Resadresaka: Mpialokaloka Syriana Bevohoka Anaty Hatsiakan'ny Ririnina

Noho ny fiaraha-miasa amin'ny Syria Deeply no iarahanay mamoaka andian-dahatsoratra mandrakitra ny feon-tsivily voaforiporitra anaty fifandirana, ahitana ny fomba fijerin'ny mpanoratra avy amin'ny lafy valon'izao tontolo izao momba ny ady.

Eto ambany ny resadresaka nifanaovan'i News Deeply sy i Ayesha, vehivavy mpialokaloka 29 taona miaina ao amin'ny tobim-pialokalofana Atma any amin'ny faritanin'i Idlib, avaratra andrefan'i Syria. Iray amin'ny vehivavy 50 heverina ho bevohoka ao amin'ny tobim-pifindra-monina anatin'ny firenena Syriana ihany; nilaza taminay ny mpanampy an-tsitrapo fa tena mitady rononon-jaza ry zareo.

Miaina anilan'ny fota-mandrevo anaty tranolay manify sy kiloadoaka miaraka amin'ny fianakaviany i Ayesha. Akanjo manify ihany isaloran'izy ireo ihany no mba ananan'ny zanany ary ny sakafo araka ny fanomen'ny lakozia iraisan'ny toby ihany no ihinanan-dry zareo. Mihoron-koditra amin'ny fiavian'ny hatsiaka mandomandon'ny ririnina hitsena ny zaza ho teraka izy. Raha mbola mijoro eo anilan'ny tranolainy manakaiky fotaka, mitazona ny tanan'ny zananilahy efa-taona, izy dia niangavianay hiresadresaka ny  fiaimpiainany amin'ny maha-bevohoka azy ao amin'ny toby fialokalofana.

Efa folo ny zanako. Tsy manana akanjo vaovao ho an'ny  zaza teraka aho. Tsy manam-bola hividianana na inona na inona. Ahoana ny ahafahanay mahazo akanjo sy toerana mafana ho azy?

Manatona ny tobim-pitsaboana isan-kerinandro aho ka omeny fanalana fanaintainana. Mila fanafody fanalana fanaintainana amin'ny vavoniko aho. Avy any Idlib aho. Talohan'ny nahatongavako taty dia mpankany amin'ny dokotera tsy miankina aho.

Matahotra ny hiteraka aho. Ampijalian'ny hatsiaka izahay, efa mararin'izany ary izahay. Marary ahy mafy ny vavoniko. Vokatry ny hatsiaka izany, vokatry ny toe-draharaha iainanay.

Syrian-Refugees-Zaatari-Camp-Winter

Mpialokaloka Syriana miaritra ny halavan'ny ririnina ao amin'ny tobim-pialokalofana ao Zaatari.

Misy vehivavy iray ao amin'ny toby voatondro hikarakara ny fampiterahana. Hiteraka any Kar, tanàna akaiky eto aho, na any amin'ny hopitalin'i Dana any Atma.

Miaraka amiko eto ny vadiko, saingy tsy manana asa intsony. Tsy manao na inona na inona izy mandritra ny andro.

Ny fanirian'ny vahoakan'i Assad rehetra dia ny hody any amin'ny trano vaventiny. Tsy miraharaha na inona na inona izy ireo. Tsy miraharaha ireo zaza ireo. Mankahala anay ireo firenen-kafa [tsy mamonjy anay] ireo.

[Ny zanaka lahin'i Ayesha, ilay efa-taona antsoina hoe Sahed, tamin'io fotoana io dia nitazona boatim-pitaovana antsoina hoe Lactacyd. Nampanontany ilay lehilahy mpandika teny izahay hoe inona iny. Boramena i Ayesha, nilaza taminy fa fanasana fivaviana iny. Nitsiky avokoa izahay rehetra, avy eo nofafan'i Ayesha ilay fotoana tsy nampahazoazo aina.]

Hitanareo… misy ny fotoana mampihomehy, mampitokelaka anay, na dia anivon'ny zava-mampahonena aza.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.