Nitsoaka Tao Amin'ny Tafik'i Assad Aho Omaly

Ao anatin'ny fiaraha-miasanay amin'i Syria Deeply; miaraka mamoaka andian-dahatsoratra mandrakitra ny feon-tsivily voaforiporitra anaty fifandirana izahay, ahitana ny fomba fijerin'ny mpanoratra avy amin'ny lafy valon'izao tontolo izao momba ny ady..

Resadresaka nifanaovan'i News Deeply sy tovolahy iray 20 taona nitsoa-pahanaa tao amin'ny toby miaramilan'ny tafika Syriana ary nanatevin-daharana ireo mpioko ity eto ambany ity. Noho ny fangatahany, tsy ambaranay eto amin'ny lahatsoratra ny anarany.

Nihaona tao anatinà trano ampiasain'ny Tafika Syriana Afaka (FSA) ao amin'ny lavaka tendrombohitra ao Jebel Turkman, ao amin'ny faritanin'i Lattaquié izahay. Raha nampihontsakontsana ny varavarakely ny baomba, manazava anay ny fahasarotan'ny fomba fisainan'ireo miaramilan'i  Bashar al-Assad ratovolahy: zatovo lahy, tsy maintsy nanao fanompoam-pirenena, niandry fatratra ny hanatevin-daharana ny mpanohitra.

“Voalohany teo amin'ny fiainako no nahitako mpanao gazety na Amerikana” hoy izy sady somary menatra. “Tao anatin'ny tafika Syriana foana aho nandritra herintaona. Tamin'izaho niditra voalohany, dia te-hiala aho—raha nahita ny fitomboan'ny FSA. Talohan'ny nidirako tao, nieritreritra aho fa hifarana ny revolisiona ary handresy i Assad.”

Nilaza izy fa shabiha iray [jiolahim-boton'ny fitondrana] no tendrena hanara-maso zazavao iray, mba hiantohana fa tsy handositra izy ireo. Nitranga izany taorian'ny fandosirana faobe izay toa nandrava ny fifampitokisan'ny tafika.

“Matahotra ny Tafika Syriana Afaka ireo miaramila. Maro amin'izy ireo no te handositra, saingy mijanona eo akaikinay ny shabiha, manara-maso anay toy ny mpiandry tanàna mba tsy handosiranay.”

Faharavan'i Douma, Damaskosy. Sary avy amin'i Shaam News Network

Zara fa mifampitantara toy izany ry zareo zazavao.

“Ny fianakaviako ihany no tiako resahana momba izany. Tsy afaka ny hitantara izany amin'ny hafa aho, na dia te-hiàla aza izahay rehetra. Ao Damaskosy ny fianakaviako, ary miara-dia amin'ny revolisiona avokoa izy rehetra. Faly izy ireo fa nandao ny tafika aho.”

Tsy mba naniry hamono ireo mpioko izy, izay tohanany an-kiafina, ary nilaza izy fa nampiasa paikady isan-karazany ireo miaramila sasany tao amin'ny tafika mba tsy hitera-boina be loatra.

“Tsy ho ataoko mandrakizay izany [mitifitra mba hamono olona]…Rivotra no tifiriko, mitifitra zavatra hafa aho fa tsy ireo mpifanandrina. Maro ireo olona no manao tahaka izany—tsy mahamarika izany anefa ireo lehilahy mpanara-maso.

“Manana fahefana ireo miaramila manamboninahitra ary milaza foana izy ireo hoe, ‘handresy isika, hody any an-trano isika [rehefa mandresy]’. Saingy mahafantatra ireo mpiady fa efa tena akaiky izany.”

Tao amin'ny tafika ao Idlib no tena nandaniany ny fotoanany, ary nijanona tao an-tendrombohitra ao Lattaquié izy tao anatin'izay roa volana izay. Nandritra izany fotoana izany, hoy izy, “Tsy mba afaka niala-sasatra aho. Tsy mbola nankany an-tanàn-dehibe aho.”

Talohan'ny nitondrana azy tao anatin'ny trano mba hiresadresaka aminay, natahotra mafy ny amin'ny fiarovana ahy aho noho ny fisiany. Ahoana ny fomba hiantohan'ny lehiben'ny andia-miaramila FSA izay nampihaona anay fa tsy misahana asa roa [manao fitsikilovana] ny mpiadiny vaovao, ka manome vaovao mikasika anay any amin'ny fitondrana? ” Efa niresaka tamin'ny rainy tao Damaskosy aho,” hoy ilay lehiben'ny FSA tamiko. Niezaka nanome toky ahy, nilaza izy fa noho ny fiarovana ao amin'ny toby miaramila, sy ny endriky ny toerana, ireo lehilahy tena vonona ihany no afaka mandositra. Nilaza izy fa tena sarotra dia sarotra ny mitsoa-pahana ao.”

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.