Fanazavana Kely Tamin'ny Fahatapahan'ny Aterineto tao Syria

Noho ny fiaraha-miasa amin'ny Syria Deeply no iarahanay mamoaka andian-dahatsoratra mandrakitra ny feon-tsivily voaforiporitra anaty fifandirana, ahitana ny fomba fijerin'ny mpanoratra avy amin'ny lafy valon'izao tontolo izao momba ny ady.

Nanana fanazavana kely momba ny fahatapahan'ny aterineto tao Syria, izay nampitoka-monina an'i Syria tamin'izao tontolo izao tamin'ny 29 novambra 2012 lasa teo i Patrick Hilsman. Tonga tao Aleppo ity New Yorkey 29 taona ity mba hitati-baovao momba ny ady avy any amin'ny tanàna fehezin'ny mpikomy, iray amin'ireo tanàna anatin'ny ady mavaivay indrindra. Nampiasa aterineto izy ary nampiasa ny Google Hangout hifampitafatafa amin'i Syria Deeply, notantarainy ny diany.

“Niraradraraka nanodidina anay ny baomba androany. Tratran'ny tifitra balafomanga avy any amin'ny voromby MiG ny sekoly mifanila aminay,” hoy i Hilsman, niresaka tamin'ny alalan'ny Skype tao anaty trano voaaro ao Aleppo.

Saingy raha mbola teo am-piseraserana amin'ny aterineto izy, teo am-pitaterana ny daroka baomba ataon'ny fitondrana no nahazo ny faritra rehetra ao amin'ny firenena Syriana ny fahanginan'ny aterineto [mg] tampoka. Tsy afaka niditra aterineto i Syria, ka nampitoka-monina azy tamin'ny tranonkala manerantany. Nidina hatrany amin'ny zero ny fidirana sy ny fivoahana ny lalamben'ny aterineto tao Syria, taoriana kelin'ny tamin'ny mitataovovonana. Nanamarina izany moa ny orinasam-panaraha-maso ny Web antsoina hoe Akamai. “Tafavoaka ny aterineto tokoa i Syria.”

Mbola afaka niserasera tamin'ny alalan'ny fifandraisana aterineto amin'ny zana-bolana kosa i Hilsman, tamin'ny fampiasana fitaovana nentina avy any Torkia, naloan'ny Frantsay iray mpanohana ny Tafiky ny Syriana Afaka.

Tsy mbola nisy hatrizao tao Syria izany fahatapahan'ny aterineto tanteraka izany, tifitifitra farany ao anatin'ny ady an-tserasera misy eo amin'ny tafika mpioko sy ny tafiky ny governemantan'ny filoha Bashar Al Assad.

“Efa nandraman'ny fitondrana avokoa ny zavatra hafa rehetra… efa nampitomboany ny fanaraha-maso, nampitomboany ny fanivanana. zany no mahatonga ny fahatsapana hoe mariky ny fahaverezan-kevitra tanteraka iny,” hoy i Jillian York, manampahaizana manokana momba ny fahalalahan'ny aterineto ao amin'ny Electronic Frontier Foundation.

Noho ny fahanginan'ny aterineto tanteraka, nihavitsy dia vitsy ny vaovao avy any Syria. Nanombana ny mpikatroky ny serasera Syriana Dlshad Othman fa latsaky ny arivo ireo olona an-tserasera tamin'iny alakamisy iny tao Syria, amin'ny olona mahatratra 20 arivoarivo [tapitrisa].

Nanjavona tao amin'ny aterineto i Syria
Firan'ny fitadiavana DNS any amin'ny Valan'i Syria Domains, marika fa tsy tafapaka hatrany amin'ny mpisera aterineto Syriana ny fifandraisana teto amin'izao tontolo izao. (loharano)

Tsy nahafahan'ny mpanao gazety nitatitra ny fivoaran'ny ady izany.

“Olana tena goavana izy ity. Tsy maharaka na inona na inona intsony ny mpanao gazety tsy manana fifandraisana [miakatra mankany amin'ny zanabolana?],” hoy i Hilsman. Rehefa nihatra ny “fahanginana tanteraka” dia nitombo ny daroka baomba tany Aleppo, izay itarafana ny havesatry ny ady any amin'ny faritra hafa ao amin'ny firenena.

Nanameloka ny fanakatonana ny aterineto nataon'ny fitondrana Syriana ny governemanta Amerikana ary nilaza fa manohana ny mpanohitra eo amin'ny fampitaovana ara-pifandraisana.

“Narafitra hahaleo tena ireo ary afaka midify ny tambajotra anatiny Syriana indrindra fa amin'ny fiarovana azy ireo, voaaro amin'ny fikirakiran'ny ao amin'ny fitondrana [ireo fitaovana ireo], voaaro amin'ny fihainoana, voaaro amin'ny fanapatapahan'ny fitondrana,” hoy ny mpitondratenin'ny Departemantam-Panjakana Victoria Nuland.

Nilaza i Othman, izay mpikatroka an-tserasera, fa tsy ampy ny “kits” tonga any Syria mba hahamaro ny olona ho afa-miserasera. Nilaza izy ankoatra izay fa mety hisy ny risika amin'ny fampiasana azy ireny mba ho afa-miserasera hatrany.

“Niangavy ny olona izahay hotapahiny ny fifandraisana amin'ny zanabolana,” hoy i Othman.

“Mety mikaroka [mi-scan] ireny fifandraisana ireny ny fitondrana, izany no niangavianay ny olona hanapika ny fifandraisana amin'ny zanabolana mba hiarovana azy ireo.”

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.