Bahrain: Voafonja Noho Ny Sioka Nataony Ilay Mpikatroka Ny Zon'olombelona

Sayed Yousif Almuhafda no filoha lefitra sy Lehiben'ny Sampa-pitehirizan-kevitra ao amin'ny Foibe misahana ny Zon'olombelona ao Bahrain(BCHR). Mpikambana ao amin'ny vondrona mpiaro ny zon'olombelona Front Line Defenders sy ny Amnesty International ihany koa izy. Nosamborina izy tamin'ny 17 Desambra satria nitarika hetsika tsy misy herisetra tao an-drenivohitra ary nitatitra momba izany tao amin'ny Twitter.

Voampanga ho nanaparitaka vaovao tsy marina tao amin'ny kaonty Twitter-ny i Sayed Yousif. Ankoatra ireo fiampangana hafa, voampanga indrindra ho nandefa sary (rohy ahitana sary mampihoro-koditra, aoka ny mpamaky ho mailo), tao amin'ny Twitter izy tamin'ny 17 Desambra, izay sarina tanora mpanao fihetsiketsehana naratra nalaina roa andro mialoha.

Tamin'ny taratasy nalefa ho an'ny Global Voices Advocacy, nilaza ny fianakaviany fa tamin'i Sayed Yousif mbola natanja-tsaina, nino izy fa noho ny antony ara-politika no nisamborana azy—izay fikasana hanakana azy tsy hanao ny asany amin'ny maha mpanara-maso ny zon'olombelona azy:

Nihevitra i Sayed Yousif fa nosamborin'ny polisy tsy amin'antony izy teo ampanaovana ny asany amin'ny fanaraha-maso ny diabe tao Bahrain […] Amin'izany antony hanenjehana azy izany, tsy tokony nosamborin'ireo polisy manao fanamiana sivily an-keriny nandritra ny fihetsiketsehana izy ka nohodidinin'ireo polisy misahana ny rotaka 30 farafahakeliny. Nilaza izy fa tokony nomena taratasy fampiantsoana ofisialy avy amin'ny mpampanoa lalàna izay mety nahafahany tsy hiditra am-ponja.

Nihevitra i Sayed Yousif fa famoretana tsotra izao ny fihazonana azy noho ny asany mandrangaranga izay fanitsakitsahana ny zon'olombelona nandritra ireo fihetsiketsehana milamina ary nahatsiaro izy fa tetika mba hijanonany tsy hitantara intsony ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona miseho ao Bahrain izao famoretana azy izao.

Tamin'ny 25 Desambra, niatrika ny mpampanoa-lalàna tao Manama i Sayed Yousif ka nohalavain'ny mpampanoa lalàna   15 andro fanampiny ny fihazonana azy. Fanapaha-kevitra nomelohin'ireo mpiaro ny fahalalaham-pitenana tahaka ny fikambanana “Reporters Sans Frontières” izay nandefa ity fanambarana manaraka ity:

Mbola nizaka indray ny fahavononany hiaro ny fivezivezen'ny vaovao an-kalalahana momba ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona ao Bahrain i Muhafda […] Tokony hatsahatry ny manampahefana ny fanitsakitsahana tsy an-kiato ataony amin'ny fahalalahana mampita vaovao ary hamela ireo mpanome vaovao hiasa an-kalalahana.
Zava-dehibe indrindra ny vaovao alefan'ireo mpikatroka ny zon'olombelona ao Barhain hany ka feran'ireo manampahefana ny fitsidihan'ireo mpanao gazety vahiny ary matetika ihany koa izy ireo manohintohina ny tati-baovao ataon'ireo izay afaka manao izany.

Tsy vao voalohany no nosamborina i Sayed Yousif noho ny fitantarany momba ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona ao Bahrain. Tamin'ny 2 Novambra 2012, notànana 12 andro izy taorian'ny fitantarana nataony momba ny famoretana feno herisetra nataon'ny polisy nandritra ny fihetsiketsehana tao Diraz, Andrefan'i Manama.

Afisy fanentanana ny #Fanafahanaan'iSaidYousif, nalefan'i @OsamaJaleel tao amin'ny Twitter

Tamin'ny 25 Desambra no fara-fitsidihana an'i Sayed Yousif tany amin'ny komisariàn'ny polisy Hoora, faritra Avaratra-Atsinanan'i Manama. Araka ny filazan'ny fianakaviany, nitokana efitra niaraka tamin'ireo gadra tsotra tsy miteny Arabo izy fa tsy nampiarahana tamin'ireo gadra politika .

Tamina lahatsoratra nalefa ho an'ny Global Voices Advocacy, hoy ny rahalahiny Sayed Osama Almuhafda (@OsamaJaleel) nanoratra:

Karazana fanasaziana amin'ny endriny hafa ho azy izao. Tsy manana na iza na iza hifandraisana izy.
Nampiarahana miaraka ao amin'ny fonja “Lakavy Maina” [Fihazonana vonjimaika an'ny Minisiteran'ny Atitany ao Manama] ireo gadra noho ny fanehoan-kevitra sy ireo gadra politika, ankoatra an'i Sayed Yousif. Mino izahay fa habibiana ary tsy rariny tanteraka ny mahazo azy!

Niantso ireo mpiaro ny zon'olombelona ny fianakavian'i Sayed Yousif mba hanery ny governematan'i Bahrain hanao fitsarana ara-drariny sy hampitovy ny fomba fitantanana ireo gadra noho ny fanehoan-kevitra.

Fomba hahafahanao manampy azy

Afaka manaraka ny kaonty Twitter an'i Sayed Yousif ianao, @saidyousif, na misioka amin'ny alalan'ny tenifahatra #FreeSaidYousif ary maneho ny fanohananao.

Afaka mifandray amin'ireo fampahalalam-baovao sy fikambanana mpiaro ny zon'olombelona ihany koa ianao ary mampahafantatra ny tantaran'i Sayed Yousif amin'izao tontolo izao.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.