Sombim-baovao (Memes) Shinoa 10 Malaza Indrindra Tamin'ny Aterineto 2012

Amin'ireo mpisera Weibo (Twitter Shinoa) maherin'ny 400 tapitrisa, nanjary loharanom-baovao lehibe ho an'ny olona mikaro-baovao mikasika izay zava-mitranga ao Shina ny fampahalalam-baovao sosialy Shinoa. Satria efa hifarana ny taona, nifantina memes (sombim-baovao) 10 amin'ny Aterineto ao Shina izay mendrika ho tsarovana indrindra tamin'ny 2012 izahay . Mitantara adilahy, laza, hatsikana ary teny malaza izy ireo.

#1 Alika vs. Valala–Adin'i Shina sy Hong Kong

Efa ela ny mponina ao Hong Kong no nanana lolom-po tamin'ireo mponina avy amin'ny tanibe noho ireo mpizahatany ratsy taiza sy ireo vehivavy bevohoka misisika any noho ny zo azo eo am-pahaterahana sy honina ao an-toerana. Tamin'ny volana Janoary 2012, nivoaka tamin'ny aterineto ny lahatsary iray ahitana ny olona avy ao Hong Kong sy olona avy ao amin'ny tanibe mifamaly ao anatin'ny metro an'i Hong Kong. Tao anatin'ny lahatsary, ankizy kely vitsivitsy avy amin'ny tanibe no voampanga ho nanitsakitsaka ny lalàna satria nihinan-kanina tao anaty metro. Niteraka lolom-po teo amin'ny roa tonta avy hatrany ny zava-niseho. Nantsoin'ilay profesora ao amin'ny Oniversite ao Peking Kong Qingdong hoe “alika” ny mponina ao Hong Kong tamin'izany.

Namoaka dokambarotra tao amin'ny gazetin'ny Apple ny mpiserasera tao Hong Kong izay milaza hoe,“Leo ny vahoakan'i Hong Kong”.

Ho setrin'izany, nomen'ny mponina ao Hong Kong solon'anarana hoe “valala” ihany koa ireo mponina avy amin'ny tanibe miaraka amin'ny dokambarotry ny gazety mpivoaka isan'andron'ny Apple mampiseho valala mitazana eny an-tampon'i Hong Kong. “Leo ny mponina ao Hong Kong!” hoy ny filazana

Nalaza vetivety tao amin'ny Weibo ilay dokambarotra izay narahina  hala-tahaka maneso ny resaka hoe “leo”: Nitaraina ny mponina ao Shanghai fa leo an'ireo mpiasa mpifindra-monina mifindra ao an-tanàn-dehibe, nitaraina ihany koa ireo mponina ao Beijing fa leon'ny fiakaram-bidin'ny trano aman-tany.

#2 zipo fohy mampiseho… fivaviana

Tamin'ny volana Martsa 2012, mpilatro antsoina hoe Emily Zhou no nalaza tamin'ny aterineto rehefa avy namoaka sary ahitana ny delegasionan'ny Antenimieram-bahoaka mpiantoka azy “andriamanitraray” (mpanohana ara-bola) sy ny “zipony fohy mampiseho… fivaviana” manjelanjelatra izy. Tsy maintsy nanazava izy taty aoriandriana fa ity lazaina ho zipo fohy mampiseho fivaviana ity dia fohy fa mahatakona ihany ny fivaviana ihany.

Niahiahy ny mpiserasera fa manampahefana iray mpanao kolikoly mitaiza vadikely tsara kolokolo ilay delegasionan'ny Antenimieram-bahoaka, ary “Guo Meimei” hafa indray koa i Emily Zhou.
Na dia nanazava aza i Emily taty aoriana fa tsy mpiantoka azy ara-bola (sugar daddy) ilay lehilahy, nanjary sombim-baovao nalaza tamin'ny aterineto ny “zipo fohy mampiseho fivaviana”. Mpiserasera maro no mampiasa ilay fiteny ilazàna izay zipo fohy rehetra.

#3 Chen GuangCheng

Tamin'ny lohataona 2012, rehefa nandositra ny trano niambenana azy ilay mpisolovava jamba sady mpikatroka zon'ny olo-tsotra Chen Guangcheng, nahasarika ny sain'ireo mpiserasera Shinoa izany. Na dia nosakanan'ny governemanta aza ny anaran'i Chen, vitan'ny mpiserasera ny nanodina ilay sivana. Nisy mpanakanto mpanohana an'i Chen nanangana doka KFC, ahitana sariitatr'i Chen miaraka amin'ny teny filamatra hoe “Afaho i CGC”.

Filazana ny “Afaho i CGC” nalaza tamin'ny aterineto Sinoa.

Nanomboka niparitaka tamin'ny aterineto Sinoa ny filazana an'i Kentucky Fried Chicken (KFC) ho fanohanana an'i Chen. Nantsoina hoe “fahasahiana miady anaty akata” ny fampielezana ilay sombim-baovao.

#4 “diaosi” sy ny Mpanankarena Mihaja Ranjanana

Teny malaza tamin'ny aterineto Sinoa ny teny hoe “diao si” (屌丝) hatramin'ny voalohan'ny taona. Fiteny fanetre-tena (auto-dérisoire) hanasokajiana ireo “very niangaran'ny vintana” izay tsy manana tombotsoa tokony hananan'ny tsirairay (endrika tsara, fianakaviana mendrika sy saranga sosialy ambony) ary mahatsiaro tena miaina tsy manam-bahaolana noho ny fiakaran'ny vidim-piainana  sy ireo karazam-pifaninanana sy ny teritery eo amin'ny fiarahamonina.
Mifanohitra amin'izany, misy ihany koa teny malaza hafa ho an'ireo lava ranjanana, manankarena ary mihaja (高富帅 Gao-fu-shuai) na mazava hoditra, manankarena ary manja (白富美 bai-fu-mei), samy sokajiana ho maodelin'ny vady lehilahy sy vady vehivavy tonga lafatra eo amin'ny fiarahamonina Sinoa izy roa tonta ireo.

Na mampihomehy aza ny feon'ireo teny malaza, mampiseho ny firesaka sy ny fomba fisainana eo amin'ny fiarahamonina Sinoa maoderina izany.

 

#5 Tafio ny Miboridana

Tamin'ny 9 Jolay, nitatitra momba ny fampirantiana zava-kanto Italiana tao amin'ny Mozea nasionaly ao Shina ny Fahitalavi-panjakana Sinoa CCTV. Raha nampiseho ny sary sokitra nataon'i Michelangelo tamin'ny vaovaony ny CCTV, nataon'izy ireo manjavozavo ny faritra saro-padin'ny sary sokitra. Mpiserasera Sinoa an-tapitrisany no nahita ilay lahatsary misy ilay tsangan'asa nasiana sivana.

“Nampiakanjon”‘ireo mpiserasera ilay hosodoko mba hamazivazina ny CCTV.

Profesora iray naneho hevitra tamin-keso: “Ahoana raha hampiakanjona izy ireo?” niteraka aingam-panahy teo amin'ireo mpiserasera izany. Avy eo, nampiasa rindrambaiko tamin'ny solosaina ireo mpiserasera mba “hampiakanjona ireo asa-tànana malaza tamin'ny sary sokitra sy hosodoko ho fanararaotana hanesoaesoana ny CCTV.

#6 62%

Tamin'ny volana Aogositra, nilaza [zh] i Yang Yiyong, Talem-panjakan'ny Fampandrosoana sy ny vaomieran'ny ivotoeram-pikarohana ny fanitsiana ny Haifihariankarena faobe (macro-économique) ho amin'ny fampivoarana Sosialy,  nandritra ny Dinika fa tontosa 62% ny asa mampahatanora ny sivilizasiona nifototra tamin'ny Fanaraha-maso ny fomba famohazam-pirenena sy ny [laharam-] tondrom-panombanana (indicateurs d'évaluation) tao Shina.

Hitan'ireo mpiserasera fa mampihomehy [zh] ny fampiasana laharana na tondro (index) handrefesana ny fandrosoan'ny fifohazan'i Shina, nanjary vaovao nalaza tamin'ny aterineto ny tarehimarika avy amin'ny “siantifika”. Noforonin-dry zareo ny fomba vaovao hamazivaziana ny tatitra amin'ny fampidirana ny tarehimarika 62% amin'ny resaka. Mpiserasera iray nanoratra hoe: “Niantsambotra aho nahita lahatsoratra iray fa tao anatin'ny torimaso 62% tamin'ny alina.” Iray hafa nanoratra hoe:“Tontosa 62% ny iraka hanitarana ny hantsana manasaraka ny mpanankarena sy ny mahantra.”

 

#7 Watch Uncle- Famataranandron'ny Dadatoa

Tamin'ny volana Septambra 2012, noesorina tamin'ny asany i Yang Dacai, lehiben'ny Fitantanana ny asam-piarovana ao Shaanxi taorian'ireo sariny marobe nivoaka tamin'ny aterineto izay mampiseho azy manao famataranandro lafovidy 11 samihafa farafahakeliny nandritra ny fotoana samihafa. Taorian'ny fanafintohinana momba ny famataranandron'i Yang, nanara-dia ny vondrona ihany koa ny lehiben'ny Fitaterana ao amin'ny Faritry Fujian, Li Dejin sy ny ben'ny tanànan'i Lanzhou, Yuan Zhanting, nanjary fiteny hafa hilazana ireo manampahefana mpanao kolikoly ny voambolana hoe “watch uncle” [dadatoa famantaranandro]. Ankoatra ny famataranandro, anisan'ny harena azo avy amin'ny tsy rariny ihany koa ny trano sy ny vadikely, ohatra ny “Dadatoa an-trano (House Uncle)” ao an-tanànan'i Guangzhou, distrikan'i Panyu, izay lehiben'ny Birao Fitantanana ny Renivohitra, Cai Bin, ary ny “Dadatoa Faharoa (Second Uncle)” dia ao an-tanànan'i Chongqing, distrikan'i Beibei, lehiben'ny antoko Komonista Lei Zhengfu izay nasehon'ilay mpanao gazety tamin'ny aterineto ny lahatsarin'ny fanaovany firaisana 12 segondra tamin'ny sipany.

 

#8 “Faly ve ianao?”

Tamin'ny fiandohan'ny volana Oktobra, nandefa fandaharana antsoina hoe “Fanadihadiana mandritra ny Vakansy: Faly ve ianao?”  ny fahitalavi-panjakana CCTV. Nanontany ireo olona sendra azy teny an-dalana ireo mpanao gazety raha faly izy ireo na tsia, somary nihambahamba ny valinteny ary endrika mangaihay no hita niaraka tamin'ny valinteny tsy nampoizina. Mpiasa zokiolona mpifindra-monina namaly hoe: “Zeng no anarako,” toa diso fandray izy satria heveriny fa midika toy izao angamba ny fanontaniana, “Fu ve ny anaranao?”

Tahaka ny ezaka mampiseho “fiarahamonina mirindra” ny fahitana ilay fandaharana izay toa natao indrindra mialoha ny fisokafan'ny Kongresy faha-18n'ny antoko. Nalaza tao amin'ny aterineto avy eo ilay fanontaniana hoe “faly ve ianao”, nampiasain'ireo mpiserasera izany mba hampisanganehana sy hamazivaziana ny CCTV.

#9 Sparta

Anisan'ny kaody [teny miafina] eo amin'ny samy mpiserasera ny Sparta mba hiresahana momba ny Kongresim-Pirenen'ny Antoko faha-18. Sparta amin'ny teny Mandarin dia renesina toy ny fiteny mahazatra amin'ny Kongresy faha-18n'ny antoko Nasionaly, “Shi ba da”, izay niharan'ny sivana tao amin'ny Weibo mialoha ny Kongresy tamin'ny Novambra 2012.

Valinteny mihoatra ny 3,5 tapitrisa no avoakan'ny karoka natao momba ny Sparta na 斯巴达. Nampiasain'ny mpiserasera ity teny miafina ity mba hitarainana momba ny “fandrindrana hafahafa” na aterineto nandeha miadana niainan'izy ireo talohan'ny Kongresy.

“Nanjary miadana dia miadana tanteraka ny hafainganan'ny aterinetiko, noho ny fahatongavan'ny Sparta atsy ho atsy ve no anton'izany'?” hoy ny mpisera Weibo iray.

 

#10 qie gao

Fiteny malaza hafa indray ny hoe “qie gao” (切糕, mofomamy voanio) izay teraka tamin'ny faraparan'ny taona 2012 noho ny fifandirana teo amin'ireo mponina sasany Sinoa Han ao an-toerana sy ireo mpivarotra vary mofomamy Ouighour vitsivitsy noho ny resaka tsy misy dikany momba ny halafosan'ny vidin'ny mofomamy voanio.

Nivadika ho gidragidra be ady lehibe ny fifanasana vangy. Mitentina Teo ho eo amin'ny 160.000 yuan ($25.700) teo ny fahasimban'ireo vary fanaovana mofomamy sy vatomamy voanio , Nomena onitra noho ny fahasimbana ny Oighoro 16 ary nafindra tany Xinjiang, nosamborin'ny polisy tao an-toerana kosa ilay mpanjifa. Nandray ilay toe-draharaha ny mpanohana ny Oighoro ary nanaitra ny sain'ireo mpiserasera avy eo ny fahalafosana amin'ny tsy antony ny “qie gao”. Nampakatra sarina “gie gao” tao amin'ny Weibo izy ireo ary nizara ny zava-niainany ratsy tamin'ireo mpivarotra mofomamy Oighoro. Nahatonga ny mponina teratany Han hitaraina amin'ny fironana politika atao amin'ny vondrom-poko ao Shina ihany koa ny zava-nitranga.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.