Myanmar: Taom-Pihetsiketseha-Panoherana ny 2012

Ny fandresen'i [mg] Aung San Suu Kyi tamin'ny fifidianana, ny tatitra fanenjehana ny Rohingya ary ny fitsidihana ara-pomba ofisialy nataon'ny filoha Barack Obama no hotsaroan'ny fiarahamonina iraisampirenena momba an'i Myanmar tamin'ny 2012. Tsy fahita firy tokoa ireny tantara ireny fa afa-nanangom-baovao momba izany ny Global Voices ary afa-nandika ny fihetseham-pon'ny mpiserasera tamin'ireny lanonana sy adi-hevitra isan-karazany ireny. Saingy teo am-pijerena ireo tantra navoakanay tamin'ny tanoa lasa, dia azonay ambara ihany koa fa namakivaky ny taom-pihetsiketseham-panoherana i Myanmar nandritra ny taona 2012.

Nisy ny vondro-piarahamonina nitsangana nanohitra tetikasam-pampandrosoana sasantsasany. Ohatra ny tetikasa fitrandrahana varahina[fr] ao Letpadaung notohanan'i Shina izay notoherin'ny mponina tao an-torana tamin-kerimpo. Naparitaky ny tafi-panjakana tamin-kerisetra ny tobim-panoherana iray naorinn'ny Moanina.

Hetsika fanoherana ny fahatapahan'ny jiro tany an-tanàndehibe. Sary avy amin'ny pejy Facebook an'ny CJ Myanmar

Nisy fiaraha-mirohotra nanohitra tampoka nipoaka[fr] tany amin'ny tanàndehibe maro ho setrin'ny fahatapahan'ny jiro tamin'ny fahavaratra farany teo. Ampangain'ny mponina ho tsy fahaiza-mitantan'ny mpitondra ny fahatapahan'ny angovo sy fanapaha-kevitra hanodina ny herinjiro sasany hankany Shina.

Balônina manga navotsotra ho sariohatry ny fandriampahalemana tamin'ny Andro Iraisampirenen'ny Fandriampahalemana. Saripika – Pejy Facebook CJ Myanmar

Nomanina ny famoriam-bahoaka milamina ho fanohanana ny fifampiresahana eo amin'ny governemanta sy ny mpioko. Vondrona samihafa no namonjy ny fivoriana fankalazana ny Andro Iraisampirenena ho amin'ny fandriampahalemana, na dia nosakanan'ny polisy aza ny Andron'ny fandriampahalemana. Asongadin'ireny fandraisana an-tanana ireny fa nahatonga fitsoaha-ponenan'olona an'arivony ny ady an-trano[mg] any Myanmar. Nadikanay ny lahatsoratra tamin'ny teny Birmana mandratiranty ny fiainan'ny mpitsoa-ponenana any amin'ny tobin'ny mpitsoa-ponenana[fr].

Nisy ny hetsika kelikely maromaro niteraka adihevitra teny amin'ny mpiara-belona, indrindra fa an-tserasera: notazonina nandritra ny fotoana fohy ny vehivavy nandray anjara tamin'ny hetsi-panoherana ny fitrandrahana harena an-kibon'ny tany, niezaka nanakana ny fahatsiarovana ny faha-50 taonan'ny famoretana ny hetsiky ny mpianatra, ary maro ny olona niaka-pofona tamin'ny fitaterana ny famarotana ny ‘kiraron'i Boddhà’

Nampahatsiarovina tsy hanely hafa-pankahalana ao amin'ny tambajotran-tsosialy ny mpiserasera. Sary avy amin'i New Mandala

Niteraka adihevitra mafonja indrindra teo amin'ny firenena ny herisetra tany amin'ny faritra andrefana raha toa ka niray feo tamin'ny fanamelohana ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona atao amin'ireo mponina Rohingya izao tontolo izao. Mahagaga anefa fa nisara-kevitra momba ny Rohingya, izay mitolona ho ankatoavina ho toy ny vondrom-poko vitsy an'isa ny fihevi-bahoaka ao an-toerana, ary na ny olo-malaza avy ao amin'ny mpanohitra aza tsy naneho ny fanohanany feno amin'ny zava-manjò ny Rohingya. Nanontany tena ireo mpikatroka ivelan'i Myammar amin'izay tian'ny olomangan'ny demokrasia Aung San Kyi lazaina momba ny “fampiharan-dalàna” [mg] rehefa miresaka ny momba ny Rohingya.

Na eo aza ny adi-hevitra[mg] momba ny Rohingya dia tsy tokony hampanadino antsika fa mampifindra monina olona any ambanivohitra tsy manan-tsiny an'arivony izay mahazo ny Rohingya no mahazo ny Rakhine ny fifandirana ao an-toerana.

An'arivony ireo niarahaba ny fahatongavan'ny Filohan'i Etazonia Barack Obama tany Myanmar, lanonana izay manamarika fa ankatoavin'ny mpitondran'izao tontolo izao ny fanitsiana nampiharin'ny governemanta sivily tao an-toerana. Nazoto niresaka tamin'ilay oroka[mg] malaza nataon'i Obama tamin'i Aung San Suu Kyi ihany koa ny mpiserasera.

Nisy ihany koa ny fanitsiana vitsivitsy notontosaina tamin'ny taona lasa mendrika ny holazaina tahaka ny famotsorana[mg] gadra politika mihoatra ny 500 sy ny fanatontosana fifidianana[mg] parlemantera ara-potoana tao an-toerana.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.