Ejipta: Mitaky Rindrambaiko Tovozina Malalaka Sy Maimaim-Poana ny Vahoaka

Maro no efa niteny ny anjara asam-panafahana nataon'ny teknolojia nandritra ny fitroarana tany Afovoany Atsinanana, ary maro ny tokony holazaina amin'ny anjara asan'ny fitroarana tamin'ny fanafahana [fampiroboroboana ny teknolojia ao amin'ny faritra].

Tamin'ny alarobia teo, nivoaka tao amin'ny pejy Facebook ofisialin'ny praiminisitra ejiptiana ny famintinana ny fivoriana natrehina faramparany teo. Ao amin'izany no naneken'ny governemanta ny handany $43,8 arivoarivo [tapitrisa] hahazoana lisansa sy vokatra rindrambaiko avy amin'ny Microsoft. Maro ny olom-pirenena ejiptiana no naneho ny hatezerany nahare izany vaovao izany.

@rrcoalition: الحكومة تشترى سوفت وير من مايكروسوفت ب 44 مليون دولار, ويقولوا الدولة على وشك الافلاس

@rrcoalition: Nandoa $44 arivoarivo ny governemanta hahazoana rindrambaiko avy amin'ny Microsoft, nefa milaza ny fanjakana fa ho bankirompitra.

@Aya_Ayman: Yes, because the government fed and sheltered all the poor and homeless in Egypt and have a few extra millions left!

Eny, satria mamahana sy mampialoka ny mahantra sy ny tsy manan-trano rehetra manerana an'i Ejipta ny fitondrana ka manana ambim-bola an'arivoarivony!

Na izany aza, tsy ny habetsaky ny vola nolaniana no nahatezitra ny olona, fa hitan-dry zareo fa misy ny tsaratsara kokoa nefa kely ny fandaniana amin'izany ary azo natao ihany koa ny mampivelatra ny fikambanam-pampandrosoana ny rindrambaiko ao an-toerana.

Egypt 43 Million Microsoft

Samar Ali (@SaMoRaAli) nizara ity sora-baventy ity ao amin'ny Twitter.

@Gue3bara: الحكومة كان ممكن تصرف مليون دولار مصري فقط وتسخر مجموعة من المطورين المصريين يشغلوا اجهزة الحكومة ببرمجيات مفتوحة المصدر

@Gue3bara: Mba tsy handaniana vola tahaka izany, azon'ny governemanta natao ny nandany iray arivoarivo monja ho an'ny mpanangana rindrambaiko ao an-toerana hampivelarana vahaolana fisolo amin'ny fampiasan'ny governemanta rindrambaiko open source.

Manazava ny dikan'ny Open Source [tovozina malalaka] vetivety i Omar Ak:

‏@i3mmoor: Pt – the open source besides being free, it can be modified and does not demand renewal. #OpenEgypt.

Ankoatra ny mampalalaka [maimaimpoana] ny open source, azo ovaina ary tsy mitaky fanavaozana [lisansa?]

Nagla Rizk, izay tale mpanorina ny Access to Knowledge for Development Center (A2K4D na Foibe Fidirana amin'ny Fahalalàna ho Fampandrosoana ) sady mpikambana ao amin'ny komity fitaratry ny tetikasa Open Africa Innovation Research (Open A.I.R na Open Fikaroham-Pihavaozana Afrika), nanampy toy izao tao amin'ny Twitter:

@naglarzk: تعاقد الحكومة المصرية مع مايكروسوفت يزيد من توغل الأخيرة في السوق المصري ويقلص فرص الشركات الصغيرة خاصة القائمة ع المصدر المفتوح #OpenEgypt

@naglarzk: Ity fifanarahana tamin'ny Microsoft ity, dia tsy vitan'ny mampakatra ny toerany eo amin'ny tsena ejiptiana, fa mampihena ihany koa ny fahafahan'ny orinasa madinika hifaninana eo an-tsena, indrindra fa ireo mpampita ny Open Source.

@naglarzk: $43m deal w microsoft is real setback for #Egypt, esp after revolution with promise of openness, collaboration & freedom. #OpenEgypt

tena fihemorana ho an'i Ejipta ny fifanarahana $43 arivoarivo tamin'ny microsoft, indrindra taorian'ny revolisiona nampanantenana ny fisokafana, fiaraha-miasa ary ny fahafahana.

Hossam El-Hamalawy (@3arabawy) namoaka antsipirihany kokoa ny antony [Ar] tsy nanasoniavana io fifanarahana io. Ary maro ny fikambanana sy ny olon-tsotra no nametraka ny soniany tao amin'ity fanangonan-tsonia [Ar] ity.

Tsy mijanona hatreo ny raharaha, saingy indreo ny mpikambana ao amin'ny fianakaviamben'ny Open Source ao Ejipta fa miantso ny hanaovana fihetsiketsehana mangina eo anoloan'ny biraon'ny minisitra amin'ny 30 Desambra. Efa eo am-pikarakarana ihany koa ny fihetsiketsehana any amin'ny faritra samihafa ao Ejipta. Ary efa ampiasaina ankehitriny ny tenifahatra #OpenEgypt hampahafantarana ny olona ny rindrambaiko tovozina malalaka [Open Source], sy ny tombontsoa azo avy aminy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.