Ndeha Hitafa Amin'i Janet Gunter – Mpandray Anjara Amin'ny Global Voices

Na rahoviana na rahoviana ireo mpikambana amin'ny vondrom-piarahamonina Global Voices nomandeha mivahiny any aminà firenena hafa, mazàna izy ireny no mahita hatrany fomba hihaonana amin'ny iray na maromaro amin'ny mpiara-mikatroka ‘GVers’. Andro vitsy lasa izay,  Janet Gunter,  mpandray anjara avy ao Lima, Però, sy ny tenako dia nifandamina fa hihaona hiresaka ny lohahevitra Pisco Sours, sy hiresaka mikasika ny firotsahany an-tsehatra miaraka amin'ny GV.

Ireto ny fanontaniana vitsivitsy sy ny valiny avy amin'ny tafatafanay; eny anelanelany eny, jereo ny tafatafan'i Janet anaty lahatsary (Misy teny Anglisy voadika ery ambaniny):

Juan Arellano (JA): Ahoana no fomba nahatonga anao hirtsaka an-tsehatra tamin'ny GV?

Janet Gunter (JG): Tamin'ny alàlan'i Sarita [Mpamoaka Lahatsoratr'ireo Firenena Miteny Portioge ho an'ny GV], ary ny bilaoginay momba an'i Timor Atsinanana. Ny marina dia nihaona mivantana voalohany indrindra izahay tany Timor Atsinanana. Avy eo nihaona tamin'i Paula [Mpamoaka Lahatsoratra Amin'ny Fiteny Marolafy ho an'ny GV] teto Londona. Ho ahy ny GV dia midika fihaonana sy fiaraha-miasa aminà olona mahafinarira. Ao amin'ny lisitry ny mailaka ho an'ny GV Portioge, tsapako ho toy ny manana namana ampolony izany aho manerana izao tontolo izao, manana fahalinana sy soatoavina mitovy. Tena zavatra faran'izay tsy fahita firy izany ho ahy.

Janet Gunter, photo by pattamanuch.com used with authorization.

Janet Gunter, photo by pattamanuch.com used with authorization.

JA: Araka izany dia nanomboka niara-niasa tain'ny GV ianao, ho mpandika, mpanoratra, sa izy roa?

JG: Ho toy ny mpanoratra  – mandrakotra ny avy ao Afrika miteny Portioge. Avy eo rehefa nanomboka nanoratra tamin'ny teny Portioge ny olona, dia nanomboka nandika ny asan'izy ireo ho teny Anglisy aho. Ireo Afrikana mpanoratray no tena adikako be indrindra.

JA: Mba lazalazao anay ny anjara andraikitrao amin'ny fandrakofana manokana nataon'ny GV mikasika ny “Eoropa anaty Krizy“.

JG: Izaho no tompon-kevitra / mpanentana! Nonina tany Portiogaly aho nandritra ny telo taona ary tsapako fa ny zava-mitranga any dia manana lanjany manokana ho ahy. Nihevitra izahay sy Sara fa ilaina any ny fandrakofana bebe kokoa ny feon'olon-tsotra niaraka tamin'ny krizy niha-lalina tao Eoropa tamin'ny 2011. Ary noho izany dia nanomboka pejy iray ho Fandrakofana Manokana izahay, ary dia betsaka ny setriny mahafinaritra azo avy amin'ireo mpanoratra, mpandika sy avy amin'ny mpamaky anay. Fanampiny dia samy manana mpamoaka lahatsoratra “engagé” [engaged] daholo ny tranonkala GV Grika, Italiana, Espaniola, Portioge ary Frantsay. Tena zava-mahafinaritra tokoa ny mifanjohy sy mianatra mahalala ireo olona samihafa manerana an'i Eoropa. Mpanoratra sy mpandika eo amin'ny 60-70 eo izahay ankehitriny no mifandrimbona sy mifandray.

JA: Misy zavatra vaovao heverinao fa tokony hatao ve hanatsaràna ny fomba fandrakofan'ny GV an'i Eoropa (anaty krizy)?

JG: Mila fahana RSS izahay, ary ny idealy dia mila mpamoaka lahatsoratra iray saingy mitady mpanohana mikasika an'io.

Amin'ny maha-mpiasa tena miasa ho anà ONG ianao no sady anaty sehatra hafa ihany koa mandritra izany fotoana izany. Ahoana no ampifanarahanao izany rehetra izany izay indraindray dia tontolo tena samihafa mihitsy ?

JG: Miaraka aminà tsanganana 30 ao amin'ny kaontiko Tweetdeck ary tsy manana “fiainana manokana”! Raha lazaina amin'ny fomba matotra, tsinjoko fa betsaka amin'ny traikefako amin'ny maha-mpikatroka mafàna fo ahy – indrindra fa manodidina ny resaka tambajotra sy fifandraisana, no tena manampy tokoa ahy amin'ny fiainako eo amin'ny sehatry ny asa. Ao anatin'ny “tontolon'ny asa”,  marobe ireo mamaly tokoa amin'ny fomba miabo ny fomba famaritako manokana ny tenako, izay tena marina tokoa amin'izay zavatra mandrisika ahy sy ny karazan'olona toa ahy. Mifameno mandrakariva ny izaho manokana sy ny izaho amin'ny tontolon'ny asa. Raha izay no mahalaza azy. (Io no tena nivoaka rehefa “nanao kisarisary” ireo zava-mahaliana ahy aho.)

JA: Fanontaniana roa ary e : Inona no tena mandrisika anao? Ary, inona avy ireo fanamby efa natrehanao tamin'ireo asanao isan-karazany ireo?

JG: Inona no mandrisika ahy ve? Voalohany, ny olona hafa! Te-hiara-hiasa amin'olona mavitrika sy tsara aho. Ankoatry ny olona, ny fifangaroan'ny hetsika ho amin'ny rariny, ny fahaiza-mamorona, ary ny faniriana hivoaka hahita ny tontolo. Ny fanamby dia ny fiatrehana ny harerahana, ny rafitra tsy mamaly anao na tsy natao ho an'ny tena olona, ny mandresy lahatra ny mpitantana sy ny andrim-panjakana mba handray risika.

JA: Milaza ho mpizahatany tsy alehany ianao nefa sady mivezivezy be ihany ianao mandritra izany fotoana izany. Mba iresaho kely momba an'io izahay.

JG: Ny hany antony anangonam-bola na harena dia ny handaniana azy avy eo aminà fanandraman-javatra! Tsy manana trano aho, tsy manana fiara, tsy dia manan-javatra betsaka akory. Ho an'ny asa no tena ivezivezeko betsaka. Nefa koa tiako ny mandray fiarandalamby  misosa miadana sy mitsidika ireo namako maro any amin'ny toerana tena lavitra.

JA: Azonao zaraina aminay ve ny sasany amin'ireo zavatra goavna niainanao nandritra ireny dia ireny?

JG: Betsaka – izay raha atambatra dia ahavitana boky iray mihitsy! Tamin'ny ririnina farany teo aho nandray fiarandalamby avy any Los Angeles ho any New Orleans, fiaingàna avy ao amin'ny fianakaviako tao California, fiatoana tany amin'ny lemaka andrefan'i Texas nandritra ny roa andro ary niafara tany amin'ireo namako tany New Orleans. Nisosa niadana, majika, ary nampisaintsaina. Tia toerana babangoana aho, noho izany dia fiampitàna tsara indrindra i Texas. Tsy misy tahaka ny dia lavitr'ezaka atao irery ao anatinà fotoana fohy, avy eo tonga any aminà namana na fianakaviana. Tao New Orleans dia afa-nifandray indray tamin'ny namako efa tsy hitako elabe aho, ary tena midika zavatra betsaka ho ahy i New Orleans, taorian'ny niasàna sy nivezivezena tany Brezila sy toerana hafa. Avy eo aho nandeha nijery ny raibeko efa 94 taona izay teraka tao New Orleans, ary nandeha fiara nandritra ny roa andro nankany an-tanàna nahaterahako any St Louis, niaraka tamin'ny raiko, nankahatra ny fampitandremana mikasika ny tafiotra sady nihaino mozika ‘country’ tamin'ny fampielezampeo AM, tonga ara-potoana hihinana  ny lasopy mafana nataon'ny reniko ho sakafo hariva. Io no karazana dia lavitra tiako.

Ankoatry ny zavatra rehetra ataony amin'izao fotoana, mahita fotoana ho anà tetikasa azy manokana i Janet : tetikasa fiaingàna vaovao. Miresaka momba io tetikasa io izy ao anatin'ity lahatsary manaraka ity :

Afaka mahita an'i Janet ety anaty aterineto ianao eto ary koa ao amin'ny Twitter (@JanetGunter).

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.