Misy Manafika Ny Iraka Diplaomatikan'i Iran

Ambasadin'i Iran ao Berlin, loharano: Iran Global

Notafihan'ny Iraniana sy ny Afghana noho ny antony samihafa, tao anatin'ny herinandro vitsivitsy izay, ny iraka diplaomatikan'i Iran manerantany. Notafihan'ny mpankasitraka ny mpanohitra Iraniana ny masoivoho Iraniana tao Berlin ary Afghana kosa no nanafika ny konsilà Iraniana tao Herat, Afghanistan.

Misy ihany koa ny sahoan-dresaka milaza ny fanafihana ny masoivoho Iraniana tany Copenhagen, Danemarka tamin'ny Asabotsy. Raha niampanga [fa] miampanga ny mpanohitra iraniana ho nanafika ny masoivohon'ny Repoblika islamika tany Danemarka ny depiote iray, depiote iray hafa kosa mitsipaka [fa] ny fisian'izany fanafihana izany.

Hatezerana tany Herat

Afghana mpanao fihetsiketsehana tokotokony ho roanjato eo no niezaka nanasaritaka ny kaosilàn'i Iran tany andrefan'ilay tanàna Afghan tamin'ny alahady 9 Desambra 2012, ho fanoherana ny lazaina ho famonoan'ny mpitandro ny filaminana Iraniana.

Fanafihana tao Berlin

Nisy vondrona mpizaka zom-pirenena Iraniana nilaza tena ho “mpikatroka” sy “mpialokaloka” nanakorontana [de] ny masoivohon'ny Repoblika Islamika tamin'ny alarobia 28 Novambra. Niterka adihevitra mamaivay teo amin'ny tontolom-bilaogy iraniana ity hetsika ity, ka hita avokoa na fiderana, fanamelohana ary fiampangana.

Nisy lahatsary nivoaka YouTube, heverina ho avy amin'ity toe-javatra ity, ahitana sary manjavozavo izay ahatazanana “saina mena sy mainty” iza natsangana hisolo ny saina ofisialin'i Iran.

Mihiaka ny hoe “Miala ny mpanao didi-jadona” sy ny hoe “Miala ny Repoblika Islamika” ireo mpikatroka nanafika ny masoivoho Iraniana ireo.

Andishe Novin, blaogera Iraniana any Alemina [fa] izay manana fironana anarshista nitatitra ity toe-draharaha ity tao amin'ny kaontiny ary nanazavazava ny hetsika ho “Fiaraha-mientana ho fanohanana ny fitokonan'i Nasrin Sotoudeh tsy hihinan-kanina [mg]” sy ireo gadra noho ny fanehoan-kevitra. Ny takian'ny mpanafika, araka ny hita ao amin'ny blaoginy dia ny “amoahana tsy misy fepetra ny mpikatroka politika nosamborin'ny fitondrana Islamika Fasista.” Ashkan, blaogera hafa mahita fa ny nataon'ireto olona ireo dia “hetsika an-tsariohatra” ary nanoratra fa ny sainan'ny Repoblika Islamika dia sariohatry ny fahasarotana sy ny voina lehibe any Iran. Nisolo ny saina teo aloha nahitana liona sy masoandro ny saina ankehitriny izay taorian'ny revolisiona 1979:

“This flag is a symbol of execution, massacre, torture, addiction, unemployment, imprisonment, prostitution, robbery and crime!”

Io saina io no sariohatry ny famonoana, fandripahana, fampijaliana, fiankinan-doha, tsy fisian'asa, fanagadrana, fivarotan-tena, fangalarana ary heloka bevava!

Ashkan midera ny mpanafika noho ny nandoroany ny saina

Etsy amin'ny manda ankilany kosa, blaogera Iraniana hafa, manana anaram-bositra Shahgholam [fa] miantso ny fanakorontanana ny masoivohon'ny fitondrana ao Berlin ho “barbariana”:

“When barbarism is institutionalized in a person or group, it does not matter if you live in Iran, in the third world, or the heart of modern Europe. It does not matter whose territory you are trespassing on. No liberated soul would support today's storming of the Iranian Embassy in Berlin just as no one supported the lunatic army's barbaric invasion of the British Embassy in Tehran one year ago.”

Rehefa tafiditra lalina ao amin'olona iray na vondron'olona iray ny barbarisma, tsy misy fahasamihafàny na monina any Iran, na any amin'ny tany tsy moba ny atsy tsy momba ny aroa, na ao anivon'i Eoropa maoderina ianao. Tsy maninona izay fari-pirenena itsakitsahanao. Tsy misy olona afaka ara-panahy hanohana ny fanakorontanana ny Masoivoho Iraniana androany, tahaka ny tsy nisian'ny fanohanana ny nataon'ireo andian'olona misy androny ireo ny fanafihana ny Masoivoho Britanika tamin'ny herintaona

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.