Espaina: Famindram-po Azon'ireo Polisy Voaheloka Noho ny Fampijaliana Olona

[Mitondra mankany aminà pejy miteny Espaniola ny rohy rehetra, afa-tsy ny misy fanamarihana.]

Ny 27 Jolay 2006, Lucian Paduraru, teratany Romana sy ny vadiny nitondra vohoka dia nandao ny trano fonenan'izy ireo tany Barcelona rehefa nisy lehilahy dimy nanatona sy nanafika azy mivady, nidaroka tsy nisy antitra an-drangahy. Olon'ny polisy Catalan Mossos d’Esquadra [en] ireo lehilahy dimy, saingy tsy mbola fantatr'ireo mpivady velively. Nafangaron'ireto polisy taminà mpanendaka malaza faran'izay atahorana i Paduraru.

Nosamborina i Paduraru ary nentina tany amin'ny tobin'ny polisy tany Les Corts, toerana izay tsy hoe nitohizan'ny daroka fotsiny, fa vao mainka niharatsy niampy ny fandrahoana, ompa, ary hatramin'ny fanitrihana ny vava basy tany am-bavany. Rehefa injay ny iray tamin'ireo mossos nahatadidy fa mbola mandeha ny fitaovana firaketana sary  (kamerà) tao amin'ilay efitrano, izay vao nitsahatra ny daroka. Vao mainka niharatsy ilay tantara ratsy nony fantatra hoe hémophile i Paduraru. Ity tranga ity no iray isan'ny nataon'ny Amnesty International ao Espaina ho ohatra tamin'ny tatitra  Espaina: Ampiana ompa ny fanimbazimbana [en] mikasika ny herisetran'ny polisy ao Espaina.

Niatrika fiampangàna noho ny fampijaliana, ompa ary fitànana tsy ara-dalàna ireo mossos dimy ary  notsaraina tao amin'ny fitsarana foibe tao Barcelona. Ny telo tamin'ireo polisy dia nahazo sazy enina taona sy fito volana avy, ny iray nahazo roa taona sy telo volana, ary ilay fahadimy dia nosaziana handoa lamandy noho ny fanararaotam-pahefàna. Tamin'ny fampakaràny tany amin'ny Fitsaràna Ambony, nahena ny sazy ary nahantona mandra-piandry ny vokatra faran'ny fanadìhadian'ny polisy mikasika ny fangatahana famindram-po nataon'ireo mossos.

Ny Febroary 2012, nanome ny famindram-po voalohany ny governemanta tamin'ny filazàna fa “ny valin'ny fanadihadian'ny polisy mifandraika amin'izany” dia nitondra “porofo vaovao sy ilaina mifandray amin'izay zava-nitranga marina tamin'ilay tranga.”  Noraisin'izy ireo ho anaty kajikajiny koa ny antontan-taratasy firaketana ny amin'ireo polisy tsirairay avy amin'ny departemanta, hatramin'ny “fitaovana fanaovana montage sy ny fanohanana ilay fangatahana famelàna.” Ny famindram-po efa nampihena ny fe-potoana hitànana am-ponja, ho roa taona, izay ampivadiana amin'ireo tsy fahalavorariana nataony tany aloha nahafahan'ireo manampahefana ireo nisoroka ny fiverenany any am-ponja. Fanampin'izany, ny fandraràna azy ireo tsy hanao asam-panjakana dia nosoloina ihany koa fampiatoana mandritra ny roa taona.

Na eo aza io, ny Fitsaràna dia namoaka didy tsy mahazatra ny maro izay mandidy ireo manampahefan'ny polisy hamita ny sazy fifonjàna, tamin'ny fitanisàny ny fanaovana zinona ny fiarahamonina sy ny maha-loza mitatao an'ireto manampahefana ireto ho an'ny fiarahamonina. Ho setrin'izany dia nametraka ny fampakaràna fanindroany ireo mossos.

Andro vitsy lasa anefa izay, ny governemanta Espaniola, tsy nijereny ny hevitra ny vahoaka, dia nanome valiny mahafa-po ho an'ny fampakàrana faharoa nataon'ireo manampahefàna, nanolo ny sazy fampnjàna azon'izy ireo ho lamandy faran'izay tsotra 7.200 euros (eo amin'ny $9.350) haloa “tsikelikely ” 10 euro manditra ny roa taona.

Nahatezitra ny vahoaka ity famindram-po faharoa ity, ny vahoaka izay betsaka no nandika ny fihetsiky ny governemanta ho fitanilàna mazava be mankany amin'ny tsimatimanota sy ny herisetra izay nanitsakitsaka nivandravandra loatra ny zo fototra maha-olona. Tao amin'ny Twitter, lasa lohahevitra noresahana be ireo tenifototra #indulto [famelàna] sy #justiciadeespaña [fitsaràna ao Espaina] ny tolakandron'ilay fanambaràna.  Nizara ny hasosorany i Abraham Escobar of #14N sy Gloria Marcos :

Los 'mossos' ahora indultados, durante el juicio. Foto subida a la página de Facebook «Paradoja: no había disturbios hasta que llegaron los antidisturbios»

Ireo mossos vao nahazo famindram-po tsy ela akory izay, nandritra ny fitsaràna. Sary nalaina tao amin'ny pejy Facebook “Paradox: tsy nisy korontana raha tsy efa ny polisy mpandrava korontana no tonga”

@abraham_escobar: Mahamenatra ny famindram-po azon'ireo mossos’ . Potika ity rafitra politika ity. Lasa ara-dalàna ny tsy rariny ary tolorana fankasitrahana ny tsimatimanota.

@gloriamarcosmar: afaka i Gano Ping, namindràna fo ireo  mpampijaly, mampiroborobo ny herisetran'ny polisy ny #PP [Popular Party]. Fa firenena inona ity iainantsika ity e? #JusticiaDeEspaña

Nanakiana ny fihetsiky ny Ministeran'ny Fitsarana farany teo i Ricardo Sixto:

@Rsixtoiglesias: Espaina: amindràny fo ireo mpampijaly ary ampiasainy ny lamandy ho toy ny fitaovam-pitsaràna. Tsy misy mihitsy fifehezana araka ny lalàna.http://www.publico.es/espana/446355/

Ity famindràm-po ity dia mitondra fanazavana tsara momba ny tena zava-nisy nitranga nandritra ny taona maro. Manomboka mahatsapa ireo teratany Espaniola hoe ilay famindram-po, rafitra iray natao hisian'ny fitsaràna mitsinjo ny maha-olona, dia tafahoatra no nampiasàn'ny governemanta azy mba hamafàna ny helok'ireo mpandika lalàna mifandray akaiky amin'ny fitondràna. Manazava azy betsaka i Ignacio Escobar ao anatin'ny lahatsorany “Ny famindràm-po: fanararaotam-pahefana isanandro” :

[…] isika no iray amin'ireo firenena Tandrefana izay manarararotra betsaka an'ity fahefana indraminy ity . Hatramin'ny 1977 isika dia nanomen famindram-po 17.620, araka ny tatitry ny BOE [State Official Bulletin, en].  Tanatin'ireo nomena famindram-po ireo sangany amin'ny taranjany tsirairay: ny filohan'ny fanonganam-panjakàna 23-F [fanonganam-panjakana  23 Febroary 1981, en], ireo mpampihorohoro avy amin'ny GAL [Grupos Antiterroristas de Liberación, en], ireo politisiana mpanao kolikoly, ireo mpitsara ratsy fitondran-tena, ireo mpanao afera goavana, ireo mpitantana banky mpanao hosoka, mpandraharaha zava-mahadomelina… Ny salanisany dia 480 isan-taona.

Zapatero nanome 3.226 nandritra ny roa taona nitondrany raha i  Aznar — mitàna ny zava-bita be indrindra eto amin'ny firenena — dia manakaiky ny in-droa amin'io isa io, famindram-po 5.916. Ho fampitahàna, George W. Bush nanome famindram-po 200 isa monja tao anatn'y valo taona nitondrany an'i Etazonia, firenena iray im-pito amin'ny haben'i Espaina[…]

Manodidina ny mpitsara 200 no niambatra nanao sonia fanambaràna iray manohitra ny famindram-po omena ireo mossos. Ireto manaraka ireto ny ampahany tamin'irefanambaràna an-gazety :

Mitory fihetsika manitsakitsaka ny zo maha-olona ny famindram-po iray izay an'ny fanjakana ny andraikitra amin'ny fanenjehana ireny fihetsika fampijaliana ireny, na eo an-tànan'ireo mpiasany.

[…]

Ny fampijaliana no endrika faran'izay ratsy indrindra amin'ny fanitsakitsahana ny maha-olombelona. Io maha-olona io no fototry ny lamina araka ny lalam-panorenana. Ny Fitsaràna Eoropeana momba ny Zon'Olombelona dia nanameloka an'i Espaina noho ny tsy nanaovana fnadihadiana mikasika ireny tranga ireny. […] Rehefa mihetsika manadihady sy manameloka  [ny Ministeran] ‘ny Fitsaràna, ny governemanta indray mamindra fo. Lasa fanamby araka izany ny hanazavàna ny fitondrantena tahaka izany eo anoloan'ny Fitsarana Eoropeana.

[…]

Tsy mendrika ny hatao hoe rafitra ara-pitsaràna iray demaokratika ny fanapahan-kevitry ny governemanta, tsy ara-drariny ary tsy takatry ny saina.

Ny Minisitry ny Fitsaràna, Alberto Ruiz Gallardón, niaro ny fanapahan-kevitry ny governemanta :

Alberto Ruiz Gallardón, Ministro de Justicia español. Captura de un vídeo de YouTube.

Alberto Ruiz Gallardón, Minisitry ny Fitsarana Espaniola. Nalaina taminà lahatsary Youtube iray.

[…] ny zavatra tsy izy dia ny finoana fa hoe misy hery hafa afaka mampihatra fahefana izay atsy azy ireo akory fa fotsiny satria ny lalam-panorenana no manome azy ireny ho an'ny fitondràna aty Espaina; tsy zon'ny fahefam-pitsaràna ny famindram-po saingy fahafahana an'ny fahefana mpanatanteraka.

Nefa mbola misy fanantenana hoe ho tsinontsinona ity famindram-po ity, araka izay siratan'i Ixaiac ao anaty lahatsoratry ny Huffington Post  :

Omaly ny SUP [Sendika Mitambatr'ireo Polisy], androany indray mpitsara 200. Angamba mba hisy zavatra hiova. Saingy ho an'ny maro, tara loatra ilay fiovàna vao tonga. Enga anie ho ho betsaka dia betsaka ny maso hisokatra hahita ireo fanararaotam-pahefana tsy mitsahatra. Ndeha tsy hitsitsy ny fotoanantsika amin'ny famerenana ny rariny eo amin'ny fiarahamonintsika.

 

[Mitondra mankany aminà pejy miteny Espaniola ny rohy rehetra, afa-tsy ny misy fanamarihana.]

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.