Atrikasa: Media Nomerika ho an'ireo Teny Tandindonin-doza Ao Amerika Latina

Fanamarihan'ny Rising Voices: Faly izahay miara-miasa anatin'ity hetsika ho tanterahina ny voalohandohan'ny 2013 ity. Ity dia dikateny notovozina avy amin'ny lahatsaratra amin'ny teny Espaniola ao anatin'ny bilaogy Living Tongues.

Feo Miaritra : Atrikasan'ny Media Nomerika ho an'ireo Mpiteny ny Teny tandindonin-doza any Amerika Latina
Daty: 7-11 Janoary 2013
Toerana: Trano famakiam-boky ao Santiago, Matucana 151, Shily
Mpiara-miasa: Tetikasa Feo Miaritra (Fampianarana Ambony Mikasika Ny Teny Velona + Ny fikambanana National Geographic), Ny Anjerimanontolo UTEM, ny Fundación Imagen of Chile, ary ny Rising Voices.

Zavamisy: Rehefa maty ny hevitra, mahantra avokoa isika. Antsasak'ireo teny 7000 eto amin'ity tany ity ankehitriny no tandindonin-doza ho faty: fiovana goavana eo amin'ny tantara ara-tsain'ny zanak'olombelona. Mifohafoha volo [miaritra] ny fototry ny fahaizan'ny olombelona, ary mandritra ny 99% amin'ny tantarantsika dia niampitapita amin'ny aloaky ny vava. Eny , tena marefo izany. Tsy voasoratra ny ankamaroany, ary mety hadino tokoa. Afaka manampy hirakitra sy hitahiry izany fahaizana hita any anatin'ireo teny izany ny teknolojia nomerika.

Tanjona: Hanofana zana-tany 12 mpandray anjara miaraka amin'ny tanjona izay hahafahan'izy ireo mianatra ny fomba hamoronana rakitra ho an'ny teniny tadindonin-doza amin'ny alalan'ny famoronana fitaovana vaovao mikasika ny teny, tahaka ireo rakibolana miteny avy amin'ny alalan'ny fampiasàna solosaina, kamera, rakipeo sy teknolojia hafa. (Hizotra amin'ny teny Espaniola izany atrikasa izany).

Fandaharam-potoana: Isan'andro dia hisy hetsika samihafa natokana ho azy ary mifandray amin'ny firaketana ny teny nomerika. Amin'ny fitenin'ireo zana-tany mpandray anjara ireo fitaovana rehetra hovokarina. Ity manaraka ity ny fandaharam-potoana  mikasika ilay atrikasa:

ANDRO 1 – Alatsinainy 7 Janoary 2013

  • 9:30AM – 11:30AM. Lanonana fanokafana miaraka aminà fampahafantarana fohy avy amin'ny mpikarakara sy ny mpandray anjara tsirairay.
  • 1PM – 4PM. Paikady ‘Ethno-Linguistique’ I: Ahoana ny mitahiry, manamboatra, sy mamokatra raki-peo fampiàsa anatin'ireo fandaharama amin'ny radio sy ny rakibolana miteny.

ANDRO – Talata 8 Janoary 2013

  • Ny tapany Maraina: Paikady ‘Ethno-linguistique’ II – Ireo fomba sy paikady famoronana rakibolana miteny (miaraka amin'ireo ohatranà tetikasa hafa anatin'ireo firenena samihafa)
  • 2 PM – 5 PM. Famoronana rakibolana miteny iray ho an'ny mpandray anjara tsirairay.

ANDRO 3 – Alarobia 9 Janoary 2013

  • 11AM – 1PM. Media nomerika  I: ahoana ny fomba fampiasàna kamera hamoronana lahatsary
  • 2PM – 5PM. Fakana lahatsary, fanamboarana ary famindrana ny rakitra

ANDRO 4. Alakamisy 10 Janoary 2013

  • 11AM – 1PM. Ny lanjan'ny Mediambahoaka sy ny famelomana indray ny teny any Amerika Latina: atolotr'i Eddie Avila avy amin'ny Rising Voices.
  • 2PM – 5PM. Media nomerika II: Fampiroboroboana ny fisian'ireo tenin-jana-tany ao anaty aterineto: fampiakarana lahatsary sy fizaram-baovao avy amin'ny alalan'ireo vohikalan'ny tambajotra sosialy.

ANDRO 5. Zoma 11 2013

  • 11AM – 1PM: Famitàna ireo tetikasa nomerika ho an'ny mpandray anjara tsirairay
  • 1PM – 3PM: Lanonanana famaranana sy fankalazana miaraka amin'ireo mpikambana ao anatin'ny vondrom-piarahamonin'ny zana-tany Shiliana

===============================================================

Ireto manaraka ireto ireo zana-tany mpandray anjara, izay manam-pahaizana amin'ny tenin-dreniny:

Ireto ireo mpikarakara:

Dr. Gregory D. S. Anderson (Fampianarana Ambony Momba ny Teny Velona), Anna Luisa Daigneault (Fampianarana Ambony Momba ny Teny Velona), Eddie Avila (Rising Voices) ary Luis Godoy Saavedra (Centro de Desarollo Social, UTEM).

FIFANDRAISANA

Vohikala: Enduring Voices | Voices Duraderas from National Geographic {feo miaritra}
Miara-miasa amin'ny Fampianarana Ambony Momba ny Teny Velona
Raha mila fifandraisana fanampiny: Anna Luisa Daigneault, mpandrindra ny tetikasa Enduring Voices ao Amerika Latina. Finday (Etazonia): +001-415-613-0795 annaluisa@livingtongues.org

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.