Bengladesy: Voakiana ny Haino Aman-Jery Noho ny Tsy Famonjena ireo Tra-Doza

Nankalaza ny Andron'ny Zon'Olombelona ny Bengladesy tamin'ny Alatsinainy 10 Desambra 2012, niaraka tamin'ny tanjona ny hanazavana [bn] ny zo mifandray amin'ny olana miantraika amin'ny vehivavy, ny tanora, ny foko, ny mahantra sy ny fiaraha-monina natao an-jorombala ary mitarika azy ireo ho amin'ny lahateny fototra sy ny politika mifandray amin'ny dinidinika. Na izany aza, ny famonoan-ko faty feno habibiana an'i Biswajit Das 24 taona [bn], teo anatrehan'ny besinimaro sy ny haino aman-jery, tamin'io andro io, no vaovao tena nanintona ny fifantohan'ny firenena sy nahatonga ny lohateny lehibe tamin'ireo gazety lehibe, gazety boky, ary fantsom-pahitalavitra.

Mety ho tamin'ny fotoana tsy mety sy toerana tsy mety no nisy azy tamin'io. Notsatohana tamin'ny antsy mandra-pahafatiny i Biswajit rehefa tsy avotra intsony tamin'ny fifandonana mahery vaika teo amin'ny mpianatra mpanaraka antoko politika eo amin'ny fitondrana sy ny mpanohitra. Nohamaivainna izany satria noraisina ho isan'ny antoko mpanohitra izy, novonoin'ny ao amin'ny antokon'ny mitondra ao amin'ny governemantan'ny tanora i Biswajit ary dia naverimberina taminy foana ny fanatsatohana fitaovam-piadiana maranitra tamin'ny andro atoandro be nanahary sy teo imasom-bahoaka. Taty aoriana, maty teny an-dalana ho eny amin'ny hopitaly ity tanora ity. Tamin'ny 9 Desambra 2012 no niseho izany fotoana mahatafintohina izany, nandritra ny fotoana adiny 8 fanakanan-dalana nataon'ny mpanohitra izany.

Niely haingana dia haingana tao amin'ny Facebook sy Twitter ny sary sy lahatsarin'i Biswajit notsindrotsindronina. Mpampiasa Facebook maro avy any Bengladesy no nanameloka ny loza ary namoaka ity sary mahonena ity eo amin'ny pejiny ho fanehoana ny fanoherany. Tena niparitaka be ireo sary, namela ireo mponina amin'ny aterineto tamin'ny fahatairana amin'ny hoe zavatra toy izao dia mety hanjo azy mora foana.

Clashes on The Street

Nifarana ny fandaharam-potoan'ny vondron'ny mpanohitra nanankana ny lalam-be rehetra teo amin'ny firenena nandritra ny adiny 8, taorian'ny fifandonana izay namela olona efatra maty ary fandrobana sy doro-trano niparitaka tamin'ny faritra maro teo amin'ny firenena. Sary avy amin'i Ibrahim. copyright  Demotix (9/12/2012)

Mivaky toy izao ny fanambarana amin'ny Facebookn'i Pavel Mohitul Alam:

অবরোধ চলাকালে বিশ্বজিৎ কুমার দাস নামের এক পথচারীকে ধারালো অস্ত্র দিয়ে কুপিয়ে হত্যা করেছে ছাত্রলীগ কর্মীরা।
আমিও একজন পথচারী। বিশ্বজিতের জায়গায় আমি নিজেকে কল্পনা করেছি। বিশ্বজিৎ আর আপনার-আমার মধ্যে তো কোনো পার্থক্য নেই। আজ বিশ্বজিৎকে কুপিয়ে হত্যা করা হয়েছে, কাল রাস্তায় হাঁটতে গিয়ে যে আপনি বা আমি খুন হবো না, সেই নিশ্চয়তা কে দিবে?
স্বাভাবিক মৃত্যুর অধিকার বিশ্বজিতের ছিলো না, আপনার বা আমারও নেই।

Nandritra ny fanakanan-dalana, dia notsindrotsindronin'ny tompon'andraikitry ny Ligy Chhatra mandrapahafatiny i Biswajit Das, mpandeha tongotra sendra nandalo. Izaho koa dia mpandeha tongotra; tsy misy mahasamihafa ahy sy ianao ary i Biswajit. Manahy aho mihevitra fa ianao sy izaho koa dia mety hiatrika mora foana fiafarana mahatsiravina toy ireny – iza no andeha hanome toky anao fa tsy ho izany no zava-hiseho? Tsy manana zo ny ho faty araka ny tokony izy i Biswajit – mitovy amin'izany koa ny ahy sy anao. [Naotin'ny mpandika: vondrona mpianatra avy ao amin'ny antokon'ny mpitondra any Bengladesy amin'izao fotoana ny Ligy Chhata – ny Ligin'ny Bangladesh Awami]

Talohan'izao, maro ny olona efa maty tamin'ny ady mahery setra ara-politika tany Bengladesy. Indrisy nefa, fa tsy nisy na iray tamin'ireo maty mba nahita rariny. Nitatitra ny fivoaran'ny raharaha [bn] ny mpitoraka bilaogy Russel Pervez:

… বিশ্বজিতের মতো মানুষগুলো জনসংখ্যা শুমারীতে নিছক একটা অঙ্ক হিসেবে বেঁচে থাকে আর এমন রাজনৈতিক অপমৃত্যুতেও শুধু মৃতের ঘরে একটা বাড়তি টালির দাগ হয়ে মিলিয়ে যায়।

Mandany ny androm-piainany tahaka ny olon-tsotra rehetra ihany ny olona toa an'i  Biswajit izay isan'olona ao amin'ny fanisam-bahoaka, ary ity fahafatesana tsy nampoizina, tamina loza ity dia manampy isa fotsiny ny isan'ny fahafatesana efa nisy ary dia manjavona.

Voatsikera ny haino aman-jery

Raha nisy nanindrona i Biswajit, dia maro ireo vaovao avy tamin'ny soratra sy tamin'ny fantsona fahitalavitra no nanatri-maso, nefa tsy nisy na iray aza nanatona mba hamonjy an'i Biswajit. Loza aza, sahirana ery izy ireo naka sary sy nandrakitra lahatsary mikasika ny loza. Tena voakiana mafy mihitsy ny fihetsik'ireo tao amin'ny haino aman-jerim-bahoaka, indrindra teo amin'ny Facebook.

Nanoratra [bn] i Murtala Ramat  :

একটা মানুষকে কোপানো হচ্ছে, মারতে মারতে মেরে ফেলা হচ্ছে আর সংবাদকর্মীরা ক্যামেরা নিয়ে ছবি তুলতে ব্যস্ত!রক্তাক্ত মানুষটার জন্য অ্যাম্বুলেন্স ডাকারও সময় নাই! শেষ পর্যন্ত এগিয়ে আসতে হলো এক রিক্সায়ালাকে! প্রশ্ন জাগে সাংবাদিকতা কী মানবিকতার উর্ধ্বে উঠে গেলো নাকী!

Vonoina sy tsatotsatohana ny olona iray ary ny mpanao gazety kosa sahirana maka sary. Tsy nanana fotoana niantsoana vonjy taitra akory. Tamin'ny farany, mpanosika  posiposy no tonga. Ny fanontaniana izay tsy hapetraky ny tsirairay dia hoe ‘manana lanjany be lavitra noho ny famonjena ain'olona ve ny fakana vaovao'?

Niaro ny fakana sary ny loza niseho ny mpaka sary ny fahitalavitra ary tsy nisy olona nandray fanapahan-kevitra ny hiaro ny tra-doza. Sary avy amin'i Ibrahim. Zo nandikana Demotix (9/12/2012)

Nanakiana [bn] i Ali Sayed Mahbub :

… মঙ্গলবার ও হরতাল। আমাকে অফিসে যেতে হবে। পথচারী আমিও হবো। মিছিলের মাঝে পড়বো। ককটেল ফুটবে। ভয়ে দৌড় দিবো। তখন ছাত্রলীগ বা ছাত্রদল বা ছাত্র শিবির অন্য পক্ষের মনে করে আমাকেও এভাবে চাপাতি দিয়ে কুপিয়ে লাশ বানাবে।

২০টা টিভি চ্যানেলের ৪০ জন কর্মী, ২০টা নিউজ এজেন্সির ৪০ জন সাংবাদিক, অসংখ্য পুলিশ, অসংখ্য জনতা আমার মৃত্যুবরণ দৃশ্য দেখবে, ভিডিও করবে। ১০টা চাপাতিধারী পশুর বিরুদ্ধে ১০০ জন মানুষ দাঁড়াবে না। তারা ভিডিও করবে-হত্যা নিয়ে নিজস্ব প্রতিষ্ঠানের কাটতি বাড়াবে। আমার মত অধমের মৃত্যুর মূল্য বেড়ে যাবে বহুগুণ।

Tamin'ny Talata, nisy hetsi-panoherana ara-politika nomanina. Mila mankany amin'ny birao ny tenako. Mila mandalo ity hetsika ity. Hisy baomba hatsipy ao ary dia hitsoaka amin-tahotra ny tenako. Ary handiso ahy ny Ligy Chhatra na antoko hafan'ny vondron'ny mpianatra ao amin'ny antoko politika ary hamono hahafaty ahy.

Mpanao gazety efapolo avy amin'ny fantsona fahitalavitra roapolo sy isana mpanao gazety an-tsoratra mitovitovy amin'izany, kaontinanta goavana ana polisy tsy miankina sy vahoaka marobe no hijery fotsiny sy hanatri-maso, haka sary sy handrakitra lahatsary ny famonoana ahy ho faty nefa dia tsy hisy olona anjatony  hitsangana akory hanohitra jiolahimboto ifotony folo sahy mamono. Ho sahirana amin'ny fanaingona ny TRPn'ny fantsona ary hampiakatra ny sandam-bidin'ny gazetiny sy ny gazety-bokiny ny haino aman-jery. Ny vidin'ny fahafatesako no hiasa hahatonga ny tombontsoan'ny asan-dry zareo.

Nanoratra [bn] toy izao i Ekramul Haque Shamim:

পুরান ঢাকার জজকোর্ট এলাকায় চাপাতি দিয়ে কুপিয়ে, রড দিয়ে পিটিয়ে, লাঠির বাড়িতে রক্তাক্ত করে মারা হয়েছে বিশ্বজিৎ দাসকে। বার বার সে চিৎকার করে নিজেকে নির্দোষ দাবী করলেও তাকে রেহাই দেওয়া হয়নি। আশেপাশে এতো এতো মানুষ তা দেখছে, এতো এতো মিডিয়া ব্রেকিং নিউজের জন্য ফুটেজ সংগ্রহ করছে, এদের কেউ বিশ্বজিৎ দাসকে বাঁচানোর জন্য চেষ্টা করলো না!

Tamin'ny andron'ny Fitsaran'ny Mpitsara Dhaka taloha, nodarodarohana tamin'ny vy lavalava i Biswajit Das ary naverina foana ny fanindronana azy mandrapahafatiny. Tsy nijanona niantsoantso izy hoe olona tsotra ary tena mpandalo fotsiny nefa dia tsy namelan'izy ireo. Feno olona maro nefa manodidina, ary maro ny olona nandrakitra an-tsary ny zava-nisy ho toy ny vaovao mafana fa tsy nisy olona na iray aza nanatona azy nanandrana mba nanavotra an'i Biswajit!

Fire on vehicles

Mafana fon'ny vondron'ny antoko 18 mpitondra BNP no nandoro fiara vitsivitsy tany Kanchpur any Narayanganj nandritra ny fotoan'ny fanakanan-dalana. Sary nalain'i Ibrahim. Zo nandikana Demotix (9/12/2012)

Na izany aza nanohitra ny kiana nasesika natao tamin'ny haino aman-jery ny mpanao gazety an-tsary Hasan Bipul. Hoy izy mitsikera [bn]:

কোনোমতেই একমত পোষণ করতে পারছি না শামীম। যার যা কাজ তারই সেটা করা উচিৎ। এই ছেলেটিকে রক্ষা করার প্রথম দায়িত্ব রাষ্ট্রের এবং রাষ্ট্রের পক্ষ থেকে রক্ষার প্রথম উদ্যোগটি আসা উচিৎ ছিল পুলিশের কাছ থেকে। মিডিয়ার কাজ জন নিরাপত্তা দেয়া নয়।

Miala tsiny aho Shamim, fa tsy afaka ny hitovy hevitra aminao indray amin'ity. Tokony samy manao ny asany ny tsirairay. Tsy andraikitry ny haino aman-jery ny miantoka fiarovana ny isam-bahoaka. Asan'ny Fanjakana izany ary amin'ny mpanatanteraka lalàna ny Fanjakana, dia anjaran'ny polisy ny tonga manavotra ny tanora.

Na izany aza tsy vonona ny hanaraka izany lojika izany ny olona sasany toa an'i PsychoSaika ary nibitsika [bn] hoe:

@princess_saika: “তুই মানুষ, না সাংবাদিক?” – এই সময়ের জন্য একটা ভালো গালি হতে পারে এটা!

“Fa ianao ve olombelona sa mpanao gazety?” – Mety ho fiteny tsara, vaovao amin'izao fotoana izany hanafaizana olona.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.