Fiarovana Ireo Anaovana Tsongo Dia Ao Japana

Nivory ireo vondrona miiasa sivy ambi-efapolo izay manao fanentanana hanafoanana ny herisetra mihatra amin'ny vehivavy ary nanao fanambarana miaraka [ja] izy ireo tamin'ny 19 Novambra 2012, miantso ny amin'ny tokony handraisana fepetra hentitra hanampiana ireo iharan'ny herisetra sy hisorohana ny famonoan-tena ataon'ny mpitsongo dia [na mpitsongo dia].

Natao ny fanambarana taorian'ny loza niseho tamin'ny 6 Novambra tao Zushi, Prefektioran'i Kanagawa, izay vehivavy iray no voadaroka totohondry sy novonoin'ny sakaizany taloha, izay fantatra fa nivadika ho mpanorisory taty aoriana.

Nanoratra momba ny zava-niseho ny Habaky ny Tambajotra Mba Hametraka Lalàna Ho Fandraràna ny Herisetra Ara-nofo [ja]:

報道によれば、神奈川の事件の被害女性は、事件前に計4回警察に相談し、2011年9月、加害者は脅迫罪で懲役1年執行猶予3年の有罪判決を受けていたということです。しかし、今年3月下旬、約20日間に1089件ものメールが届いたことで被害者が再相談した際には、
・ストーカー規制法にメールを禁じる明文規定がない
・メールの文面に「殺す」というような文言がなかった
ということで、逗子署は、ストーカー規制法違反にも脅迫罪にも当たらないと誤った判断をして、捜査を終了したということです。

Araka ny filazan'ny tatitra, in-efatra nangataka fanampiana tamin'ny polisy ilay niharam-boina talohan'ny namonoana azy. Talohan'ny loza niseho, efa nahazo sazy herintaona an-tranomaizina sy sazy 3 taona mihantona ilay mpanorisory izay voampanga ho nanao fandrahonana. Na dia izany aza, mbola nanohy nanorisory tamin'ilay vehivavy hatrany izy rehefa nahazo ilay sazy mihantona. Tamin'ny volana Martsa farany teo, rehefa naharay mailaka 1089 tao anatin'ny 20 andro ity niharam-boina ity dia nangataka tamin'ny polisy mba hanao famotorana lalina, nolavin'ny polisy anefa ny fangatahany noho ireto antony manaraka ireto;

  • Tsy tafiditra ao amin'ny lalàna mandràra ny herisetra ny fanakanana ny mailaka
  • Tsy nahitana teny sompirana “famonoana” tao amin'ny mailaka

Noho ireo antony eo ambony ireo, nanapa-kevitra ny tsy hanao famotorona ilay mpanorisory ny polisy, satria tsy misy ifandraisany amin'ny lalàna mandràra ny herisetra na ny fiampangana momba ny fandrahonana ny fitarainany.

Nitady fanovana ifotony tamin'ny alalan'ireto fanambarana manaraka ireto ny vondrona mba haneken'ny polisy ny fisian'ny herisetra :

1.全ての警察官を対象に、ストーカー事件を始めとする女性に対する暴力事案について、犯罪の本質を理解するための特別研修を実施すること。研修の実施に当たっては、被害当事者や支援者など、警察外部の講師を招聘すること。

2.ストーカー事件を始めとする女性に対する暴力事案について、被害者の安全を守るための具体的で実効性のある捜査マニュアルを作成し、全ての警察官に携帯させること。

3.つきまとい行為にメールを明文化することはもちろんのこと、被害者が申し立てることによって接近禁止命令が出されるようにするなど、被害者の安全を守ることができるようにストーカー規制法を抜本的に改正すること。

4、DV防止法の対象を「配偶者等」と拡大し、恋人、元恋人などの交際相手を含めること。ストーカー事案についても、保護命令及び緊急一時保護の制度を活用できるようにすること。

5、「探偵業の適正化に関する法律」の第六条(探偵業務の実施の原則)「この法律により他の法令において禁止又は制限されている行為を行うことができることとなるものではないことに留意するとともに、人の生活の平穏を害する等個人の権利利益を侵害することがないようにしなければならない」について、ストーカーやDV加害者からの依頼によって被害者の居所を探してはならないことを徹底すること。

  1. Tokony hanaraka fiofanana manokana ny polisy rehetra mba hahafantarany mikasika ny heloka bevava mianjady amin'ny vehivavy toy ny herisetra. Tokony karakaraina miaraka amin'ny mpampiofana ivelan'ny polisy ny fiofanana tahaka ireo niharam-boina ohatra, ireo nieren-doza ary ny mpanohana.
  2. Mamoaka boky torolalana ahitana mazava ny tranga tahaka ny herisetra mihatra amin'ny vehivavy anisan'izany ny fampijaliana, mba hiantohana ny fiarovana ny ankilany voa mafy. Tokony tsy hisaraka amin'ireo polisy mihitsy izany boky izany.
  3. Tokony sokajiana ho anisan'ny asa fampijaliana ny fandrahonana amin'ny mailaka, ka tokony hanome baiko handràra izany ny polisy raha mangataka ny ankilany hiharan'izany, mandràra ireo mpiherisetra tsy hanatona ireo niharam-boina. Ilaina ny fanovana ifotony amin'ny fanaraha-maso ny lalàna mandràra ny herisetra mba hiantohana ny fiarovana ilay ankilany hiharan'ny herisetra.
  4. Tokony itarina avy amin'ny “vady” mankamin'ny “vady sy ny hafa” ny Lalàna Fisorohana ny Hersietra an-tokantrano mba ho tafiditra ihany koa ireo olona manambady sy nananana fifandraisana teo aloha. Tokony hahazoana alalana baiko fiarovana sy rafitra maika sy vonjimaika ny tranga-na fanorisorenana.
  5. Nofaritan'ny andininy faha-6 amin'ny “asam-pitsongoan-dia dia tsy maintsy ao ambanin'ny lalàna hafa ary tsy tokony hanitsakitsaka ny fanirian'ny tsirairay hanana fiainana milamina”. Tokony ataon'ny sampan-draharaham-pitsongoan-dia mazava fa tsy tokony asehon-dry zareo ny adiresin'ny olona tsongoina dia na eo aza ny tinakin'ny mpanorisory na maniraka ny fitsongoan-dia

Rehefa voasambotra noho ny fandrahonana nataony ilay mpamono olona tamin'ny volana Jiona tamin'ny taon-dasa, novakian'ny polisy feno sy tamin'ny feo mafy ny anaran'ilay niharam-boina (izay efa manambady) sy ny adiresiny vaovao izay mety ho nanampy ilay mpamono olona hahalalàny ny trano itoerany taorian'ny mariazy. (Manova ny anarany avy amin'ny anaram-badiny ny ankamaroan'ny vehivavy any Japana aorian'ny fanambadiana.)

Nampiasa ny dinika (forum) an-tserasera hametrahana fanontaniana mihoatra ny 400 tamin'ny alalan'ny kaonty telo samihafa ilay mpamono olona. Ahitana toy izao ao anatin'ny fanontaniana [ja] “Aiza no ahahafako mividy antsin'atsantsa fanao an-dakozia“, ” Inona no mitranga raha mamono tena mialoha ny ahatratrarana azy ny mpamono olona iray“, “Inona sy inona avy ny bus raisiko raha ho any amin'ny faritr'i Kotsubo any an-tanànan'i Zushi aho?”

Nananton-tena ilay mpamono olona rehetra avy nanatsatoka antsy ny lasibatra.

Avy amin'i Keiko Tanaka ny hajian-tsary

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.