Miantso Fanairana Ny WCIT: Fotoana Hamelarana Ny Adihevitra Momba Ny Fitantanana Ny Aterineto

Nivory tany Dubai ireo mpitondra manerana izao tontolo izao tamin'ity herinandro ity mba hamonjy ny Kaonferansa Manerantany Momba ny Fifandraisandavitra Iraisampirenena (WCIT), ary miankina amin'izay vinavina hiseho, mety hisy voka-dratsy eo amin'ny hoavin'ny Aterineto araky ny fantatsika izany.

Tao anatin'izay volana vitsy izay, nandefa fanairana noho ny antony mitombina amin'izay mety ho vokatry ny fifampidinihana (kaonferansa) ireo vondron'ny firaisamonim-pirenena sasany satria misy ireo nanolotra volavolam-panitsiana tany amin'ny Fikambanamben'ny Fifandraisandavitra Iraisampirenena indrindra ireo firenena malaza amin'ny sivana fanaony amin'ny aterineto sy ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona, izay mety hiteraka voka-dratsy dia ratsy amin'ny aterineto amin'ny ankapobenyraha toa ka tovanana ireo volavola ireo. Niditra an-tsehatra ny fitondrana Amerikana, miaraka amin'ireo mpitondra avy amin'ny firenena maro hafa, izay mandrahona ny hanakana izay fanovana lehibe mety hanitarana ny fahefan'ny International Telecommunication Union (UIT = Fikambanamben'ny Fifandraisandavitra Iraisampirenena) amin'ny fitantanana ny aterineto. Ny fanapaha-kevitra tsara indrindra ho an'i Etazonia dia ny fanohizana tsy misy fanovana ny teo aloha, satria manana andraikitra lehibe amin'ny fitantanana ny aterineto ny andrimpanjakana sy ireo orinasa Amerika amin'ny fitantanana ny Aterineto.

Fa zavatra hafa koa no hita mazava fa nahazo adi-hevitra mialoha ny kaonferansa WCIT sy ireo adi-hevitra tany am-boalohany tany Dubai. Tsy faly amin'ny fomba fitantanana ny Aterineto ankehitriny ireo firenena maro, indrindra ireo avy amin'ny firenena ila-bolantany atsimo izay mahita fa anisan'ny mitondra fampandrosoana goavana ny fidirana amin'ny aterineto. Mety ho fakam-panahy no hilazana ireo firenena ireo ho akaiky an'i Rosia, Shina ary Iran, izay tsikaritra ho mikendry hampiasa ny UIT ho fomba iray hametrahana ny fifehezana goavana ny aterineto, saingy mety handiso hevitra ny mampiaraka azy rehetra.

Marina fa tokony hisy ny fanovana, na dia tahaka ny tsinjo avy amin'ny marimaritra iraisana aza fa tsy ao amin'ny UIT no sehatra iadian-kevitra sahaza hanaovana izany fanovana izany. Na izany aza, azo araraotina ny fifantohan'ny besinimaro amin'ny WCIT hanasongadinana ny resaka. Mahabe fanantenana ny risi-po ananan'ireo vondrona samihafa amin'ny fiarovana ataony manodidina ity kaonferansa ity, saingy mahamenatra kosa raha atsahatra amin'ny 14 Desambra izany. Maro amin'ireo lahavolana ifampiresahana ao Dubai no anisan'ny ifampiresahana indirndra amin'ny fitantanana ny Aterineto izay hita fa tsy hifarana vetivety. Fotoana izao ho an'ireo mpikambana amin'ny firaisamonim-pirenena, ny indostria sy ny governemanta mba ho vonona hiara-hiasa ho amin'ny tontolo mendrika, sy ny fandraisana andraikitra iombonona izay tsy hiaro ny Aterineto ihany araka ny fantatsika ankehitriny, fa handrisika hampandroso ny fahavokarana sy ny fanavaozana.

Niara-nisalahy ny Open Technology Institute sy ny Global Partners mba hametraka izany hafatra izany amin'ny dika miverimberina momba ny hoe “Inona ny ITU?”, izay novokarin'ny Access and Fight for the Future (Miditra sy Mitolona ho amin'ny hoavy) teny am-boalohany .

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.