Mpianatra Maro Nanao Hetsi-Panoherana Eran'i Hongria Ho Fiarovana ny Fampianarana Tsy andoavam-bola

Any Hongria, ambetin-dresaka mahaliana hatrany amina ady hevitra ny rafi-pampianarana tsy andoavam-bola ho an'ny sarambabem-bahoaka.Tamin'ity herinandro ity, nivadika nanjary ho hetsi-panoheran'ireo mpianatra nanerana ny firenena izany ady hevitra izany.

Nanomboka ny Alatsinainy 10 Desambra izany fanoherana izany, ary mbola nitohy hatramin'ny androany Alakamisy izany taorian'ny fanambaran'ny [hu] governemanta, fa ny taona 2013 dia mpianatra 10480 amin'ny lisea ihany no azon'izy ireo hovatsiana ara-bola. Ireo izay tsy ho afaka handoa ny saram-pianarany dia afaka hanao findramam-bola, fa ireo izay “manam-bitana” dia tokony hanao sonia fifanarahana mampanantena fa hijanona sy hiasa ho an'ny firenena mandritra ny taona maromaro rehefa mahazo ny mari-pahaizana, izany dia ho solon'ny famatsiana ara-bola ny fianarany.

Mpianatra Hongroà aman-jatony no nameno ny lalàm-be ho fanoherana izany ‘fifanarahana amin'ny mpianatra’ izany (modely amin'ny teny anglisy [.pdf] dia eto) – sy ilay famerana mihoampàpana ny isan'ireo mpianatra tafiditra amin'ny fampianarana ambony. (tamin'ny 2011, isan'ireo tafiditra ambaratonga voalohany dia mpianatra 40,610 ; tamin'ny 2012 – mpianatra 33,927).

Ireo antontan'isa vaovao ihany koa dia mampiseho ny tena hevitry ny governemanta ny amin'ireo mpianatra mpiofana manokana amin'ny siansan'ny mahaolona, siansa sosialy, lalàna ary ny toe-karena:  nihena ny isan'izy ireo. Mihevitra ny governemanta fa ireo avy amin'ny siansa mahaolona sy siansa sosialy dia tsy mamokatra firy ho an'ny firenena, fa kosa ny fahaizana ny lalàna sy ny toe-karena no, mazava ho azy, hahazoan'ny mpianatra asa be karama kokoa ary dia ho afaka hamatsiany ny fianarany [hu]. Tamin'ny Jona 2012, ny Praiministra Hongroà Viktor Orbán dia niresaka [hu] mikasika “ireo mpianatry ny siansa mahaolona [mandany andro any amin'ireny trano fisotroana ireny].” Ny isan'ny mpianatra novatsiana tao amin'ny sampana kajy mirindra, injeniera ary ny siansan'ny zavaboary, etsy andanin'izany, dia nitombo tamin'ny 2011, hoy ireo habaka mpilaza vaovao  hoan'ny mpianatra Eduline [hu].

Mpianatra maro manao fihetsiketsehana any Budapest ho fiarovana ny fampianarana ambony tsy andoavam-bola. Sary avy amin'ny David Ferenczy, zon'ny mpamorona © Demotix (10/12/2012).

Ireo fanoherana amin'izao fotoana izao [hu] ao Bodapesta sy ireo tanàn-dehibe hafa dia nokarakarain'ny sendikan'ireo mpianatra ao an-toerana manana anarana hoe Hallgatói Hálózat (“tambajotran'ny mpianatra”) na HaHa, ny Fikambanan'ny mpianatra nasionaly (HÖOK), ny Tambajotran'ny Mpampianatra oniversite (Oktatói Hálózat, OHA), ny Tambajotran'ny fahalalàhana amin'ny fandaharan'asam-pampianarana (Hálózat a Tanszabadságért, HAT) ary ny Tambajotran'ny Ray aman-dReny(Szülői Hálózat).

Hatramin'izao fotoana, mbola maka elanelana amin'ireo sendikan'ny mpianatra eo an-toerana ry zareo Foiben'ny Sendikan'ny mpianatra indrindra moa mikasika izao olana izao. Ny mpikambana ao amin'ireo sendika eo an-toerana dia nameno ny oniversite tao Budapest [hu] tamin'ny Febroary, nefa nomelohan'ny [hu] Foiben'ny  Sendikan'ny mpianatra ao amin'ny oniversite izany hetsika izany. Ankehitriny dia toa efa mikambana ireo sendikan'ny mpianatra hiara-mientana amin'izany fanoherana izany.

Nanomboka ny Alatsinainy izany fanoherana izany tany atsimon'ny Hongria tanànan'i Szeged, izay nanaovan'ireo mpianatra fitokonanana teo amin'ny biraon'ny Governemanta:

Tato aoriana, HaHa sy ireo Fikambanana rehetra hafa dia nanangana sehatra tamina valan-dresaka tao amin'ny iray amin'ireo fonenan'ny mpianatra ao amin'ny oniversite ELTE, izay nanapahan'izy ireo teboka fototra dimy ampiana iray [hu] izay tena mila fivoarana:

1. Mangataka ny fanavaozana tanteraka ny rafi-pampianaran'ireo sekolim-panjakana sy ny an'ny Ambaratonga ambony izahay!

2. Tokony haverina ny isan'ireo mpianatra tafakatra kilasy farafaharatsiny ireo tamin'ny 2011!

3. Tokony hajanona ny fihenan'ny fanampiana ara-bola, ary fenoina ny volan'ireo izay nesorina!

4. Tokony foanana ireo fifanarahana an-tsoratra nataon'ny mpianatra!

5. Tokony tsy ho ferana ny fahaleovan-tenan'ireo Oniversite!

+1: Izao fanavaozana lehibe izao no hatao dia ny mba hahazoan'ireo mpianatra avy amin'ny fianankaviana sahirana hanana anjara amin'ny fianarana ambony.

Mpianatra mpitokona midina ny tetezana Petőfi ambonin'ny reniranon'ny Danube ao Bodapesta. Sary avy amin'i David Ferenczy, zon'ny mpamorona © Demotix (10/12/2012).

Tamin'ny Alatsinainy, nobahanan'ny mpitokona ilay tetezana iray mandalo ny renirano Danube, dia avy eo nandalo ny Parlemanta, izay toerana nanambarana ilay ‘teboka dimy ampiana iray”, ary avy eo nifarana ny filaharana ka nibahana tetezana hafa indray. Raha araka ny hevitry ny Eduline [hu], ilay filaharana tany Bodapesta dia nanomboka teo amin'ny manodidina ny amin'ny 3 ora tolak'andro ary nifarana teo amin'ny manodidina ny tamin'ny 8 ora sy sasany alina teo amin'ny Lalàna Adam Clark.

Ny bilaogin'i Kettős Mérce dia namintina ny vokatr'iny zava-nitranga tamin'ny fanoherana ny Alatsinainy iny nanao hoe “Nanomboka ny ho avy” [hu]. Nomarihan'izy ireo fa izany filaharana izany dia tsy natao ho mariky ny fihetsika demokratika fotsiny ataon'ireto tanoran'ny firenena ireto fa fanehoana ihany koa ilay teboky ny dimy ampiana iray mampiseho ny firaisankina miaraka amin'ireo tsy manana:

[…] Ny Fandresena omaly dia tsy ilay misoratra eo amin ny voalohan'ny pejy amin'ny gazety mpiseho isan'andro fotsiny fa kosa ho aminà zavatra roa loha. Ilay fanoherana omaly  izay nanalavitra ny Demokrasia dia tena nahomby tokoa; fisafidianana hatrany ny vahaolana demokratika, na dia tsy ilay zavatra [mitovy] nandrasan'ireo mpikarakara aza no nitranga. Satria ireo mpikarakara dia nihevitra ny hameno ny Oniversite. Fa ny ankamaroan'ny olona kosa namonjy [hameno] ny tetezana. Ary dia nandresy lahatra ny ankamaroan'ireo mpikarakara tamin'izany; nefa taorian'ny ady hevitra sy fandresen-dahatra dia ny demokrasia no namoaka ny fanapahan-kevitra, izay tsy avy tamina tenin'olon-tokana, fa tamin'ny fanarahana ny fanapahan-kevitr'ireo olona izay tena manana ny maha izy azy ka tsy voahozongozon'ny fijery maro isan-karazany.

Fa ny Fandresena omaly, ho fanampin'izany, dia tanteraka tamin'ny nisian'ilay teboka nanampiana ilay teboka dimy narafitry ny HaHa mialoha. Nisy olona tonga nanone hevitra fa tsy tokony ho ny mahatery ny mpianatra ihany no ho resahina fa eo ihany koa ny mikasika ny fiaraha-monina amin'ny ankapobeny ihany koa. Momba ny Hetsika sosialy, raha misy olona iray mahantra, tsy hisanda mitovy amin'ny manana izy, fa ny rafim-pampianarana amin'izao fotoana izao, na omaly ary na tamin'ny folo taona lasa dia nisy fetra ary dia nanjary noferana hatrany hatrany izany nefa dia tena nampiantàna ireo zanaky ny manan-katao izany. Omaly, izany fomba fijery izany dia nitsipaka ilay fijery hoe ny fifaninana no natao ho fototra voalohany amin'ny fampianarana amin'ny sekolim-panjakana. Ary dia voatonon'ireo tanora marobe ny heviny ka niara-niaiky tao anatin'ny firaisankina sy niara-niteny fa tsy tokony hatao ho jerena voalohany ny fifaninana raha hanovo fahalalàna. […]

Izany petraka hafahafa izay noraisin'ny Foiben'ny Sendikan'ny mpianatra izany dia voaporofo tamin'ny alalàn'ny fihetsikin'ny Filohan'ny Firaisan'ny mpianatra ao amin'ny Oniversite an'i Szeged, Márk Török, izay niezaka nandresy lahatra ireo mpianatra izay niara-nitokona fa tsy ara-dalàna izao hetsika izao. HaHa dia nitatitra izany tao anatin'ny pejin'ny Facebook-ny ary nanontany [hu] izay tena maneho marina ny tombon-tsoan'ny mpianatra. Mba hanampiana ireo tanora, ny komity Hangariana Helsinki dia nanoratra tao amin'ny bilaoginy ireo fanontaniana mila valiny FAQ [hu] momba ny zon'ireo mpianatra mivondrona.

Tamin'ny Talata, ireo mpianatra avy ao amin'ny sampam-pampianarana ambony dia nanomboka nikarakara ny momba azy ireo ihany koa, nanokatra pejy maro ao amin'ny Facebook [hu] ary dia nanao fanoherana. HaHa dia nitatitra fa ireo mpianatra avy ao amin'ny sampam-pianarana ambony ireo dia nandeha nitety ireo lalàmben'ny tanànan'i Pécs any amin'ny faritra atsimo andrefan'i Hongria sy ny tanànan'i Békéscsaba faritra atsimo atsinanan'i Hongria. HaHa dia nampanantena fa hanohy ny fanoherana tao anaty Facebook [hu] raha namaly tamin'ny famoriana Mpanao Gazety nataon'ny Ministry ny Human Resources:

[…] Araka ny hevitry ny governemanta, na inona ataon'izy ireo amin'izao fotoana izao dia ‘fihariana ho amin'ny ho avy ‘ izany. Tsia. Na inona ataon'izy ireo amin'izao fotoana izao dia fihariana marina ho amin'ny fahapotehana ratrizay izany. Nanangana firenena iray izy ireo ka ireo zanaky ny tena manana ihany no afaka mahazo fampianarana ambony, firenena iray izay mampandositra amin'ny ambongadiny ireo fahaiza-manaon'ny tanora, izay ny ankamaroan'ireo nahazo fari-pahaizana dia tena vitsy mihoatra ny any amin'ireo firenena mandroso, ary firenena  izay tsy hisy fivoarana mihintsy.

Mampitandrina ny governemanta izahay tsy handainga intsony ary hanomboka hanamboatra ireo izay tokony ataony izy ireo amin'ny fampianarana, izany ataon'izy ireo hanoherany ny tenany fotsiny ihany fa hanoherany ny firenena ihany koa. Tsy avelanay hisy andrombaka eto am-pelatànanay ny hoavinay!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.