Nizeria: Notànana Noho ny Fangalàna Sary Nataony Ilay Mpisera Twitter

Nisahotaka tanteraka ny tontolon'ny bilaogy Nizeriana noho ny fisamborana an'i Egghead Odewole (@eggheader) noho izy naka sarinà milina mandeha amin'ny rivotra mbola eo am-panamboarana ao Kastina, Avaratr'i Nizeria.

Niteraka korontana ity sioka ity:

@eggheader: Nosamborin'ireo polisy sasany izaho sy ny namako fa naka sarinà toerana misy milina mandeha amin'ny rivotra. Andeha hoentina eny amin'ny Borigady Rimi izahay.

Sary nalefa tao amin'ny Instagram avy amin'i @eggheader, minitra fohy taorian'ny fisamborana azy.

Andianà sioka nifanarakaraka:

@eggheader: Toa misy toe-draharaha tsy mifanaraka mikasika ny tetikasa. Mihenjana ny tobin'ny polisy, nisy naka an-keriny ireo frantsay niala an-tanindrazana, najanona ny tetikasa

@eggheader: Taorian'ny famotorana voalohany tao amin'ny Borigadin'i Rimi, hoentina hafindra eny eny amin'ny CID an'ny fanjakana izahay.

@eggheader: DPO ao amin'ny tobin'ny Rimi , nilaza ny DSP Hamisu, fa “nanomboka tamin'ny nisian'ny toe-draharaha mampalahelo, toa mampanahy avokoa ny fahitana ireo asa mifandraika amin'ny tetikasa”

@eggheader:  Taorian'ny famotorana voalohany tao amin'ny Borigadin'i Rimi, hoentina hafindra eny eny amin'ny CID an'ny fanjakana izahay

@eggheader: Mbola tsy misy fiampangana hatreto. Ahiahiana fotsiny izahay.

@eggheader: Araka ny filazan'i DSP Hamisu, vao 1-2 herin'andro teo no nitsahatra ilay tetikasa raha nisy naka an-keriny ilay mpanolo-tsaina frantsay. Tsy fantatra intsony izay misy azy nanomboka teo.

@eggheader: Aty amin'ny CID an'ny fanjakana izahay amin'izao fotoana izao.

Nalaza tokoa ireo sioka ireo ary niteraka valinteny vetivety avy aminà mpisera Twitter Nizeriana iray izay sady natahotra no nitebiteby. Manoloana ny fanitsakitsahana mibaribary ny zon'i Egghead Odewole, tsy mitovy amin'ny fitsidihana mozea ny fitànana ataon'ny polisy ao Nizeria.

Niharatsy hatrany ny toe-draharaha satria tsy azo tamin'ny finday intsony izy.

@AbangMercy: @rosanwo: Tsy afa-mifandray amin'i Egghead amin'ny finday mihitsy aho. Tsy mandeha ny findainy. Mitaintaina aho ankehitriiny

Nalefany ity sioka ity mba hampitòny ny tebiteby:

@eggheader: AMIN NY ALALAN NY RADARAKO: Navotsotry ny Polisin'i Katsina izaho sy ny namako

Tsy nampitsahatra avy hatrany ny tebiteby anefa izany raha tsy nisy ity fanamisam-baovao hafa ity:

@omojuwa: Raha vao afaka miditra aterineto i Egghead dia handefa sioka. Andeha ho an'i Kano izao. Salama tsara izy
 
 @abati1990: @ujuokagba: Niresaka taminy aho. Salama tsara i Ali…
 

Nandritra izany, mbola mitohy ao amin'ny Twitter ny adihevitra mikasika ny fitànana azy; ny sioka sasany miaro ny polisy, ny hafa kosa milaza fa tsy ilaina ny fanararaotam-pahefana ataon'ny tompon'andraikitra amin'ny fampiharana ny lalàna ao Nizeria. Tsy mahavaha olana sy ny tsy fandriampahalemana azo tsapain-tanana ao Nizeria ny fampitahorana .

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.