Football: Iza no Mitàna Ny Zava-Bita Tsara indrindra, Messi avy any Argentina sa Chitalu avy any Zambia ?

Saiky montsan'ilay mpilalao baolina fandaka Argentiniana Lionel Messi avokoa ny zava-bita tsara indrindra amin'ny baolina voarakitra ka anisan'izany ihany koa ny baolina tafiditra tanatin'ny taom-pilalaovana iray, sa tsy izay moa?

Nisy azo nampifaninanina tamin'i Messi, izay mahavalalanina jerena rehefa milalao miaraka amin'ny ekipany ao amin'ny la Liga izay tsy iza fa ny FC Barcelona, nisongadina tany Zambia – tao amin'ny bikana mpilalao baolina fandaka izay efa maty roapolo taona lasa izay.

Godfrey Chitalu moa dia niaraka tamin'ny mpitantana sy ny mpiray ekipa 30 hafa raha nianjera tao Gabon tamin'ny 28 Avrily 1993 ny voromby mitondra ny ekipam-pirenena Zambiana handeha hilalao any Senegal ao anatin'ny fifaninanana fifanitsanana fiadiana ny amboara manerantany.

Godfrey Chitalu dia fanta-daza avy amin'ny anaram-bositra Ucar, ary mpanazatra ny ekipam-pirenena tamin'ny fotoana nahafatesany. Ucar izay efa lasa tahaka ny fanampin'anarany – dia avy amin'ny tanjany toa tsy ho lany eny ambony kianja tahaka ny vatoaratra UCAR (namboarin'ny Union Carbide) izay mamelona ny vata fampielezam-peo ihainoan'ny olona ny resaka momba ny football.

Habaka iray, ny Bleacher Report, nanamarika an'i Chitalu izay nalaza ho nahatafiditra baolina 107 nandritra ny taom-pilalaovana 1972:

Don't rewrite that record book just yet—unless the name Godfrey Chitalu is going in.

Aza mbola manoratra io zava-bita tsara indrindra io aloha – raha tsy efa tafiditra ao ny anaran'i Godfrey Chitalu.

nalaza vetivety ao amin'ny Twitter ny anarana Godfrey Chitalu rehefa notaterin'ny gazety tandrefana ity lazaina ho fanamontsanana zava-bita tsara indrindra an'i Messi ity.

@oluwashina Dear Messi, yes you've surpassed Gerd Muller's record but not Godfrey Chitalu's 107 goals in a calendar year 1972. *In MJ's voice – Beat it*

Atoa Messi, nihoaranao ny zava-bita tsara indrindra an'i Gerd Muller fa tsy ny 107 tafiditr'i Godfrey Chitalu tamin'ny taona 1972. *amin'ny feon'i MJ – Reseo io* [naotin'ny mpandika: hiran'i Mickael Jackson hoe Beat it]

Mpisioka iray miady hevitra amin'ny zava-bitan'i Messi ary hita ho miampanga ny fampitam-baovao tandrefana ho mitongilana, no nanoratra:

@bishopskid14 @world_dream that goal record is held by godfrey chitalu another example of clear bias

Notazonin'i Godfrey Chitalu io zavabita tsara indrindra io, ohatra hafan'ny fitongilanana

UKZambians, habak'olom-pirenena miorina any Angletera no nanatsonga ny tenina manampahefana ao amin'ny Football Association of Zambia (FAZ) na karazana federasionan'ny baolina fandaka any Zambia:

Even as the world has been looking at Lionel Messi’s record, breaking Gerd Muller’s, the debate and discussion back here has been why Godfrey’s goals are not being recognized. What we are doing is, we have commissioned an independent team locally to go back into the archives and record minute-by-minute each of those goals. The team that we have put together is going to calculate all of those goals, recording which ever game or tournament they were scored in.

We will then send that to CAF [Confederation of African Football] and FIFA so that we can show that, while Messi’s record is there, while Muller’s record is there, the actual record holder in terms of goals per calendar year is actually an African. It’s actually Godfrey Chitalu.

Na dia efa nahita ny zava-bitan'i Lionel Messi nanamontsana ny an'i Gerd Muller aza izao tontolo izao, ny adi-hevitra eto dia hoe nahoana no tsy nekena ny baolina tafiditr'i Godfrey. Ny nataonay dia ny nanendry ekipa tsy miankina eto an-toerana hijery ny arsiva ka handrakitra isa-minitra ireo baolina tafiditra ireo. Eo am-panisana ireo baolina tafiditra ireo ny ekipa napetrakay, mandrakitra ny lalao na fifaninanana rehetra nahatafiditra ireo baolina ireo.

Halefanay any amin'ny CAF sy ny FIFA io rehefa avy eo entintsika hampisehoana fa, raha io ny zavabitan'i Messi, raha io ny zavabitan'i Muller, ny tena mitana ny zava-bita eo amin'ny baolina tafiditra ao anaty kalandary [taom-pilalaovana] dia Afrikana. Godfrey Chitalu io no tena marina.

Mety ho adi-hevitra ny hoe tamin'izany fotoana izany ny baolina fandaka Zambiana mbola tsy andraisam-bola tahaka ny ankehitriny, saingy manantena ihany ny mpitia football zambiana fa farafaharatsiny mba hihatsara avy amin'ity tantara ity ny zava-bitan'izy ireo tsara indrindra.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.