ilay lalàna vaovao momba ny fifindrà-monina. Ny Malecon, anefa, feno fanantenana, ary nampiasa bitsika iray avy amin'ilay mpanohitra Yoani Sanchez (izay efa imbetsaka no nolavina tsy nomena fahazoan-dàlana hivoaka) ho fanamarinana ny fitokisany:

Mivoatra faran'izay miadana i Kiobà – ary angamba tsy haingana araka izay nantenain'ny sasany – saingy miova izy.
Ny porofo farany indrindra:
Yoani Sánchez, vehivavy Kiobàna bilaogera, miteny fa ho avela hivoaka ny firenena izy ary hiverina, eo ambanin'ity lalàna vaovao mifehy ny fifindra-monina ity, izay niditra nanan-kery tamin'ny 14 Jan.
Nibitsika ny fientanentanany i Sánchez:
Ity ve no ho fianjeran'ny rindrin'i Berlin aty amintsika? Tsy fantatro!

Ny iray amin'ireo bitsika tian'ilay bilaogera holazaina dia tsy isalasalàna fa ity fanavaozam-baovao ity :

@yoanisanchez: #Cuba Calculo que en la 1ra semana de febrero tendre mi pasaporte y ya podre viajar… cruzo los dedos. Cuando este en el avion lo creere!

@yoanisanchez: #Cuba Manao kajikajy hoe amin'ny herinandro voalohany amin'ny volana Febroary aho no hahazo ny pasipaoro hahafahako mivezivezy… mivavaka mafy. Rehefa any anaty fiaramanidina aho vao hino azy ity!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.