Rivo-Doza Nandringana Ain'Olona Tany Filipina: “Nanidina Daholo ny Zavatra Rehetra. Tena Tsy Nampino.”

Rehefa lasa nisinda any anivon-drano nanaraka ny sisin-dranon'ny morontsiraka Avaratr'i Filipina ilay rivodoza Pablo (anarany iraisam-pirenena ny hoe Bopha), dia miady mafy hiarina sy hanangana ny vokatry ny haromontana mpandrava sy mahafatiny ireo akanga sisa nanamborana, ireo mpilatsaka an-tsitrapo ary ireo solontenan'ny governemanta taorian'ny nikopahany ny Nosy Mindandao ny 04 Desambra lasa teo.

Nahavaky fo mihitsy ireo antontan'isa navoakan'ny governemanta farany teo : 647 no maty, 1.482 no maratra mafy miampy 720 tsy hita popoka. Ary ambonin'izany rehetra izany, an'arivony ireo fianakaviana tsy maintsy nafindra toerana. Noho ny fahapotehan’ ireo fananana sy voly izay mahatratra hatramin'ny lavitrisa pesos maromaro, ity rivo-doza Pablo ity no nanjary rivo-doza izay tena nandravarava indrindra an'i Filipina tamin'ity taona ity.

Ninorey mampatsiahy ilay andro niaretan'izy mianakavy tamin'ny fandalovan'ny mason'ilay rivo-doza:

Trano iray izay potika tanteraka tao Baganga, Davao Atsinanana. Sary avy amin'ny @flippy0721

 

Tafiditra an-tanety tao Davao Atsinanana ilay rivo-doza Pablo (anarana iraisam-pirenena hoe Bopha)  ny 04 Desambra 2012, teo ho eo amin'ny 8-9 ora maraina. Ny tatitra voalohany dia mampiseho rivotra mahery sy rano miakatra. Efa niomana ho amin'ny tena ratsy izahay. Avy eo, tamin'ny 9 maraina, nihena ny heriny. Teo noho eo, dia nirotsaka tamin'ny fomba fanao rehefa loza mihatra ny tsirairay isam-pianankaviana, nanangona rano madio tamin'ireo barika foana rehetra, toy ny tamin'ny nandalovan'ilay rivo-doza Sendong teo aloha.

Teo dia nanomboka nisafotofoto mafy ny rivotra ka nisamboaravoara tsy nisy toy izany ny hazo. Niezaka nanangana famantaran-drivotra aho fa farafahakeliny ny roa tamin'ireo lasany avokoa. Ilay iray farany dia natao tamin'ny kofehy henjana sy plasitika manify ka nahatohitra tsara ilay rivo-mahery. Avy be tsy nisy ohatran'izany ny orana, ary nitatitra ny fiakaran'ny rano tsikelikely eny amin'ny renirano sy ny kamory tany amin'ny faritàny ny fampielezampeo.

Rehefa nanamboatra ireo nitete tamin'ny rihana misy anay aho, dia nifofofofo mafy be ny rivotra ka nanahirana be tokoa ny nihazona ny varavarana mba tsy ho voatosiky ny rivotra. Nanomboka nandihindihy sady nitsambikimbikina ihany koa ny tafontrano fanitso. (Ohatran'ny hoe mampihomehy izany, nefa rehefa tena renao marina tokoa, ho kotsa ny patalohanao. Tena mampatahotra ilay izy). Nikoropaka nanerana ny trano ny reniko, ary raha niezaka nampitony azy izahay, ny rivotra kosa nanomboka nisioka. Sioka mafy sady mampihoron-koditra izany ka tena saika nampitomany anay mihitsy. Nieritreritra aho, izaho lehilahy ity, tamin'ny fahitalavitra ihany no nahenoko tahaka ireny, nefa tsy mety mino aho hoe ankehitriny dia maheno toy izany mihintsy. Nitsangana aho nijery ireo labasy, ireo ravina sy tapa-kazo entin'ny rivotra manaraka an'iny lalambe manoloana ny misy anay iny. Nanidina daholo ny zavatra rehetra. Tena  tsy nampino.

Marie koa dia nanao jery todika ireo niainany nandritra ilay rivo-doza:

Eny e, na dia taty Davao aza aho iny andro ratsin'ny 04 Desambra dia niaina ny herin'ilay rivo-doza Pablo. Teo amin'ny famantarana rivo-doza laharana faha-2 no nametrahana anay. Taty dia tena henonay mihintsy ny fitreron'ny rivotra. Hitako mihitsy ny fivezivezin'ny tafo tety amin'ny manodidina ary indraindray ny fikapokapoky ny varavarana. Nieritreritra foana aho hoe nanao ahoana ary ilay rivo-doza tao amin'ilay tanàna niaviako rehefa tafiditra an-tanety i Pablo.

Bilaogera Filipiana iray hafa i ‘Kaloka’, nahita fa tena tsy mampino hoe nandrava ny tanàna niaviany ilay rivo-doza Pablo raha fahiny, dia faly fa mahàlana mihitsy vao mba andalovan'ny rivo-doza ny toerana misy an-dry zareo :

Nandritra ny androm-piainako, dia nandoka tena foana aho hoe na dia mipetraka sy lehibe tany amin'ny tany mafana izay andalovan'ny rivo-doza tsy latsaky ny 20 ao anatin'ny taona iray aza, dia tsy mba anisany amin'izany ilay tanàna niaviko. Koa tsy mba azo hiainana ve izany? Fa inona no mahazo izao tontolo izao e? Efa vokatry ny fiovaovana goavana eo amin'ny toetr'andro ve izany?

Mihoatra ny an'arivony ny olona nitoetra tato anatin'ity kianja filalaovana basket ity, navadika ho toby fialofan'ireo izay nanana tafo niongotra nandritra ny fandalovan'ilay rivo-doza. Sary avy amin'ny @imogenwall

Ilay Filipiana mpiblaogy, ‘Gagay’, dia nahatsiaro ho meloka noho ny fahalavirana nisy azy tamin'ireo fianakaviany izay very tafo noho fandalovan'ilay rivo-doza teo amin'ny tanànany:

Tena mampitaintaina ny mieritreritra fa, ka na hino ianao na tsia, hoe io no alina voalohany tsy nisy tafo natrehan'ireo fianakaviako tao anatin'ny fandalovan'ilay rivo-doza izay ora iray na roa taorian'ny nanombohan'ny oram-be mivatravatra sy rivotra nifofofofo. Noraofiny avokoa ny tafon-trano vita amin'ny simenitra ireny. Mba alaivo sary an-tsaina anie hoe nanao ahoana no nidiran'ny rano tao an-trano raha vao niongotra ny tafo e. Ka na tsy tondraka be aza ny rano, fa ny tao an-trano, kotsa avokoa ny entanay rehetra. Miainga amin'ireo akanjo rehetra izay nipirina tany anaty vata isan'efitrano, ny kojakojan-dakozia ary ireo entana elektronika tao an-trano rehetra ka isan'izany koa ny findain'ny dadanay, nandro tao anaty ranon'orana avokoa izany rehetra izany.

Ny nahafantarako izany zava-manahirana izany ka sady hoe lavitra ny fianakaviako aho dia tena nahatonga ahy nahatsiaro ho diso mihitsy. Tsy afaka nanao na inona na inona aho mba hankaherezana ny fianakaviako. Ary satria tapaka ny herinaratra tany, dia tsy afaka niantso sy niresaka tamin'izy ireo tamin'ny finday matetika araka izay tiako aho. Tena miala tsiny indrindra aho.

Taorian'ny fahapotehana naterak'i Pablo iny, Filipiana maro manerana ny firenena no tonga nanampy ireo tra-boina. Ny aterineto sy ny fampahalalam-baovao sosialy dia azo lazaina hatrany fa mbola manana ny anjara toerany lehibe eo amin'ny ezaka vonjy voina fa tsy hoe fotsiny tamin'ny fampahalalàna ireo voka-dratsin'ilay rivo-doza.

Mopera Joel Tabora, S.J. avy ao amin'ny Anjerimanontolon'ny Ateneo de Davao dia nitantara indray ireo zavatra hitany nandritra ny vonjy aina:

Toy ireny miditra aminà faritra misy ady ireny ny miditra ao amin'ny Monisipaly Compostela, akondro aminà hekitara sy hazo fihinam-boa maro no nidaboka. Na dia ireny trano vita amin'ny simenitra ireny aza dia potika. Ireo tafo fanitson'ny sompitra fitehirizam-bary dia niparitaka eran'ny lohasaha avokoa, ireo hazo mandrafitra ny lohatrano sy ny batabata rehetra dia potipotika tery. Rava ny 80% n'ny Akademia Assomption Compostela. Lasa ny tafon'ilay kianja vao naorina vao haingana. Foana tanteraka ireo boky tao amin'ny trano famakiam-boky. Ireo solosaina sy ireo milina fanjairana dia tratry ny rano hatrany amin'ny tapany ambany. Lasa avokoa ireo antontan-taratasy rehetra mirakitra ny raharahan-tsekoly. Potika thaka izany koa ny tranon-dry Masera Erlinda Factura, FMA. Iry, efa hatrany an-kiho no tondraka ny rano. Tsy misy afa-tsy ireo efitrano any amin'ny rihana faharoa on hany sisa azo nampiasaina mba namonjena hialofan'ireo mpampianatra. Tsy nandeha intsony ihany koa anefa ny CR. Tsy manan-kohanina ny olona any zao. Tsy misy rano madio. Tsy misy onjam-pifandraisana. Afaka roa volana raha kely indrindra vao andrandraina ho tafaverina ny herinaratra.

Nanantevin-daharana ilay antso vonjy ny mpisera hafa tety anaty aterineto, nandefa tweet, nitoraka bilaogy ary nanavao ireo kaonty Facebook ihany koa niaraka tamin'ireo hafatra fanohanana sy fahampafantarana ny fomba hamonjena ireo tra-boinan'ilay rivo-doza Pablo. Raha efa ho avy izao ny faran'ny taona,  tanatin'ny alahelo sy fieritreretana lalina no nankalazaina krismasy 2012.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.