Tonga Hatrany Anaty Fandrakofana Ny Disadisa Ny Adin'ny Media Hisarihana Mpihaino Ao Israely

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny fandrakofanay manokana ny  Fifandraisana Iraisampirenena & fandriampahalemana.

Elderly man checks the headlines in Tel Aviv, Israel.

Zokiolona iray mitetyireo lohateny lehibe ao Tel Aviv, Israely – 2005. Sary avy amin'i Shachar Abiry שחר אבירי tao amin'ny Flickr (CC BY-NC 2.0)

Nisy fiovàna be tokoa ny fampahalalam-baovao Israeliana tato anatin'ny taona vitsy lasa izao. Ny fisongan'ny ara-toekarena dia nampakatra ny fifaninanana eo amin'ireo samy mpamoaka vaovao izay mifampizara ny vola azo avy amin'ny dokambarotra. Na izany aza, satria somary kely ihany ny tsena iasàn'ireo mpamoaka vaovao ireo, dia maro no misedra olana ara-bola goavana. Tafiditra amin'io ny gazety mpiseho isanandro Maariv, izay vao tsy ela izao no namidy taminà mpanonta avy amin'ny elatra havanana. Vokany, marobe amin'ireo mpiasan'ny fanaovana gazety no efa miandry ny mety hahavery ny asan'izy ireo. Zavatra tahaka izay no mety hahazo ireo mpiasan'ny Channel 10 izay hany mpiseho isan'andro tantanan'ny elatra havia Israeliana, Haaretz, izay mizaka fatiantoka mavesatra ihany koa.

Ny olana ara-bola dia manana toerana lehibe tokoa, araka izany, hampikororosy ny fahaleovantenan'ireo mpanangom-baovao, izay mety tsy harisika intsony handray fanamby hiatrehana ny hetahetan'ireo tonian-dahatsoratra na mpitantana an-dry zareo izay, etsy andaniny, tsy maintsy manao tatitra amin'ireo tompon'ny famoaham-baovao. Tanaty lahatsoratra iray tao amin'ny bilaogy The 7th Eye, ny Prof. Gabriel Weimann dia nankahàtra ny fomba fijery hoe nanjary mitongilana be sy misy tendro roa noho ny antony ara-ideolojia ny media Israeliana. Hoy izy manoratra :

מה שמניע מגמה זו בישראל אינו הזדהות אידיאולוגית, אימוץ גלוי ואמיץ של אג'נדה חברתית או מחויבות ארוכת טווח לקו פוליטי. מי שמעצבים תהליך זה בישראל הם שיקולים תחרותיים, עסקיים ויוקרתיים.

הזדהות עם או יציאה נגד מנהיג פוליטי או מפלגתו אינן בחירות מערכתיות המבוססות על בחינת עמדות והערכות בדבר נכונות הדרך. אלו בחירות המונעת לעתים על-ידי שיקולי תחרות (“אם המתחרה שלי הוא בעד, אז אני נגד”), ולעתים על-ידי רשת סבוכה של קשרים עסקיים, שותפויות בבעלות צולבת של תקשורת ועסקים.

Tsy resaka fijoroana ara-ideolojia no anton'ity fironana ity eto Israely, na fanekena be fahatany sy tamim-pahasahiana programan'asa sosialy iray, na firotsahana mankaminà fijery politika mandritra ny fotoana maharitra. Ny mandrafitra ity dingana ity dia ny fahafaha-mifaninana, ny fijerena ny ara-bola ary ny haja maha-ianao anao.
(…)
Ny fanohanana na fanoherana mpitarika politika iray na ny antokony dia tsy safidy mifototra amin'ny fomba fijery manerantany na fandalinana ijerena ny maha-mety na tsia an'ilay mpitarika. Ireny dia matetika safidy atosiky ny fijery faritan'ny fifaninanana (“Raha manohana azy ny mpifaninana amiko, izaho manohitra”) ary mazàna dia amin'ny alàlan'ny fifandrohizana ara-barotra, sy fifamatopatoran'ireo tomponà famoaham-baovao sy fandraharahàna.

Ny faniriana hitàna betsaka amin'ireo mpijery, mpihaino na mpamaky dia nampakatra ny lanjan'ny fanomezan-daharana sy ny fanirian'ireo famoaham-baovao tsy hitatitra olana izay mety hampidina ny tàhan'ny fanarahana azy. Miezaka ireo media Israeliana ny hanome ho an'ny mpanjohy azy ireo ny zavatra tian'ny fiarahamonina Israeliana ho sainina momba ny firenen-dry zareo: toy ny hoe firenena manaraka maoraly sy matanjaka, izay mihetsika fotsiny ho fiarovany tena. Io no antony iray mahatonga ny fandrakofana ny fifandiran'ny Israeliana-Arabo amin'ny ankapobeny hirona amin'ny fitantaràna ofisialy atolotry ny governemanta Israeliana.

Ny ohatra iray akaiky indrindra amin'io fitanilàna io dia ny fandrakofana ny famonoana ilay Palestiniana Anwar Abdul Hadi Qudaih, 20 taona, tao akaikin'ny sisintany Gaza-Israely. Notifirin'ireo miaramilan'ny IDF i Anwar efa taty aorian'ny fampihàrana ny fampitsaharana ny fifampitifirana teo amin'ny Hamas sy Israely, taorian'ny ‘opération’ Andry ho Fiarovana. Nandray ny filazan'ny IDF ireo media Israeliana fa hoe  Anwar sy mpanao hetsi-panoherana 300 hafa dia niezaka ny handingana ny sisintany sy hiditra tany Israely. Lahatsary iray misy ilay tranga no mampiseho fa raha ny marina dia manakaiky ny 30 no isan'ireo mpanao hetsi-panoherana ary tsy teny akaikin'ny fefy manasaraka ny sisintany ry zareo tamin'ny fotoana nitifiran'ny IDF an'i Anwar.

Ilay bilaogera, Ishton, izay nanoratra lahatsoratra amin'ny antsipirihany mikasika ity tsy fitoviam-pijery eo amin'ny fandrakofam-baovao Israeliana sy ny tena zava-misy ity, dia nanamafy hoe:

זה לא רק צה”ל שמפעיל כוח בלתי סביר בעליל, אלא גם התקשורת. ומה נותר לנו? לחפש באתרי חדשות מהעולם את האמת? לכתוב פוסט שיקרא על ידי אלפים בודדים ויותיר מיליונים חשופים לאש החיה של התסלופת הישראלית? כמו עם הפלסטינים, כמו עם אנואר, זה פשוט לא כוחות. כנגד סרטוני יוטיוב ופוסטים בשולי השוליים, עומדת התקשורת ומפגיזה את הקורא – אם בידיעות מעוותות ואם בחוסר ידיעות על האמת… אתם, העיתונאים והעורכים, החתומים על הכתבות הללו, מרגישים בנוח בגלימה השחורה, שאיש לא התיר לכם ללבוש. אתם חורצים את דינם של אנשים, שלא נותר להם בית משפט אחר מלבד התקשורת (כי בתי המשפט שלנו לא יקשיבו להם). ובמחיקתם וסילופם, בכך שאתם “רק עושים את תפקידכם” כשופרי דובר צה”ל, אתם אינכם מדווחים את המצב, אלא מייצרים ומנציחים אותו.

Tsy ny IDF monja irery ihany no mampiasa herisetra tafahoatra, fa ny media ihany koa. Inona ary sisa no tokony hataontsika? Hikaroka ireo tranonkalam-baovao iraisam-pirenena mba hahitàna ny marina ve? Hanoratra lahatsoratra iray izay hovakian'olona an'arivony vitsy monja nefa hamela ny an-tapitrisa ho voasasa atidoha amin'ny fampielezan-kevitra Israeliana? Toy ny [disadisa Israeliana] miaraka amin'ny Palestiniana, tsy mitovy ny hery.  Manohitra ireo lahatsary YouTube sy ireo lahatsoratra ivelan'ny sehatra, dia mijoro ny media, izay manao fafy kantrana amin'ny vaovao diso ho an'ny mpamaky, na tsy mitatitra tsotra izao ny zava-misy marina… Ianareo, mpanao gazety na tonian-dahatsoratra, izay tomponandraikitra amin'ireny tatitra ireny, dia mahatsiaro ho mahazo aina ery ao anatin'ny rebareba mainty [maha-mpitsara] anareo, izay tsy nisy namela anareo hitafy izany akory. Ianareo no manao ny mafana sy ny mangatsiaka amin'ny fiainan'ny olona izay tsy manana fitsaràna hianteherana intsony afa-tsy ny media (satria tsy te-hihaino azy ireo ny fitsarantsika). Tsy mitatitra ny toe-draharaha misy ianareo rehefa disoinareo ny marina na foananareo mihitsy, rehefa hoe “manao ny asanareo fotsiny ianareo” amin'ny maha-mpitondra tenin'ny IDF anareo, fa mamorona sy manao izay haharetan'izany mandrakizay…..

Il n'y a pas que l'Armée israélienne qui emploie une force excessive, les médias aussi. Que nous faut-il donc faire ? Faire une recherche sur les sites d'informations internationaux pour connaître la vérité ? Ecrire un billet de blog qui sera lu par quelques milliers mais laissera des millions de personnes en proie à la propagande israélienne ? Tout comme dans le conflit [entre Israël et] la Palestine, on ne se bat pas à armes égales. Contre des vidéos sur YouTube et des billets de blogs marginaux, s'élèvent les médias, qui bombardent le lecteur de fausses informations ou se contentent de ne pas exposer la vérité… Vous, les journalistes et les éditeurs, qui êtes responsables de ces reportages, vous vous sentez à l'aise dans vos robes noires [de juges], que personne ne vous a autorisés à porter. Vous décidez du destin de gens qui n'ont plus de recours qu'auprès des médias (car la Justice ne veut pas les entendre). Quand vous déformez la vérité ou que vous l'effacez, quand vous ne “faites que votre travail” en tant que porte-paroles de l'armée, vous ne rapportez pas la situation, vous la créez et vous la perpétuez.

Mitombo hatrany hatrany, ireo olon-tsotra mpampahalala vaovao sy bilaogera mameno ny banga amin'ny fandrakofam-baovao navelan'ireo media Israeliana mahazatra. Ireo bilaogera toa an-dry Ishton, Idan Landau, Yossi Gurvitz, Haggai Mattar, Noam Rotem, ary Yair Kaldor dia mandrakotra sy mitondra fanehoankevitra amin'ireo olana izay mazàna no tsinontsinoavin'ny media Israeliana mahazatra.

ISN logoIty lahatsoratra ity sy ny dikanteniny amin'ny teny Espaniola, Arabo ary Frantsay dia nangatahan'ny International Security Network (ISN) ao anatin'ny fiaraha-miasa hikatsahana ny feon'ireo olon-tsotra momba ny fifandraisana iraisam-pirnena sy ny fandriampahalemana manerana ny tany. Lahatsoratra navoaka voalohany tao amin'ny bilaogin'ny ISN, jereo ato ireo lahatsoratra mitovitovy aminy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.