Madagasikara: fanaovana ampihy mamba velarantany nohon'ny BioFuel

Ny fikambanana “collectif TANY” izay mitolona hoan'ny fiarovana ny zon'ireo tantsaha Malagasy ahafahany manohy hamokatra ny taniny, sady soloin'Atoa Mamy Rakotondrainibe tena, no nandikateny frantsay sy nanapariaka ny lahantsoratra navoaky ny gazety Inona ny Vaovao laharana 1031 [fr] izay mitatitra ny fitarainan'ireo tantsaha nohon'ny vokadratsy ateraky ny fambolena ny voly jatropha karakarain'ny orinasa Tozzi Green group amin'ny velarantany mahatratra 100'000 ha any amin'ny faritra Atsimon'i Madagasikara. Ireo tantsaha no mijoro vavolombelona [fr] :

Nous, petits paysans, sommes obligés de partir car ce sont des gens munis d’armes qui nous expulsent de nos terres. La perte de l’herbe où les zébus pouvaient brouter a entraîné le décès du bétail sur place. Ils ont détruit les tombes de nos ancêtres. Les lieux sacrés ont déjà tous été détruits par les tracteurs

“Izahay tantsaha madinika dia voatery mifindra toerana tsy satry, satria olona mirongo fiadiana no mandroaka anay handao ny taninay. Misy mihitsy ireo izay very omby matin-kanoana, nohon'ny tsy fahampian'ny ahitra ho sakafony intsony. Noravany ireo fasandrazanay. Ary tsy misy intsony izay tany masina fa efa nopotehin'ireo traktera daholo”

Ny orinasa Tozzi Green kosa dia mandà mafy manohitra [fr] ireo fitoriana rehetra ambaran'ny fikambanana tantsaha mpamokatra:

TOZZI GREEN réitère également son invitation à toute personne ou groupement, soucieux de prendre une mesure objective de la réalité sur terrain, à visiter les Communes de Satrokala et d’Andiolava.

“Tozzi Green dia mamerina sady manamafy ny fanasany hoan'izay rehetra te hitsidika any an-toerana, izany hoe ny kôminina Satrokala sy Andiolava”

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.