E-boky GV Vaovao: Feom-Panantenana sy Fiovàna Afrikana

Ity ny fanomezana tsara indrindra entina hiarahabana ny taona vaovao: E-boky vaovao natokana ho an'ny  faritra Afrika Atsimon'i Saharan. “African Voices of Hope and Change,” na Feom-panantenana sy Fiovàna Afrikana mampanakaiky anao kokoa amin'ireo tantara sy vahoakan'i Afrika atsimon'i Sahara amin'ny alalan'ireo lahatsoratra tsara indrindra amin'ny teny anglisy nandritra ny taona 2012. Raha tokotokony ho 800 ny isan'ny lahatsoratra nivoaka nandritra ny taona tao amin'iny faritra iny dia notsongainay ny lahatsoratra 13 izay manasongadina an'i Senegal, Ogandà, Mozambique, Ginea-Bisao, Ghana, Ethiopia, Nigeria, Maoritania, Kenya, Angola ary ny firenena hafa.

African Voices of Hope & ChangeMandrosoa ianao hitroka izany eto. Azonao atao aza ny mandefa dika izany (amin'ny seho PDF, ePub na Mobipocket) amin'ny namana sy ny tapaka manerana izao tontolo izao, angamba ho toy ny fanomezana noho anjara biriky nataony ho an'ny GV [mg]. Ny tena zava-dehibe indrindra, miangavy ny aelezo any amin'ny mpifandray aminao manerantany ny fisian'izy ity, na amin'ny alalan'ny tambajotram-piarahamonina [sosialy] na any amin'izay toerana rehetra heverinao ho mety amin'izany!

African Voices of Hope and Change no mbola porofo manome vahana kokoa ny ‘herin'ny isika‘ [mg], ezaka iarahana hifantohana amin'ireo toerana sy olona ‘adinoin'ny mpampita vaovao manerantany’, na dia eo aza ny fahasamihafana nefa mahabe fanantenana amin'ny fitomboan-karenan'i Afrika amin'ny taona ho avy rehetra. Araka ny voasoratra amin'ny teny fampidirana ao amin'ny e-boky manao hoe, “Amin'ny fanombohan'ny taonarivo vaovao, tsapa ho tahaka ny foanan'ny fiarahamonina iraisampirenena amin'izay soratany ny kaontinanta Afrikana… [nefa] nolazain'ny antontanisa nivoaka farany fa ny sivy amin'ny firenena hainga-pitombo ara-toekarena indrindra manerantany dia any Afrika Atsimon'i Sahara.”

Ary raha mino tanteraka ny manampahaizana maro fa mankany amin'ny fampivelarana ny kianjan'ny fanabeazana ny fiantraika maharitra indrindran'ny teknolojia vaovao, “zavadehibe ihany koa ny otri-tombontsoa azo avy amin'ny teknolojia amin'ny fametrahana ny mangarahara sy ny fandraisana andraikitra, araka ny hita amin'ny fandraisana an-tanana miorina amin'ny tambajotran-tserasera sy ny fampitam-baovaon'olo-tsotra ho fanaraha-maso ny fifidianana any an-toerana na mampanao ny antonta-kevitry ny governemanta ho azo jerena aty amin'ny Aterineto.”

Natao ity angon-dahatsoratra 2012 ity hanazava bebe kokoa ny zavamisy sy hanampy tosika ny iraka ampanaovina ny Global Voices, ary entina hamakafakana ity sehatra sarotra hadihadiana ity mba hanokafana ny faravodilanitry ny taona ho avy. Miresaka amintsika momba ny fandrosoana ho amin'ny fanovana sy ny fanantenana ireo feo ireo, ahitana lalana feno tolona sy fiaraha-miasa ireo fitantarana ireo.

Ankasitrahana i Mohamed Adel noho ny fanohanana ara-teknika nataony ary ankasitrhana ihany koa ireo nandray anjara samihafa tamin'ireo lahatsoratra notsongaina nandrafetana ity e-boky vaovao ity: Afef Abrougui, Ahmed Jedou, Anna Gueye, Eleanor Staniforth, Endalk, James Propa, Kofi Yeboah, Lova Rakotomalala, Nwachukwu Egbunike, Richard Wanjohi, Sara Gold, Sara Moreira ary i Ndesanjo Macha.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.