Nahatratra An'i Shina Tampoka Ny Hetsi-panoherana Tsy Mahazatra Any Pékin Entina Hanoherana Fiaran-dàlam-by Express

Nisy hetsi-panoherana tsy mahazatra notanterahana tany afovoan-tanànan'i Beijing ny 9 Desambra 2012 hanoherana ny fananganana ny zotran-dalamby Express mampitohy an'i Shenyang sy Beijing izay mandalo amin'ny faritry ny afovoan-tanànan'ny distrikan'i Chaoyang. Na dia voaaron'ny lalàm-panorenana Sinoa aza ny fahalalana hivory, amin'ireo trangan-javatra maro dia foanan'ireo manampahefana ireo fihetsiketsehana karakarain'ny vahoaka. Tamin'ity indray mitoraka ity, anefa, toa nankatoavin'ireo manampahefana ao Beijing io fihetsiketsehana io ary voatatitra betsaka mihitsy aza ny tantarany tanatin'ny ankamaroan'ireo fitaovan'ny media. Na ny Sina Weibo, sehatra media sosialy tohanan'ny governemanta ho an'ny resadresaky ny vahoaka  aza, dia namoaka “sehatra fiadian-kevitra ahitàna fotokevitra” momba io raharaha io. Manontany tena ireo mpampiasa aterineto sasany raha fambara ny fiovàn-drafitra ara-politika taorian'ny fitarihana vaovaon'ny ny Kongresy faha-18 an'ny CCP izany.

Teo amin'ny manodidina ny 300 ireo mpanohitra nanao fihetsiketsehana tany amin'ny distrikan’ Chaoyang nangataka ny fanovàna ny zotran'ilay lalamby mampitohy an'i Shenyang sy Beijing. Setrin'ny tatitra nataon'ny Minisitry ny Fiarovana Ny Tontolo Iainana [zh] izay nilaza fa 37.27% amin'ny mponina ao Beijing no nanohana, raha 24.01% kosa no nanohitra io fanamboarana làlamby express izay manapaka distrika be fonenana midadasika any amin'ny faritry ny afovoan-tanànan'i Beijing no tena nahatonga io hetsi-panoherana io. Maro ireo mponina no nilaza fa tsy nanao fanadihadiana mihitsy izy ireo ary tezitra tamin'io vokatra io.

Ito ambany ito ny dika mitovy amin'ilay lahatsary tao amin'ny sehatra fiadian-kevitra Tecent QQ [zh] mampiseho ny zava-nitranga tamin'ilay hetsi-panoherana voarindra, izay nokarakaraina niaraka tamin'ireo teny filamatra mahazatra tahaka ny, “Manohitra ny tombana diso momba ny tontolo iainana”, “Noterena hanaiky”, ary “Manohitra ny fandalovan'ny zotran-dalamby Express eo anoloan'ny varavaram-bahoaka”.

Naka ilay vaovao haingana dia haingana ny ankamaroan'ireo famoaham-baovaon'ny media mahazatra araka ny voatanisan'i Sohu74 [zh], mpampiasa Weibo :

两个白天一夜之间,京沈高铁沿线居民理性维权的新闻和图片成了国内各大媒体争相转载的焦点,这变化突如其来,就好像你突然中了大奖有点儿不敢想象,不知所措。昨天听到维持秩序的一位民警说到这样一句话“戴眼镜的也能搞这事儿?”另一位民警则劝说维权群众“按序通行,别真的把路堵了,那就违法了。”

Tanatin'ny alina iray, lasa nifantohan'ny ankamaroan'ireo fampahalalam-baovaon'ny media mahazatra ny fiarovana voalanjalanja ny zon'ireo mponina eny amin'ny làlamby mampitohy an'i Shenyang sy i Beijing. Tampoka be ilay fiovàna, tahaka ny hoe naharesy taminà lotto ianao. Tena sarotra ny maminavina sy manome valinteny. Omaly aho naheno resaka teo anivon'ireo mpitandro filaminana. Nisy mpitandro filaminana iray nanontany “Ahoana koa no mahatonga ireo manao solomaso [izany hoe ireo nahazo fanabeazana tsara fototra] nandray anjara ihany koa tao anatin'ilay fihetsiketsehana?” Nilaza tamin'ireo mpanohitra ny mpitandro filaminana iray hafa: “miangavy anareo hitandro ny filaminana, aza mibahana ny arabe raha tsy izany dia handika ny lalàna ianareo.”

Tsy zava-baovao ny fanamboamboarana ireo fanadihadiana any Shina. Ny zavatra tena nahagaga ny ankamaroan'ny vahoaka dia ny namelana ireo mponin'i Chaoyang hanao hetsi-panoherana tany afovoan-tanànan'i Beijing. Reymon, mpandinika ny fitantanam-bola dia nihiaka [zh] tao amin'ny bilaogy kirìtikany:

在首都北京,抗议高铁项目的集会,竟然获得批准并举行。意义不一般!

Any Beijing, renivohitr'i Shina, nankatoavina ny fivoriam-bahoaka hanohitra ny tetikasa Fiaran-dalamby Express. Zavatra goavana tokoa izany!

Nisarika tsikera mihoatra ny 2000  [zh] izany tsikerany fohy izany, ny sasany nampiely, ny sasany kosa niahiahy:

心安得理:如若真实党国还有一丝转机,好!

心安得理:Raha tena marina izany, mety afaka hanova ny antokon'ny fitondrana. Tsara izany.

亚洲陶瓷商城:十八大其中一个主要的议题 就是 “自由”吧?

亚洲陶瓷商城:”fahalalahana” no fotokevitra goavana iray ao anatin'ny Kôngresy faha-18 an'ny Antoko Kaominista Nasionaly, sa tsy izany?

帝都日记:十日,晴。帝都再开先例。坊间传,有民众申请集会抗议高铁线路,竟获衙门准许。天朝集会,一向只分官方公开组织和官方私下组织两种。民众自发集会,无论缘由,历为所禁。此乃群体事件不断之根由。胡同苏秀才道,如若公民集会合法化常态化,将成官府真正制约,为民主进程重大一步,对国之未来影响深远。

帝都日记:10 Desambra. Mamiratra ny andro. Voalohany indrindra ho an'ny fanjakana. Tantara avy eny an-dàlambe: nankatoa ilay hetsi-panoherana entina manohitra ny làlamby express ny mpitandro filaminana. Araka ny fomban-drazan'ny fanjakana, misy karazany roa ireo fivoriana, ny iray dia karakarain'ny governemanta ho an'ny daholobe, ny iray hafa kosa dia karakarain'ny governemanta ho an'olona voafantina. Voarara ny fikambanana mitsangatsangana fotsiny na inona na inona toetrany. Izany no mahatonga ireo trangan-zavatra maro tsy milamina. Milaza ireo avarapianarana fa, raha lasa lamina arahana ny fivorian'olon-tsotra, ho voafetra ny fahefan'ny governemanta ary dingana iray mankany amin'ny demokrasia izany. Hisy fiantraikany goavana eo amin'ny hoavin'ny fivoaran'ny firenena izany.

渴学家:好事来的太多, 注意反弹.

渴学家:be zavatra tsara hitranga hisy setriny.

未曾顿悟已经年:进步但愿不会昙花一现!

未曾顿悟已经年:manantena fa tsy halazo vetivety ny fivoarana tahaka izany.

老虎啸山林:我们因拆迁集体上诉,游行申请五年了也未获批啊。

老虎啸山林:Nangataka fihetsiketsehana hanoherana fandrodanana an-terisetra izahay dimy taona lasa izay, nefa mbola tsy nisy nekena hatramin'izao.

livelife在唱歌:太阳从西边出来了。

livelife在唱歌:Mipoitra avy any Andrefana ny masoandro.

亮中华之剑:中央关于宪法的实施表态了,看来政府真的开始了改革,应该坚决捍卫宪法的尊严!

亮中华之剑:Hetsika nataon'ny governemanta foibe amin'ny lalàm-panorenana izany. Toa vonona hanova sy hiaro ireo zo araka ny lalàm-panorenana ny governemanta.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.