Etazonia: Mitsangana Hanarina Ny Faharavana Ny Occupy Sandy

Iray volana izay no nisian'ilay tafio-drivotra Sandy nandravarava tao Avaratra-Atsinanan'i Etazonia; na dia izany aza, mbola mitohy foana ny ezaka famonjena taorian'ity loza voajanahary ity. Raha nitady famonjena ho an'ireo fianakaviana an-jato an'arivony ny fanampiana federaly sy ny kaonseritra tahaka ny 12.12.12 nokarakarain'i Bruce Springsteen, nirotsaka an-tsehatra ihany koa ny hetsika tahaka ny Occupy Sandy mba hiasa avy hatrany rehefa notombanana ny totalin'ny fahapotehana.

Nokarakarain'ny vondrona InterOccupy noforonina hikarakarana fivoriambe, hisarihana olona sy ny vondron'asa hampiroboroboana ny fifandraisana ifanampiana ny Occupy Sandy izay anatin'ny hetsika Occupy (Bodoy). Araka ny voafaritra ao amin'ny andraikiny, mitady izay hahafa-po ny filàn'ny 99 isan-jato ny Hetsika.

Tahaka ny tamin'ny Occupy Street (Bodoy ny lalana), nampiasàna ny tambajotra sosialy ihany koa ny Bodoy Sandy hanairana fahazotoana. Nahatonga ny famoronana ny foibe an-tserasera maromaro antsoina hoe hubs, izay ahitan'ny tsirairay, ankoatra ny hafa, ny kaonty Twitter toy ny @OccupyIsaac, mba hanangonam-bola ho an'ireo niharam-boina tamin'ny tafio-drivotra namely an'i New Orleans, sy ny @OccupySandyNJ, ho fandrindrana ireo ezaka famonjena ao New Jersey. Tahaka izany ihany koa, nanjary lohahevitra nironana tao amin'ny twitter ny tenifahatra #occupysandy, mampiseho ny fihantraikan'ny vitan'ny mpiserasera.

Azo jerena eny an-tsefatsefan'ny 99 isan-jato ireo fiarahamonina maroloko nandalovan'i Sandy sy ny fanambin'ny fikambanana tahaka ny endriky ny Occupy Sandy, araka ny fanamarihana nalefan'ny Truthout.org

Ampolony taona maro izay, nahamosarena fampiasam-bola ireo mpiray vodirindrina mainty sy volontany matroka ny fametrahana tsipika mena nataon'ireo fikambanana mpamatsy vola toy ny orinasa momba ny tany aman-trano, ny banky ary ny orinasam-piantohana ka nanaovana ireo mahantra ireo ho an-jorombala ara-jeografika. Nanampy nahazoana antoka fa ireo fiarahamonina ireo no tena voa mafy tamin'ny loza voajanahary toy ny tafio-drivotra Sandy izany tantaran'ny fanaovana an-jorombala ara-toekarena sy ara-tsosialy azy ireo izany. Ny fanamby atrehin'ny Occupy Sandy sy ny fikambanana eny amin'ny fototra mitovitovy aminy ankehitriny eo amin'ny ezaka fanarenana dia ny hananganana fiarahamonina matanjaka manodidina ireo tsy rariny miorim-paka lalina ireo amin'ny alalan'ny lasitry ny tontolon'ny rariny, raha mbola manangasanga ny fifanandrinana amin'ny tontolon'ny fanavakavaham-bolonkoditra.

Tao amin'ny Twitter, niresaka momba ny andraikitry Occupy Sandy ny mpiserasera. Mpisera thelaughingman (@EcBillofRights) niresaka momba ny olana:

@EcBillofRights: @Hakem_Burhan Vokatr'izany, nisy ny #OccupySandy mba hamaha olana izay tsy voavahan'ny manampahefana ao NYC.

Daniel Solomon (@danatgu) nankalaza ny fankatoavan'ny sampan-draharahan'ny polisy ao an-tanànan'i New York ny Occupy Sandy:

@danatgu: Somary mahagaga: ny fankatoavan'ny NYPD (sampan'ny polisy ao New York) ny fandaharan'asa fifanampiana amin'ny #OccupySandy : http://bit.ly/RD0Ul0.

Tahaka izany koa i Carrie M (@CarrieM213) nitehaka ny ezaka ataon'ny Occupy Sandy:

@CarrieM213: Marina tokoa. Soa ihany, tsy noforonina ny #OccupySandy mba hahazo dera sy laza avy amin'ny orinasa sy ny olo-malaza. Fantatsika fa manampy ny vahoaka isika!

Tsy ny mpisera Twitter ihany no mahita ny ezaka maha-te-hidera nataon'ny Occupy Sandy. Fa nitsidika faritra iray ravan'ny Tafio-drivotra Sandy ny Ben'ny tanànan'i New York, Michael Bloomberg ary niarahaba ny ezaka vitan'ny hetsika, araka ny asehoan'ity lahatsary manaraka ity:

*Hajiantsary nalaina tao amin'ny lahatsary.

 

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.