Mangina Amin'ny Voina ao an-Toerana ny Media ao Shina

Ankizy 20 no maty nandritra ny tifitra variraraka tany Connecticut, Etazonia tamin'ny 14 desambra 2012. Tonga dia nahahenika an'i CCTV manerana an'i Shina iray manontolo ny vaovao mampalahelo ary lohateny lehibe tamin'ny gazety tany Shina.

Nandritra io andro io ihany dia nisy voina hafa nitranga tao afovoan'i Shina tao: nisy lehilahy iray nanatsatoka antsy ka nandratra ankizy 22.

Saingy, voasivana avy hatrany ny vaovao. Tsy nisy na iray aza ny gazety sy ny filazam-baovao Shinoa nanamarika io voina nitranga tao an-toerana io. Ny hany loharanom-baovao nahitana ny vaovao dia tamin'ny alalan'ny Weibo, twitter-n'i Shina irery.

A screen shot of the report on the school stabbing on Anhui TV from youku

Pikantsary ny tatitry ny tsatok'antsy ao amin'ny TV Anhui hita ao amin'ny youku

Nahasarika ny olona io fomba fihetsiky ny CCTV sy ireo fampitam-baovao lehibe roa ireo, izay vetivety dia lasa lohahevitra mafana indrindra ao amin'ny Weibo [zh]. Mampitaha ny fomba fanehoana fifankatiavana ho an'ny ankizy any Etazonia sy any Shina ny mpiserasera ary manontany ny tsy sivana tsy ara-drariny sy ny tsy fanajana ny zon'olombelona any Shina. Miezaka ny mitati-baovao amin'ny alalan'ny famoahana ny sarin'ireo ankizy maratra amin'ny alalan'ny Weibo ny sasany amin'ireo mpiserasera.

Eto ambany ny sasany amin'ny fanehoan-kevitra avy amin'ny bilaogera sy mpaneho hevitra malaza ao amin'ny Weibo [zh]:

大鹏看天下: 【你们不报道,我们自己来!】美国孩子出事,奥巴马垂泪,全美降半旗,中国中央电视台《新闻联播》发头条。中国孩子出事,当地教育局的干部在办公室开着暖气玩游戏,各大媒体全部噤声,无耻地沉默,仅在微博能看到一些零碎消息…这是目前可见的照片集合。

大鹏看天下: Rehefa tsy hitatitra io ianareo dia ho ataonay ihany! Raha narahirana ny toe-javatra tany Etazonia dia nitomany i Obama ary nampidina ny saina ho eny amin'ny atsasaky ny firenena iray manontolo. Nataon'ny CCTV lohateny lehibe ihany koa ny zava-nitranga. Mifanohitra amin'izany kosa fa raha maratra ny zaza shinoa, mbola milalao jeux ao amin'ny biraony ny tompon'andraikitry ny fampianarana ao an-toerana. Mangina ny gazety be mpanaraka rehetra, fahanginana mahamenatra. Amin'ny alalan'ny Weibo ihany no mba ahitana ny sombiny kely momba ny vaovao…indro ny raki-tsarin'ny zaza naratra.

小蝴蝶碎碎念:愚民政策,能愚到哪一天,以人为本,可笑!

小蝴蝶碎碎念:Mbola haharitra mandrapahoviana moa ny politika natao hanitsakitsaka ny olona? Matetika ry zareo no miteny hoe “Fototra tsy maintsy ilaina ny vahoaka”. Fahadalàna izany!

韩志国:美国发生校园枪击案,这一消息一瞬间覆盖了中国媒体,大部分是头条新闻;同一天,河南光山县发生校园伤害案,主流媒体似乎都在装聋作哑,只在微博上才能看见。主流媒体如此迥异的态度,是因为中国儿童的生命不值钱吗?

韩志国:Hita amin'ny gazety shinoa rehetra ny famonoana tany Etazonia, ary saika lohateny lehibe hatrany; amin'izany andro izany, manakipy maso amin'ny toe-javatra niseho teto Shina ny gazety be mpanaraka, izay hita amin'ny Weibo irery ihany. Fihetsika roa samihafa no ataon'ny gazety, satria ve tsy misy dikany loatra ny ain'ny zaza shinoa?

 假装在纽约: 不要怪央视一整天都在报美国校园枪击案却对河南的校园砍人事件漠不关心了。领导的孩子都在美国啊。

假装在纽约: Aza tsiniana ny CCTV raha nitatitra nandritra ny andro ny tifitra tao amin'ny sekoly amerikana, saingy tsy nitatitra kosa ny tsatok'antsy tany Henan. Ka any Etazonia daholo ny zanaky ny manampahefana ambony koa!

慕容雪村: 中国和美国同时发生校园惨案,有关部门下达禁令,禁止报道自己家的丑事,于是各报纸,各电视开始大张旗鼓地报道美国惨案,他们做回顾,做总结,做分析,然后异口同声地大叫:看这万恶的资本主义!

慕容雪村: Nisy voina nitranga tao anatin'ny fotoana iray tao amin'ny firenena roa tonta. Nandrara ny fitatera-baovao ao amin'ny fireneny ny departemanta miandraikitra izany, ka dia ny voina tany Etazonia no notateriny hatramin'ny antsipirihany. Mamerina ny fijerena azy ry zareo, mamintina, manadihady ary dia miara-miredona: Jereo ny kapitalisma ratsy!

李宪法-:…..记者说封锁消息是各地各级政府应对天灾人祸的标准模式。

李宪法-:Miteny ny mpanao gazety fa ny sivana no lasitry ny fomba fijerin'ny governemanta amin'ny ambaratonga rehetra raha misy voina mitranga.

浪子布回头:《新闻联播》头条播出美国校园枪击案,就在同一天,河南光山县发生校园伤害案,22名学生被砍伤,他们却不置一辞!央视这种无视国民生死的恶劣行径,必须批判!必须向国民道歉!

浪子布回头: Ataon'ny vaovaon'ny CCTV lohateny lehibe ny fandripahana tany Amerika; saingy, nandritra izany andro izany, tsy nisy filazana sompirana akory tamin'ny faharatran'ny mpianatra 22 tany Shina. Tokony tsikeraina izany tsy fijerena ny ain'olo-tsotra izany! Tokony hiala tsiny amintsika olom-pirenena ry zareo!

Ao anatin'ireo hatezerana an-tserasera mankany amin'ny governemanta sy gazety shinoa, dia misy feo iray hafa. Hu Xijin, lehiben'ny fanoratan'ny gazety mpisolovava ny governemanta Global Times niezaka ny hamily ny fifantohan'ny mpiserasera hitodika any Etazonia amin'ny fitsikerana ny governemanta amerikana [zh]:

胡锡进:美国小学枪击案致28死,不仅这种枪击案的反复发生骇人听闻,美国政府的不作为同样令人吃惊。难道这不是人权灾难吗?美国校园发生枪击案比中国校车出事造成孩子死亡多多了,但美国政府在袖手旁观。我不明白美国的家长们为何能够忍受。可怜那些孩子。

胡锡进:Niafara tamin'ny fahafatesan'olona 28 ny fandripahana tao amin'ny sekoly ambaratonga fototra Amerikana. Tsy hoe mampihoron-koditra ihany ny tifitra tahaka izany, fa mahatalanjona ihany koa ny fihetsiky ny governemanta Amerikana. Tsy voina eo amin'ny zon'olombelona ve io? Niteraka fahafatesana betsaka kokoa noho ny lozam-pifamoivoizan'ny fiara fitaterana mpianatra shinoa ny tifitra variraraka tany amin'ny sekoly Etazonia, saingy mbola mijoro ny governemanta ao Etazonia. Tsy azoko hoe ahoana no izakàn'ny ray aman-dreny Amerikana izany. Mampalahelo ny ankizy.

Tsy nanako ny fanehoan-kevitr'i Hu, ary nitsena tsikera maro aza. Namaly ny mpiserasera iray [zh]:

段郎说事: 美国政府是否作为,由美国人民去判断和处置,胡操什么心?还是多操心家门内的孩子安全吧!

段郎说事: Ny vahoaka Amerikana no hitsara ny fomba nataon'ny fitondrana ao Etazonia amin'ity raharaha ity. Fa inona no dia tena atahoranao? Angamba tokony hiahiahy kokoa amin'ny fiarovana ny ankizy eto an-toerana ianao!

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.