Hisongona An'i Etazonia i Shina Amin'ny 2049?

Tsy hoe mifaninana fotsiny amin'i Etazonia i Shina, fa koa nanao fikarohana momba ny fotoana takiana hihoarana azy ireo. Araka ny nambaran'ny masoivohom-baovao Shinoa Xinhua, ny tatitra iray navoakan'ny Akademia Shinoa Momba ny Siansa tamin'ny 8 Janoary 2013 dia miteny fa tahaka ny hisongona an'i Etazonia amin'ny sehatra rehetra i Shina amin'ny 2049, ary ho avy ny fiverenan'ny firenena Shinoa amin'ny fahatanorany. Tonga miaraka aminà fandaharam-potoanan'ny dingana mavesa-danja mandeha amin'ny antsipirihany ilay fikarohana.

Raha mbola velona i Mao, mety ho nihevitra tanteraka izy fa hoe ela loatra ilay dingana. Tahaka izay nomarihany tamin'ny 1957, efa naminavina izy fa ho 15 taona no ilaina hanenjehana sy hihoarana an'i Angletera.

Nanazava [zh] ilay fanambaràna i Yang Duogyui, lehiben'ilay vondrona mpikaroka :

我们国家提出“民族伟大复兴”,我个人认为,‘复兴’,就是做当之无愧的世界第一。至于2049年能不能实现,未来几十年中不确定因素很多,我们这个报告是按照当前发展情况不变来分析的。”“‘国家健康’是一个新概念,大家有些异议很正常。

Rehefa miteny isika hoe “fiverenan'ny firenena Shinoa ho amin'ny fahatanorany”, izaho manokana dia mihevitra hoe “fiverenana amin'ny fahatanorana”  dia midika tsy amim-pisalasalàna ny maha-laharana 1 eto amin'izao tontolo izao. Ary raha ny amin'ny hahatanteraka an'izany na tsia, betsaka ny singa tsy azo antoka amin'ny hoavy. Ny tatitray dia mifototra amin'ny zava-misy amin'izao fotoana amin'ny resaka “fahasalamana eto amin'ny firenena”, izay trangan-kevitra iray vaovao; voajanahary ho an'ny olona ny hanam-pisalasalàna mikasika azy ity.

A screenshot of the report "China to Surpass the US by 2049" from Youku

Sarin'ny fàfana avy amin'ilay tatitra “Hihoatr an'i Etazonia i Shina amin'ny 2049″ avy amin'i Youku

Nampiany fa hanohy ny hikaroka hatrany ilay vondrona. Na teo aza ny fanazavàny, niteraka eso mahatsikaiky tao amin'ny Sina Weibo ilay fanambaràna,  nahitàna ireo mpisera ety anaty aterineto nikiaka ny hiatrehana ny tena olana ao Shina. Na ny Masoivohom-Baovao Xinhua aza dia nanoratra tao amin'ny Weibo [zh] hoe :

令人忍不住对照现实….先解决问题,不要动辄谈“超越”,更别轻易说“复兴”。

Manery ny olona hibanjina ny tena zava-misy iainana [ilay tatitra] … Vahao aloha ny olana ara-tsosialy alohan'ny hiresahana mikasika ny “fisongonana” sy ny  “fiverenana indray ho tanora”.

Huang Yigang, mpanao gazety zokiolona,  nanely ny hoe [zh]:

“赶英超美”的梦幻曾经给中国人民带来深重灾难,今天还有一些人利用这个自我陶醉、忽悠百姓,目的无非是掩盖社会矛盾与执政无能.

Nitondra loza maro hoan'ny vahaka Shinoa ny nofinofin'i Shina “hisongona an'i Angletera sy Etazonia”; ankehitriny, mbola misy ihany ny olona sasany miroso mampiasa ity fialàna bàla ity handemena saim-bahaka. Ny tanjona dia ny hnafenana ny olana ara-tsosialy sy ny tsy fahombiazana ara-politka.

Niteny koa i [zh] Yue, mpianatra iray:

中科院最无意义的研究之一!超越美国其本身是毫无意义的!中科院敢不敢研究一下中美房价物价环保医疗养老?!解决这些问题这才是中国发展的最终目的!

Ity no fikarohana faran'izay tsy misy dikany indrindra vitan'ny Akademia Shinoa Momba ny Siansa. Na ilay hoe hisongona an'i Etazonia fotsiny aza dia efa tsy misy dikany. Dia sahin-dry zareo ve ny hamoaka fikarohana hampitahàna ny vidin-trano, ny vidin-tsakafo, ny tontolo iainana, ny fiahana ara-pahasalamana ary ny fihenjanana eo amin'i Shina sy Etazonia?! Ny famahàna ireny olana ireny no tanjona farany ho an'ny fandrosoan'i Shina.

Fen, mpandalim-baovao, dia nanoratra hoe [zh]:

50多年前就说要在15年内超英赶美,现在又说要在30年后全面超美,时代变了,弱国心态没变。

Dimampolo taona lasa izay, nambarantsika fa ho afa-hisongona an'i Angletera sy Etazonia isika ao anatin'ny 15 taona, ankehitriny indray isika milaza fa hisongona an'i Etazonia afaka 30 taona. Nandeha ny fotana, saingy mbola mitoetra foana ho ny teo ihany ny toe-tsaina mirefarefan'ny firenena.

Nanorara [zh] i Qishi Songzang, mpikatroka mafana fo ety anaty aterineto, hoe :

国力再强,百姓无民主无自由,那也只是一堵镀金的朽墙,我们照样活在1911之前。

Raha tsy misy demaokrasia sy fahalalahana, tsy misy ilàna izay firnena matanjaka any, ankoso-bolamena fotsiny hany izany. Tianay raha mitohy miaina tahaka ny tany alohan'ny 1911 izahay.

schumanzou, mpisera ety anaty aterineto, naneho hevitra [zh] tamim-panesoana hoe :

官员福利,环境恶化早已超越,这还需要再超越吗?

Ny harena ara-tsosialin'ireo manampahefana sy ny fiharatsian'ny tontolo iainana dia nahasongona an'i Etazonia, inona hafa koa no mbola tianareo hihoarana?

Zhou Yantao, mpisera iray hafa ety anaty aterineto, no naneho [zh] ahiahy momba ny hoavin'i Shina :

中国会剩下什么?再过20年,中国还有什么?算一笔很简单的帐,目前中国5%的人掌握了中国95%财富,而这5%的人已经移民或者正在办理移民,这意味着,20年后这95%的财富不再是中国人所有,那是,中国还有什么?数亿老人+一片被污染的山川河流+地底下没有资源的土地。是黑是白民众最清楚!

Inona sisa no mba tavela ho an'i Shina afaka 20 taona? 5% amin'ny Shinoa no mifehy ny 95% amin'ny harena ao Shina, ary 5% nifindra monina na eo an-dalam-pifindrana monina, midika izany fa 20 taona aorian'izao dia 95%amin'ny harena ao Shina no tsy ho an'ny Shinoa intsony? Inona sisa no ho tavela? Olona antitra an-tapitrisa, tendrombohitra sy renirano voaloto, ary tany iray tsy misy harena ankibon'ny tany intsony. Ny sarambabem-bahoaka no mahalala misimisy kokoa!

Zhan Hao, mpanoratra iray malaza, manana mpanjohy maherin'ny 200.000 ao amin'ny Weibo, nandalina hoe [zh]:

看新闻后边留言,会发现中国人自卑心态多么普遍,这种自卑在中国真正强大后又会变成自大!永远的负能量!

Aorian'ny famakiana ny sasany amin'ireo fanehoan-kevitra  mikasika ilay vaovao, ho hitanao hatraiza ny fahatsapan'ny vahoaka Shinoa ny fahambaniany, ary rehefa lasa matanjaka ara-bakiteny tokoa i Shina, hivadika ho fieboeboana io fahatsapàna fahambaniana io, izay angovo ratsy mandrakariva.

i Georgi McCarthy no nanatanteraka ny vakiteny fanamarinana ny teny Anglisy tamin'ity lahatsoratra ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.