Matin'ny Tifitry ny Drones Amerikana ny Mpitarika ny Taliban Maulvi Nazir

Araka ny tatitra maro dia voatifitry ny drone amerikana ny mpitarika ny antoko mitam-piadiana Taliban antsoina hoe Maulvi Nazir. Niteraka ahiahy teo amin'ny fifampitam-baovao sosialy Twitter sy ny blaogy maro; ny fomba handraisan'ny olom-pirenena sy ny miaramila ao Pakistan rehefa mandre izany vaovao izany.

The News Tribe Blog mitatitra fa lasibatra ny fiarakodiany:

Peshawar: Key Taliban commander Mullah Nazir was among five others killed in a US drone strike North Waziristan Agency of Pakistan’s north western tribal region during Wednesday-Thursday midnight.

Anisan'ny dimy matin'ny drone amerikana avy amin'ny Fibaikoana any avaratr'i Waziristan, faritry ny foko avaratra andrefan'i Pakistan, tamin'ny sasakalin'ny Alarobia mifoha Alakamisy ny lehibe mpibaikon'ny Taliban Mullah Nazir.

Nanamarina izany i Adil Shahzeb:

@adilshahzeb (Adil Shahzeb): “Maulvi Nazir was killed in Angor Adda in South Waziristan”.”We heard announcements on mosque loudspeakers announcing Nazir's death”

“Maty tany Angor Adda tany Waziristan i Maulvi Nazir”.”Renay tamin'ny fanamafisam-peon'ny Moskea ny fahafatesan'i Nazir”

Manana eritreritra i Omar Quarishi, mpanao gazety sady tonian'ny Express Tribune:

@omar_quraishi (Omar R quraishi): Would be fair to assume that the Pakistanis will be pissed as hell at the drone strike that killed Maulvi Nazir

Aleo manaiky fa ho tezitra tahaka ny helo ny Pakistaney amin'ny tifitry ny drone nahafaty an'i Maulvi Nazir

@omar_quraishi (Omar R quraishi): Maulvi Nazir signed a “peace deal” with Pak Army in 2006 – According to Saleem Shahzad he had property in Kandahar

Nanao “soniam-pifanarahana” tamin'ny Tafika Pakistaney tamin'ny 2006 i Maulvi Nazir – Araka an'i Saleel Shahzad dia manana trano any Kandahar izy.

Nisioka i Omar Waraich, mpanao gazety Pakistaney iray hafa fanta-daza:

@OmarWaraich (Omar Waraich): Whoa. Mullah Nazir killed in drone strike. This is going to piss the Pakistan army off.

Oay. Matin'ny tifitry ny drone i Mullag Nazir. Hahatezitra ny tafika Pakistaney izany.

Manaraka avy eo ny sioka hafa mifandraika amin'ny fifanarahana tamin'ny tafika Pakistaney:

@OmarWaraich (Omar Waraich): Mullah Nazir had long enjoyed a non aggression pact with the Pakistan army. He was released from FC custody to take on Uzbek militants.

Nisitraka ny fifanarahana tsy hifanafika nifanaovana tamin'ny tafika Pakistaney ny Mulla Nazir. Navotsotra avy tao amin'ny fihazonana FC izy haka mpikatroka Uzbek.

Misioka i Ali Mustafa:

@Ali_Mustafa (Ali Mustafa): The death of Maulvi Nazir can be the result of an understanding between Pakistan's military and the Americans – it can… http://lnkd.in/fiVxz7

Mety ho vokatry ny fifankahazoana eo amin'ny miaramilan'i Pakistan sy ny Amerikana ny fahafatesan'i Maulvi Nazir – mety ho…

Etsy andanin'izany manana eritreritra i Asad Munir:

@asadmunir38 (Asad Munir): As a reaction to death of Maulvi Nazir his followers likely to attack Army Posts/troops in Ahmedzai Wazir area of South Waziristan.

Ho setrin'ny fahafatesan'i Maulvi Nazir dia heverina hanafika ny toby/andia-tafika any Ahmedzai Wazir faritra atsimon'i Waziristan ny mpanaraka azy

Na izany aza, nitatitra tao amin'ny bilaoginy ny News Pakistan:

Taliban have neither denied nor confirmed the reports.

Sady tsy nandà ny tatitra ny Taliban no tsy nanaiky

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.