Nanaitra An'i Shina Ny Fanalàna Ny Sivana Tamin'ny “V for Vendetta”

V for Vendetta, sarimihetsika iray mampitaintaina, izay efa voaràra hatrany amboalohany tao Shina,  novokarina tamin'ny 2005 momba ny fiarahamonina nofinofy iray amin'ny hoavy, no nalefa tao amin'ny  China Central Television Station (CCTV) fantsona 6 ny 14 Desambra 2012. Maro no gaga tamin'ny fandefasana azy ity, indrindra ilay sarontava V, izay ampiasain’ ireo mpikomy eran-tany ho mariky ny fanoherana ny famoretana ataon'ny fitondràna.

Fandefasana sarimihetsika tsy marina ara-politika

Ity  video nampakarin'ny loveforchina  tamin'ny Youtube ity dia ohatra iray anehoan'ireo mpikomy ny fampiasana ny sarimihetsika ho fanoherana ny toe-draharaha momba ny zon'olombelona any Shina :

Izay no mahatonga ny fihetsiky ny CCTV ho vetivety dia lasa adihevitra mafana tao amin'ny sehatry ny bilaogy madinika Shinoa Sina Weibo. Napetraka ao amin'io sehatra io ny huati [zh], fifanakalozan-dresaka manaraka lohahevitra, izay nahangona tandavan-dresaka maherin'ny 3469 tao anatin'ny fotoana fohy.

Manasongadina [zh] io tandavan-dresaka io ny Trumpet Micro News (喇叭微新聞 :

V ao amin'ny China Central Television Station. Sary namboarin'i tamin'ny alàlan'ny photoshop avy amin'i Kunshou, mpampiasa Twitter.

NOW!CCTV6正在播出《v字别动队》(又名《V字仇杀队》)。应该算是大陆首播了!

Amin'izao ora izao! mandefa ny  V for Vendetta ny CCTV 6. Angamba izao no fotoana voalohany nandefasana io sarimihetsika io ao amin'ny taniben'ny Shina.

Nanintona olona maro hiserasera io vaovao nisongadina io :

橐橐:禁播才心里有鬼,放开后发现其实也没什么大不了,也许中国不要中共的领导也不会有什么啦,一切都是猜测。

橐橐:Midika ho fisian'ny matoatoa ao am-po [-n'ireo manam-pahefana] ny sivana. Raha vao afaka ny sivana, dia ara-dalàna ny zava-drehetra. Angamba tsy mila ny antoko Kaominista Shinoa hitondra azy Shina, mazava ho azy fa sahoan-dresaka izany eritreritra izany.

叶孤城蝶恋花:知道CCTV6播V确实是激动了半天,感觉天朝还是有希望的,就是没想通怎么要改成个别动队,求解释

叶孤城蝶恋花:Nampientanentana ahy ny nandefasan'ny CCTV 6 ny V ary tsapako taorian'izany rehetra izany fa misy ny fanantenana ho an'ny Fanjakana. Fa tsy azoko hoe nahoana no nosoloina ho “V Don't Move Team” (V字別動隊 – na V Commando Team) ny lohatenin'ilay sarimihetsika ( V Revenge Killing Squad” V字仇殺隊.) Misy afaka manazava ve ?

Hihena ny sivana any aoriana ?

Ankoatra ny lohateny, tsy navoaka ny votoatin'ilay sarimihetsika, araka ny nambaran'ny  China Digital TimesNasongadin'i [zh] LosAngels Angel fa ny Sampan-draharaham-Panjakana misahana ny Radio, ny sarimihetsika ary ny fahitalavitra (SARF) no tompon'andraikitra mivantana mitantana ny fandaharan'ny CCTV 6, izany no mahatonga ilay hetsika hanana fiantraikany ara-politika :

2月14日晚,大陆央视电影频道首次播放了禁片《V字别动队》,该举动引发了了网友们的热议,很多人甚至在怀疑自己的眼睛或者是电影频道的编审们睡过了头。不过,据圈内人介绍,央视电影频道名义上属央视,但该频道播出与制作分离,行政上由国家广电总局负责,

Ny harivan'ny 14 Desambra, sambany mba nalefan'ny CCTV ilay sarimihetsika voasivana, V for Vendetta. Niteraka adihevitra mafana teo amin'ireo mpiserasera amin'ny aterineto io fanapahan-kevitra io, ny sasany tsy nino ary ny sasany niteny fa resin-tory ny mpikirakira ny fandaharana [ny mpanara-maso]. Na izany aza, araka ny ambaran'ny ao amin'ilay TV dia misaraka ny famokarana sy ny fitantanana ny sarimihetsika ao amin'ny CCTV, ny SARF no tompon'andraikitra mivantana amin'ny fitantanana azy.

Na dia ny Global Times, haino aman-jery ambany fanaraha-mason'ny fanjakana aza, dia nanasongadina ny fihetsiky ny mpiserasera amin'ny aterineto ao amin'ny bilaogy madinikany ary nahasintona tsikera vitsivitsy :

南扉:能不能放,不是由老百姓说了算。制度不改革,老百姓只能旁观是明君还是昏君

南扉:Na nalefa na tsia ilay sarimihetsika, tsy fanapahan-kevitry ny vahoaka izany. Raha mbola tsy misy fanovàna eo anivon'ny rafitra, tsy afaka hiteny ny vahoaka hoe tsara na ratsy ny mpanjaka.

我愛壹玖捌柒:该上船的早已经上去了,谁还管你电视放什么电影,既然这样,把那部三个小时的《天安门》也放一下吧。

我愛壹玖捌柒:Ireo izay nanapa-kevitra ny handeha dia efa lasa ary tsy misy miraharaha izay sarimihetsika alefa ny olona. Maninona no tsy alefa ilay sarimihetsika maharitra adiny telo : Tiananmen ?

Cupid_Yes:干脆把局域网也开放点?

Cupid_Yes:Nahoana no tsy sokafana ny Great Fire Wall (fanivànana amin'ny aterineto)?

静静的粉玫瑰:真心希望这是一个好的信号。其实中国一直是一个有深厚文化底蕴的国度,非常怀念春秋战国时期百家争鸣,各种思想家争相涌现的时代。解放思想,文化多元,这个国家才有希望,才会让脚踏实地地人们学会仰望星空。

静静的粉玫瑰:Heveriko fa fambara tsara io. Firenena manan-karena kolontsaina Shina. Tsy hitako ny fotoanan'ny ady Lohataona sy Fararano izay nisian'ny sekolinà fotokevitra betsaka nifaninana izy samy izy. Manam-panantenana ny firenena iray rehefa manalalaka ny fisainana sy  ny kolontsaina isan-karazany. Amin'izay fotoana izay ihany ny olona no ho afaka hijery ny lanitra voaravaky ny kintana, eo am-pipetrahana ambony fototra mafy.

Nalaky ny fandraisan'ny bilaogera ny vaovao. Gaga ihany koa Brendon Connelly raha nahita ilay sarimihetsika :

Tsy azoko an-tsaina hoe olona firy tapitrisa no mety nahita ity tantaranà mpikomy misaron-tava mitarika revolisiona iray manohitra ity fitondrana mpanao kolikoly ity, ary tsy misy azontsika atao afa-tsy ny maminavina izay mety ho fiantraikan'izany eo amin'ny kolontsaina – na angamba tsy hisy. Afaka fotoana fohy angamba, ireny saron-tava V amidy mora ireny dia tsy avy any Shina irery intsony.
Manomboka miova izany ny tantara eo amin'ny fahitalavita Shinoa ? Nandray ny toeran'ny Sekretera Jeneralin'ny Antoko Kaominista Shinoa Xi Jinping ny 15 Novambra teo, ary mety mba hitondra fomba fanao malaladalaka kokoa miaraka aminy izy..
…na angamba tranga maningana ny V. Ny fotoana no hilaza amintsika.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.