Voasakana, Nalàna Sakana Ary Voasakana Indray ny YouTube Tany Pakistana

Taorian'ny telo volana nanakanan'ny governemanta ny YouTube, afaka niditra tao amin'ilay vohikala fizarana lahatsary ihany ireo Pakistaney ny 29 Desambra 2012. Nefa fohy ihany anefa ny faharetan'izany fitoniana izany.

@ayeshaesque Tahaka ny sangy ratsy ny fanakanana, fanalana sakana, sy fanakanana indray ny YouTube tanatin'ireo ora vitsivitsy. #Pakistan
Nitoraka bitsika ny Talen'ny Fifandraisan'ny change.org ao Inde, Raheel Khursheed :
@Raheelk: Oay mbola fohy noho ny fanambadian'i Kim Kardashian! #Pakistan'sYoutubeAffair
Koa inona izany no ao ambadik'io fanalana sakana hafahafa tampoka io? Nanoratra tao amin'ny Twitter ny mpiahy ny TedX ao Islamabad, Saad Hamid :
@SaadGH: Nisy olona tao amin'ny minisitera nahita famelomana sy famonoana ny YouTube ary dia milalao izany ireo minisitra amin'izao fotoana.
@SaadGH Angamba nosokafana nandritra ny 5 minitra ny Youtube satria te-hahita ny zava-bitan'i  Katrina-akin tanatin'ilay jalsa farany teo [hazakaza-piarakodia] ilay zaza menavava Bilawal. Hmm!
Miresaka momba ilay lahateny mihantsy nataon'i Bilawal Bhutto Zardari, zanakalahin'ny Filoha ary filoha lefitry ny antoko mitantana ao Pakistana nandritra ny fankalazana ny tsingerintaona nahafatesan'ny reniny tamin'ny 27 Desambra i Saad. Talohan'ilay famerenana tampoka ny sakana, nandefa tamin'ny instagram ity sarin'ny vadiny mikaroka ny YouTube ity i Saad.
Nitaraina i Talat Aslam, tonian-dahatsoratry ny gazety Anglisy be mpamaky indrindra ao Pakistana, The News :
 @titojourno Aza miteny amiko hoe nosokafan'izy ireo ny Youtube dia avy eo nosakanany indray! Nanana lisitra lava an'ireo zavatra tiako hojerena aho. Ary tsia an. Tsy tao anatin'ny lisitro IZANY horonantsary izany.

Miresaka momba ilay “Innocence of Muslims” i Talat, dia ilay horonantsary kely tetibola maharitra 13 minitra izay niteraka hatezerana manerana ny Tontolon'ny Silamo, ary niafara taminà hetsi-panoherana, fahafatesana ary fandraràna ny Youtube tao amin'ny firenena, izay nandà ny fanaisorana io horonantsary io ao amin'ny vohikalany.

Image by Sherbien Dacalanio. copyright Demotix (17/9/2012)

Sary an'i Sherbien Dacalanio. copyright Demotix (17/9/2012)

Nitoraka bitsika i Mansoor Ali Khan, mpanao gazety mpitatitra mivantana ao amin'ny Geo News, (an'ilay kômpania tompon'ny The News ihany):
@MansoorGeoNews Arahabaina ry #Pakistan: Tsy afaka manapa-kevitra ny amin'ny fanokafana vohikala akory ny governemantantsika dia miandrandra azy ireo hiady amin'ny asa fampihorohoroana isika

Ny mampihomehy, araka ny voalazan'ny mpitoraka bilaogy Kala Kawa dia samy ao ambadiky ny famerenana  tampoka ny fanakanana ny Youtube na ny The News na ny Geo News. Manazava izany izy ao amin'ny lahatsoratry ny bilaoginy, The Great YouTube Escapade (Ny Fitsoahana Goavan'ny Youtube):

Nampahafantatra ny Geo News (fantsona kely maharikoriko, mahamonamonaina) i Ansar Abbasi [ilay mpitatitra ao amin'ny The News] fa mbola hita ao amin'ny YouTube ireo fitaovana afaka hanasaziana. Nitanaka vava noho ny hagagana izahay! Lehilahy manana talenta maro i Ansar Abbasi ary manan-daza hatrany ivelany. Efa nisy fotoana vitsy izay hatramin'ny nanambaràny ny faharatsian'ny Youtube, izay nirotsahan'ny Praiminisitrantsika an-tsehatra.

Nitoraka bitsika i Ali Ansari, mpisera anaty aterineto sady mpisolo vava :

@alizansari: Raha tao amin'ny Twitter ny PM. Nakanana azy in-tapitrisa aho ary hitatitra azy ho spam.

Nanohy nanazava ny olana ao ambadik'io fisavoritahana io i Kala Kawa:

Nanjaka indray ny fifangaroan'adalana izay fahitantsika andavanandro any Pakistana. Ireo fitsarana izay toa lasa nino fa misolo tena ny fanirian'ny vahoaka izy ireo, dia mamorona baiko izay mametra ny masoivohontsika anatin'nà kopaka irayin'ny akanjo rebareban-dry zareo. Ireo mpanao gazety izay nampibonabona ny fanomezany lanja ny tenany manokana ka tsy hahafantarany ny tenany intsony, no mampahafantatra antsika ny fomba tokony hitondrantsika ny tenantsika eo amin'ny fiainantsika manokana. Governemanta sivily iray izay mitonon-tena ho fiolahana laika eo ambany ny sitrapon'ny elatra ankavanana rehetra, na handringana ireo mitovy laharana aminy ara-iedolojika aza izany. Indrisy, tsy misy vaovao amintsika izany. Ratsy noho izany aza, tsy mbola ity mihitsy no ho fotoana farany hitrangan'izany amintsika.

FANAMPIM-PANAMARIHANA: Milaza amim-pireharehana ny anjara asany teo amin'ny famerenana indray ny fanakanana ny Youtube ny Geo News. Ho anà olona manana fahaizana na dia kely aza, mazava ho azy fa TSY tokony hireharehana izany.

Ilay kaonty Twitter Karachi Post, izay mamaritra ny tenany ho hany Liberaly Havia, masoivoho fanaovan-gazety sosialy ary  “Think Tank” tokana eo amin'ny firenena, dia namely ny Geo News:

‏@Karachi_Post: Adala, miaina anatinà vohitra eran-tany isika & saika tsy azo heverina ny fanivanana tanteraka ny aterineto.Nahoana izany no tsy azonao ry #Geo ?

I Raza Rumi, mpanao fandalinam-baovao say mpandalina ara-politika, dia namintina ny fahatsapan'ny betsaka amin'ireo mpisera ety anaty aterineto :

@Razarumi: Mampiasa proxy aho hidirana amin'ny @youtube sy ireo vohikala hafa voasakana – ary dia mandeha tsara izany. HANKAHATRA an'ity [famerenana] sakana tsy misy dikany ity aho – arodano ny sivana!!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.