Italia : #iostoconmarco, Miaraka Amin'i Marco Pannella Manohitra Ireo Fonja Tsy Manaja Ny Maha-Olona

Tamin'ny herinandro lasa teo, niely tao amin'ny Twitter sy Facebook [amin'ny fiteny Italiana, tahaka ireo rohy rehetra manaraka etoana] ny tenifototra #iostoconmarco (Miaraka amin'i Marco aho), ary koa tany anivon'ny tontolon'ny bilaogy italiana, narahan'ny famerenana maro nataon'ireo mampahalala vaovao Italiana nentim-paharazana. Marco Pannella, mpitarika ara-tantara ny Antoko Radikaly Tsy manaiky Herisetra Manerana ny Firenen-drehetra sy ny Antoko rehetra [amin'ny teny frantsay] ONG iray nahazo fankatoavana avy amin'ny ECOSOC ao amin'ny Firenena Mikambana, dia nanao fitokonana tsy hihinan-kanina sy tsy hisotro rano hiampangàna ny fepetra fihazonana any amin'ireo fonja italiana, mba hitakiana ny hametrahana fepetra fampihenana ny isan'ny mpifonja, ary mba hanànan'izy ireo zo hifidy.

Ao amin'ny tranonkala amnistiasubito.it, Marco Pannella araka izany dia mamaritra ireo tanjona kinendry :

Ity hatrany no tanjona : ny hahazoana amin'ny fanjakana italiana ny fanajanonany ny fanenjehana momba ny resaka tratra ambodiomby, ara-teknika dia heloka bevava raha resaka lalàna iraisampirenena, ary ireo tao anatin'ny lalam-panorenana italiana fahiny. Raha toa ka mivangongo ireo fanamafisana avy amin'ny Fitsarana Eoropeana [fanamarihan'ny mpandika : ny tsy fitovian'ny fepetram-pamonjàna ao Italia], izahay kosa nanoso-kevitra ny mba hahafahan'izy io hizotra ao anatin'ny folo andro katroka.  Ho toy ny ampahan-tantara iray goavana, manan-tantara taorian'ny 30 taona nisian'ny fitaka sy tsy fitoviana”.

Manaiky ny rehetra fa tsy araka ny tokony ho izy ny fepetra iainana any anaty fonja any ho anà firenena iray tahaka an'i Italie. Ao anatin'ity lahatsary ity, mitondra ny lohateny hoe “Viaggio choc nelle prigioni italiane” (Fitsidihana mafampàna tany amin'ireo fonja italiana) mijoro ho vavolombelona sy miampanga ireo fepetra tsy maintsy iainan'ny voafonja  ireo solontenan'ny sampan-draharahan'ny fonja. Mampahatsiahy ry zareo fa :

Mpifonja hatramin'ny 9 no mifampizara tranokely namboarina ho an'olona 4…. Mijanona ao anaty efitrano mandritra ny ora 20 amin'ny 24 ny ankamaroan'ireo voafonja…

Ny tranonkala primadanoi.it dia manome ireo antontan'isa farany avy amin'ny Ivon-toerana mpamokatra Antontanisa- ISTAT sady mampahatsiahy koa fa :

Ny ampahany betsaka amin'ireo voafonja tamin'ny 2011 (76 982) no mbola miandry fitsaràna, ary 10% monja no voaheloka tanteraka. 25% tamin'ireo no afaka tao anatin'ny herinandro [taorian'ny fitsaràna, ohatra noho ny fanaovana fitànana tafahoatra ho fisorohana].

Tao anaty lahatsoratra iray tamin'ny Septambra lasa teo, tamin'ny fitanisàna ny tenin'ilay solombavambahoaka Rita Bernardini, navoaka tao amin'ny unimondo.org, i Alessandro Graziadei dia miampanga ny tsy fihetsehan'ny governemanta italiana:

Noho ny tsy fahampiam-bola ho an'ny fikojakojana tsotra sy miavaka, iray manontolo tamin'ny faritra sasany ao amin'ny toby no nakatona, nohidiana, nefa izy ireny dia mbola raisina foana ao anatin'ny kajikajin'ny fahafahana mandray mpifonja, fanampin'izany “ilay volavolan-dalàna famindràm-pahefana avy amin'ny governemanta amin'ny resaka famindram-po sy fanafahana, noheverina ho tamin'ny Martsa, dia mbola any anaty tahiry foana aloha hatramin'ny andro anio

Manifestazione del 25 Aprile

Diabe ho an'ny famotsoran-keloka, ny rariny sy ny fahalalahana, tamin'ny andron'ny Fanafahana, ny 25 Aprily 2012 (sary an'ny mpanoratra).

Ho fandalinana ny fivangongoan'olona any amin'ny toby famonjàna samihafa any, azo vakiana ao amin'ny tranonkala ristretti.org ny hoe :

Tsy mandeha ho amin'ny tsara ny toe-javatra ao “Poggioreale” (fonjan'i Naples) : voafonja 2 600, nefa ny antsasak'izay ihany no azon'ity toerana ity ampiantranoina, miaraka amin'ny fetra ambony olona 12 isaky ny efitrano izay tsy misy efitra fidiovana, manitsaka ny fepetra ankehitriny avy amin'ny filankevitry ny fandraharahàna ny fonja. Ao Lanciano, any Abruzzes, ny tahan'ny fivangongoan'ny toby famonjàna dia 170%. Saika ny mpifonja rehetra mihitsy no voatery miaina anaty faritra latsaky ny 3m2, fetra farany ambany izay rehefa ihoarana – araka izay namaritan'ny Fitsaràna Eorpeana momba ny Zon'Olombelona azy – dia efa azo itenenana ny hoe “fampijaliana”.

Manome antsipirihan'ireo endrika  ara-tsosialy sy toekaren'ny famonjàna i Ulisse Spinnato Vega ao anaty fanadihadiana iray navoaka tao amin'ny tranonkala lettera43.it :

Ny mateti-pitranga, 70% amin'ireo mpifonja teo aloha no mamerin-keloka aorian'ny fotoana nitazonana azy ireo. Saingy milatsaka any ambanin'ny 20% ny salanisa raha toa izy ireny nanao asa raikitra ho anà orinasa iray na kaoperativa misahana lafiny sosialy.
Mampiantrano olona 66.000 ireo fonja italiana ary ny fampidinana zana-tohatra iray ny famerenan-keloka dia midika fitazonana olona 700 any ivelany. Raha rasina hoe manodidina ny 150 Euro eo isan'andro isaky ny voafonja iray no fandaniana, hanana tahiry mivantana tonga dia hahatratra 35-36 tapitrisa Euro ny fanjakana.
Raha tsy holazaina ireo tombontsoa rehetra ara-tsosialy sy toekarena ateraky ny fialàn'ny jiolahimboto iray eny an-dalambe, izay mandrahona, mandratra, mamono, mangalatra, manendaka ary mampiasa ireo fitaovam-panjakana natokana ho an'ny famoretana.
Sady izao, maherin'ny 50% amin'ireo Italiana mponin'ny fonja no eo anelanelan'ny 21 sy 39 taona. Noho izany, io dia manome hery mpamokatra tsara tokoa, ao anatinà vanimpotoana iray maha-henjana ny fanerena ara-ketra, manome tombon-dahiny goavana amin'ny lafiny fahafaha-mifaninana ho an'ireo orinasa izany.

Mamaritra ireo olan'ny fandraharahan'ny fitsaràna i Vittorio ao amin'ny bilaoginy:

Ao Italia, misy raharaham-pitsarana 9 tapitrisa mihantona ary mba hahazoana ny didim-pitsarana farany, dia mila miandry folo taona. Raha etsy ankilany 70% amin'ireo halatra ary 80% amin'ny vono olona no mijanona ho tsy nahazo fanamelohana, etsy an-daniny, isan-taona, 170.000 ireo raharaham-pitsaràna latsaka eo ambanin'ny hoe maty paik'andro, famelan-keloka ho an'ireo mpanam-bola manana mpisolovava mahay.

 

Mampibaribary ireo sandan'ny tsy fahaiza-manaon'ny fitsaràna miatrika ireo antontan-taratasy misavovona mihantona ao aminy i Jechil :

Fanampin'izany : ny famelomana indray ny rafi-pitsarana dia midika koa fihetsehana amin'ireo raharaha sivily miisa 6 tapitrisa tsy mbola voatsara izay mitentina 96 lavitrisa Euro raha resaka fatiantoka ho an'ny firenentsika (efa ho ny 1%-n'ny harin-karena faobe italiana). Ny foibem-pikarohana an'ny Confindustria dia naminavina tamin'ny 2011 fa ny fandrodànana io tendrombohitra avo feno fandraharahana misavovona io dia hahazoan'ny toekarentsika tombony hatramin'ny 4,9% amin'ny harinkarena faobe, ary ny hany atao dia ny mampihena ny fotoana fikarakarana, eny fa na dia ho 10% monja aza mba hahazoana harinkarena faobe 0,8% isan-taona.

Lahatsoratra iray navoaka tao amin'ny tranonkala ogginotizie.it no mampahafantatra fa :

Eo ihany koa ny ben'ny tanànan'i Florence, Matteo Renzi, sy ny governoran'ny faritra Toscane, Enrico Rossi, ao anatin'ireo mpanao politika sy olo-manana ny toerany namaly ilay taratasy fampiantsoan'i Marco Pannella, izay ao anatin'izany no voazava ny antony manosika ny hetsi-panoherana ataony. Niangaviana izy hampiato ny fitokonany tsy hihinan-kanina ho setrin'ny fampanantenan'ny mpitarika ny radikaly fa hoe hifandimby tsirairay hanao fitokonana tsy hihinan-kanina mandritra ny iray andro ireo nanao sonia. Tamin'io hetsika io, natomboky ny filankevi-paritry ny antoko Pd Enzo Brogi, nifanarahana tamin'ireo radikaly avy ao Florence, dia nirotsaka an-tsehatra ihany koa – hoy ny taratasy iray manazava – Marco Taradash, filankevi-paritry ny Partito della libertà, ireo mpiangaly mozika Erriquez Greppi sy Dolcenera, ilay mpandrindra an-tsehatra Alessandro Benvenuti ary ilay mpanao sariitatra Sergio Staino.

Ireo tanora sosialista avy amin'ny faritra Lazio, faritra misy an'i Roma, dia nandefa hafatra firaisankina, navoaka tao amin'ny latuavoce.it, izay nanoratan-dry zareo hoe :

Indray mandeha indray, efa 80 taona mahery io rangahy io, izay nampiditra revolisiona lehibe teto Italia, nanome lesona goavana momba ny fahaizana miaina ho antsika.

Tsy tokony hino anefa na izany aza fa hoe ny italiana rehetra no manohana tsy misy mitsipaka an'i Marco Pannella. Ny fanehoankevitra avy amin'ny mpamaky iray ao amin'ny gazety mpiseho isan'andro Repubblica.it, attiliomanduzio, no maneho ny fomba fijerin'ny Italiana marobe :

Raha te-ho faty izy, avelao izy ho faty, ‘lay bandy manirikiry io. Ary aorian'izay, angamba amin'ny fotoana maha-mety azy, hitady ao anatin'ny lovia fihinanany izy, tahaka izay nataony fony tsy nahomby tamin'ny fanjeràna ny governemantan'i Berlusconi noho ny antony kidaladala ireo vasalahy namany. Ampy izay! 40 taona lasa izao, nanome tànana izy handaniana ireo volavolan-dalana sivily roa momba ny fisaraham-panambadiana sy ny fanalàn-jaza, saingy ankehitriny, ampy izay ny fiainany amin'izay efa voangony !

Teny antsefantsefany teny, ny 26 desambra, nampiato ny fitokonany tsy hisakafo sy hisotro rano i Marco Pannella, saingy nilaza fa “vonona ny hamerina” raha toa tsy mivoatra ny toe-draharaha. Miaraka amin'ny fisafotofoton'ny tontolo politika naterak'ireo tantara ratsy tsikaritry ny mpanao lalàna nandritra ny fifidianana solombavambahoaka sy fifidianam-paritra tany amin'ny faritra samihafa, ary raha mbola ampiana ny fianjeran'ny governemanta Monti koa, ny maha-ara-dalàna, ao Italia dia tahaka ny tsy laharam-pahamehana amin'izao fotoana izao.

Taorian'ny hetsika mitratrevatreva nataony, sy ny fifantohan-tsaina goavana naterany, ny hany mila jerena sisa dia raha toa mba nihevitra karazana hetsika ho an'ny voafonja ireo fikambanana politika lehibe any anatin'ny fandaharan'asany momba ny fifidianana amin'ny Febroary 2013, na raha, ny mifanohitra amin'izay, hampiasa hatrany ireo fialantsiny mahazatra ry zareo: hoe “tsy mbola vonona” ny hanaiky ny hevitra mikasika ny famotsoran-keloka amin'ny endriny midadasika ny sain'ny besinimaro.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.